|
|
|
|

Teny iditra1  maneso
Sokajin-teny  2  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Manao tsinontsinona, manebaka, manatsizarizary: Tsy tsara ny maneso ny mahantra
Mihomehy, mamazivazy, mananihany, manaraby: Tezitra ny mpampianatra fa nisy naneso azy, hono, ny iray tamin' ny mpianany
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.7] to scorn, to mock
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.8] mépriser, se moquer de
Ohatra  6  [1.38] ary ny hoe "mihomehy", dia tsy hafa noho ny hoe "maneso"
Voambolana  7  Ontam-po
Fototeny  8  eso
Haiendriteny 
9  Ny ankehitriny :
10  Ny lasa :
11  Ny hoavy :
12  Filaza mandidy :
Mpanahaka  13  manesoeso, manambany, manamavo, maniva, manivaiva, manizakizaka, mamingavinga, mamizaviza, manebaka, manabanty, manaraby, manakora, manondro molotra, manao potsa-molotra
Ohabolana  14  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  15  anosem, maneso, manose, mañose, masoñe

Nohavaozina tamin' ny 2025/05/03