Teny iditra (1/3) | 1 orana |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Rano mirotsaka avy eny amin' ny habakabaka vokatry ny fivongovongoan' ny rahona ho rano: Mamelombelona ny zavaboary ny orana ~ Avy ny orana ~ Latsaka ny orana ~ Mitsahatra ny orana 4 [1.1] Rahona mihantona eny amin' ny rivotra manodidina ny tany izay tonga rano ka milatsaka mitaika ety ambonin' ny tany |
Fanazavàna teny anglisy |
5 [1.2] Rain. [mal. Ujan; polyn. Na.] 6 [1.7] Rain |
Fanazavàna teny frantsay |
7 [1.8] Pluie |
Ohatra |
8 Midona ny orana any Ankaratra [2.131] |
Voambolana |
9 Haitoetrandro |
Haiendriteny |
|
Sampanteny |
|
Tovy hevitra | 13 ranonorana |
Kamban-teny |
|
Ohabolana | 31 Ohabolana misy io teny orana io |
Teny iditra (2/3) | 32 orana |
Sokajin-teny | 33 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
34 [1.1] Fanadiovana na famotsiana ny firava-bolamena na volafotsy. |
Sampanteny |
|
Teny iditra (3/3) | 38 orana |
Sokajin-teny | 39 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
40 [1.78] [Tanosy]
patsa 41 [1.1] Karazam-biby mivelona any anaty rano, misy hodiny mafy, lavalava vatana, ary folo ny tanana aman-tongony ka ny roa voalohany misy kinifinifiny milentika amin' ny nofon' izay ketohiny |
Fanazavàna teny anglisy |
42 [1.2] the Madagascar crayfish, which is very plentiful in the rivers and streams of the interior. It belongs to a genus peculiar to te island, and stands alone in some of the peculiarities of its structure. Astacoides madagascariensis, And. and M.-Edw. [comp. mal. Udang, a lobster; jav. And many Malayan languages uran, a prawn.] 43 [1.7] a shrimp |
Fanazavàna teny frantsay |
44 [1.8] écrevisse |
Ohatra |
45 Raha tia orana hianao dia hakanay anio alina, fa mora azo foana izy ireny raha itondrana fanilo [2.324] |
Voambolana |
46 Haibiby: tsy manan-kazon-damosina |
Kamban-teny |
|
Anaram-biby |
|
Anaram-javamaniry |
|
Lohateny |
Ohabolana | 57 Ohabolana misy io teny orana io |
Fivaditsoratra | 58 anaro, anora, aoran, arano, aroña, arona, naora, narao, naroa, orana, ranao, raona, roaña |
Nohavaozina tamin' ny 2025/02/08 |
![]() |