Teny iditra | 1 mihatsaravelatsihy |
Sokajin-teny | 2 mpamaritra |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Miseho ho tsara etỳ ivelany fotsiny |
Fanazavàna teny anglisy |
4 [1.2#749] to act hypocritically; literally, to improve by mat spreading without removing bthe dirt below |
Fanazavàna teny frantsay |
5 [1.3] devenir meilleur en déployant la natte et en montrant le beau côté ; être hypocrite, dissimuler |
Ohatra |
6 [2.996#28.1.29] Aza mihatsaravelatsihy eo imason' ny olombelona 7 [1.381] Mahay fialana sy kapotsaka, mila hihatsara velatsihy, malamasy tsy marin-toetra 8 [2.558] Tsara vava ka mahafa-kenatra, mahay mihatsara-velatsihy ka tsy hita kilema loatra 9 [2.5#87] Angamba tsy te-hihatsaravelatsihy aho ka hamihana eo an-tratrako izay tovovavy tsy tiako akory? |
Fototeny | 10 tsaravelatsihy |
Tsipelina hafa | 11 mihatsaravelatsihy, mihatsaravelatsihy |
Tovy hevitra | 12 manao saka manafin-koho |
Ohabolana | 13 Ohabolana misy io teny mihatsaravelatsihy io |
Nohavaozina tamin' ny 2025/04/30 |
![]() |