Teny iditra re
Sokajin-teny matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Heno: Renao ve izany vorona mihira izany?
Fantatra: Efa renao ny nialan-dRakoto.
Tsapan' ny fandrenesana, toy ny fanamboloana: Tsy reko izany fofona ao izany fa voan' ny sery aho; ny fandrenesana tsiron-kanina: Tsy reny akory ny hamamin' ny siramamy; ny fikasihana: Reko ny tsongo ataony ahy.
Tsaroana: Reko tsara loatra izany fahoriako [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Heard; perceived by the senses, as pain or smell [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Entendu [1.3, 1.8]
 Appris, senti, perçu par les sens du goût, de l'odorat, du toucher [1.3]
 Perçu par le sens du toucher, l'odorat, du goûter [1.8]
Ohatra 
1Ho ren'olo ka ho maty aho. [2.606]
2Avereno kely hoe ho reko tsara. [2.895]
3Tsy nisy hitany na reny nanatona anefa [2.472]
4reny tsara ny fiakatry ny fofon-jezika ary maharikoriko azy [2.470]
5Taitra dia taitra izy, fa avy any ambony ilay zavatra reny, ka fantany fa tsy izy mianaka avy naka orana tary an-dohasaha ambany [2.324]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : re, reko, renao, reny, rentsika, renay, renareo, ren', ren-, rem-
Ny lasa : re, reko, renao, reny, rentsika, renay, renareo, ren', ren-, rem-
Ny hoavy : ho re, ho reko, ho renao, ho reny, ho rentsika, ho renay, ho renareo, ho ren', ho ren-, ho rem-
Sampanteny 
Tovy hevitra reny
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra re
Sokajin-teny kianteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Kianteny kely fanao amin' ny fehezanteny manontany raha manontany tena ilay miteny: Inona re no hataoko e; handeha sa hijanona?; ary amin' ny fehezanteny tsotra kosa raha mangataka mitalaho: Mifona re, tompoko, fa tsy hanao intsony aho [1.1]
Ohatra 
1Nahoana re no anton'izany? [2.324]
2Aoka re, anaka. [2.470]
Kamban-teny 

Teny iditra ~re~
Sokajin-teny tsofoka [Teny amin' ny ~re~]
Fanazavàna teny frantsay Infixe qui sert à former le pluriel des pronoms-adjectifs démonstratifs: io -> ireo [1.12]

Teny iditra re
Sokajin-teny anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy Ny feo faharoa manarakaraka ny do amin' ny ambaratongam-peo fito amin' ny gama [1.1]
Voambolana 
Mpanahaka  do ~ mi ~ fa ~ sol ~ la ~ si
Sary 

Teny iditra Re
Sokajin-teny anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy Singa mivaingana, faha-75 amin'ny fisokajiana miherina. [3.1]
Fanazavàna teny anglisy Rhenium. [3.1]
Fanazavàna teny frantsay Rhénium. [3.1]
Voambolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/11/26