Teny iditra miangiangy (angiangy)
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   Manao valavala ratsy ka tsy menatra akory eo imasombahoaka: Miangiangy aoka izany amin' ny sakaizany io tovolahy io
Mitovy hevitra: sahy loatra ~ tsy mahalala menatra ~ tsy vaky afero ~ tsy vaky atatra ~ tsy vaky aty ~ tsy valahara [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   to be proud, to be arrogant, to be too bold and too self-confident. [Richardson 1885]
   [Provincial] to be of a nature loving neatness, etiquette, outside appearances; to be affected in everything [Richardson 1885]
Ohatra   Izany no hihatra aminy dia noho ny avonavony, satria naneso sy niangiangy tamin'ny vahoakan'ny Tompon'ny tafika. [Baiboly: 43:002:010/Sofonia 2:10..]
Ny bikany  
miangiangy
niangiangy
hiangiangy
miangiangia

Nohavaozina tamin' ny 2014/07/11