Teny iditra | 1 mitandrina |
Sokajin-teny | 2 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Mampifantoka ny saina amin' ny zavatra iray ka manao izay rehetra azo atao mba tsy hisy hahavoa ny tena amin' izany: Mitandrema tsara rehefa mihazakazaka sao potraka Miambina olona, manara-maso izay ataony: Tovolahy kely iny no nitandrina ny mpianatra ka nolalaoviny fotsiny Mikarakara, manolokolo, mikajakaja: Aoka tandrina ity boky ity ohatra ny anakandriamaso ianao Manaraka, manatanteraka: Izay te ho voavonjy, aoka hitandrina ny didy |
Fanazavàna teny anglisy |
4 [1.7] to take care of; to look after; to be careful |
Fanazavàna teny frantsay |
5 [1.8] prendre soin de, surveiller; avoir soin |
Ohatra |
6 [2.4] Aleo mitandrina ihany fa loza izay teo izay. |
Fototeny | 7 tandrina |
Haiendriteny |
|
Mpanahaka | 12 mikolokolo, manolokolo, mitity, mikarakara, mahavatra, mahakandikandy, mikajy, mikojakoja, miahy, mikononkonona, mitaiza, mitsabo, miambina, miandry, miaro, misoroka, mitsimbina, mitandro, misaingy, mandala |
Ohabolana | 13 Ohabolana misy io teny mitandrina io |
Nohavaozina tamin' ny 2024/12/11 |
![]() |