|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  ririnina
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  Fizaran-taona mangatsiaka, manarakaraka ny fararano, izay iririsan' ny fanala ny ravin-kazo ka mahatonga azy hihintsana: rakodrahona matetika ny lanitra ary mifafy ny erika arahindrivotra mamirifiry avy atsimo atsinanana; hatramin' ny volana jiona ka hatramin' ny aogositra no aharetan' ny ririnina. (Ny ririnina dia antsoina koa hoe: main-tany) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4  winter, the cold and dry season [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  5  l'hiver, la saison froide et sèche [1.8]
Ohatra  6  natahorana hosovoka vao maraina ny hatsiaka noho ny fiandohan' ny ririnina. [2.470]
7  Ny ririnina nanaraka iny fahavoazana niraisana iny mantsy, nanorina trano biriky ngezabe ry zareo. [2.472]
Voambolana  8  Fotoana
9  Haitoetany: (amin' ny ankapobeny)
Haiendriteny 
10  Tsotra :
11  Tovonana :
Sampanteny 
12  Matoantenin' ny mpanao :
13  Anarana :
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Lohateny 
Ohabolana  20  Ohabolana misy io teny ririnina io

Teny iditra (2/2)21  Ririnina
Singan-teny  22  ririnina
Sokajin-teny  23  anarana (lohatenin-tononkalo)
Voambolana  24  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  25  Andrianjatovo Haëckel
Tsanganana sy sary iray takila  26  Fitanisana
Lahatsoratra  27  Nankaiza ny tsiky, ny lanitra manga
No be sorisory sy maloka lava?
Somparan'ny rahona ka tsy mitranga
Ny fara-masoandro natao hanazava

Nankaiza ny ravina, elon'ny hazo
Ny vony mivelatra, radon'ny saha?
Finaokan'ny rivotra fa efa malazo
Tsy ho hitan'ny mason'ny tia zahazaha

Mangina ny feo mikotaba ao an'ony
Fitopa malefaka sy eri-mitaika
No reko mahalana, tony dia tony
Nankaiza ny riana mahery fiantraika?

Ny tampon-tanety nahoana no ngazana?
Ny tendron-kavoana no mangadihady?
Mahaiza mandinika rehefa mitazana
Ny fotoa-mamanala efa tonga sahady

Izany ka izany no tsy andrenesana
Ny vazon'ny vorona zatra mihira
Matahotra hatsiaka sy fahafatesana
Ka lasa mihataka arý an-dakira

Izany ka izany no tsy ahitana
Aina marisika, vonon-kiasa
Ny andro kanefa dia mbola hafana
Ny hatsiakan-dririnina koa ho lasa

Fivaditsoratra  28  Ririnina, ririnina, Ririnina, ririnina

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/12