|
|
|
|

Teny iditra 1  marika
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Soratra na sary milaza isa: Ataovy marika arabo fa tsy romanina
4 Fanisana, fahaizana manisa: Mianatra marika ~ Manao marika
5 Famantarana: Asiana marika ny lamban' ny kilasimandry
6 Sary fanamarinana, porofo: Atolotray anao itỳ voninkazo itỳ ho mariky ny fankasitrahanay
7 Fakan-tahaka, filamatra: Ity nomeko anao hatao marika, ka nahoana no novanao?
8 Soritra: Ny batemy dia manisy marika tsy azo vonoina ao amin' ny fanahy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  9 a sign or mark
10 a plan or drawing
11 arithmetic [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  12 signe ou marque [1.8]
Ohatra  13  Nisy marika hafa koa hitako. [2.472#12]
14  Hampianariny marika tsara ireo zanany ireo mba tsy hovoambakan' ny sasany any aoriana any. [2.470#38]
Haiendriteny 
15  Tsotra :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Fikambanana  26  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 50 misy ny teny how marika
Ohabolana  27  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  28 kamary, 29 kamira, 30 karima, 31 Makira, marika, 32 mikara

Nohavaozina tamin' ny 2026/03/07