|
|
|
|

Teny iditra1  mivezivezy
Sokajin-teny  2  matoantenin' ny mpanao
Fototeny  3  vezivezy
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8  [1.1] Mandeha atsý sy are, mitotototo mankatsy mankaroa, mivoivoy: Nivezivezy eran' ny mpivaro-boky rehetra aho nitady ilay boky tantara fa tsy nahita
Miriorio foana mankatsy sy mankaroa, mirenireny: Mitandrema tsara fa misy jirika mivezivezy, hono, ato anatin' ity ala diavintsika ity
9  [1.32.mg#277] to roam
Fanazavàna teny anglisy  10  [1.7] to wander, to ramble
Fanazavàna teny frantsay  11  [1.8] errer par-ci par-là
Ohatra  12  [2.470] Raha mivezivezy amin' ny fandrosoan-tsakafo eo izy, dia tsy adinony velively izy efatra mianadahy zanany:
13  [2.472] Nisy andian-miaramila nivezivezy isan' alina.
Mpanahaka  14  mivoivoy, miasa dia, mandehandeha, mivezika atsy mivezika aroa, maniasia, miriorio, misedisedy, mirenireny, mipempena, manjenjena, mihelohelo, mihenjy, misiontsiona, mijongojongo, mizionjiona, miselontselona, mitsakatsaka, mihebikebika, mihebiheby, mijaingijaingy, tsy mahatombin-tsiraka, firaka atakalo, misidiondiona
Ohabolana  15  Ohabolana misy io teny mivezivezy io

Nohavaozina tamin' ny 2025/07/29