|
|
|
|

Teny iditra1  manaikitra
Sokajin-teny  2  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Miketoka, mamely amin' ny nify: Avy hatrany dia manaikitra io alika io fa tandremo
Manindrona: Manaikitra ny moka amin' ny fahavaratra
Masiaka amin' ny lanilany: Manaikitra ny sakay
Maharary: Manaikitra ny kiraro fa vao
Mihinana, mahazo tsara, miraikitra tsara: Tsy manaikitra itỳ tandra itỳ ~ Tsy manaikitra tsara ny loko natao tamin' itỳ lamba itỳ
Masiaka, sarotiny, tsy azo hatonina: Manaikitra ny lehibenay fa aza mitsiditsidika any am-piasanay any ianao
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.7] to bite, to cause pain
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.8] mordre; piquer, faire mal
Ohatra  6  [2.528#] manaikitra izany alahelo an' Ikaky izany!
7  [2.313#] ny manetoka dia manaikitra mafy sady tampoka.
Fototeny  8  kaikitra
Haiendriteny 
9  Ny ankehitriny :
10  Ny lasa :
11  Ny hoavy :
12  Filaza mandidy :
Mpanahaka  13  mandramatra, miketoka, manaketoka, mikaretoka, manakarepoka, manakaretoka, mamazana, manatandra, mandramatra, mandrambo, mandrovitra, mandriatra
Kamban-teny 
Ohabolana  15  Ohabolana misy io teny manaikitra io

Fivaditsoratra  16  iantraikam, itakarinam, manaikitra, manati-kira, miantraika, mitakarina, mitakarìna

Nohavaozina tamin' ny 2025/04/25