|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  babay
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  Kilalaon' ankizy izay manipy zavatra eny an-tanany hisavoana dia tantazany tsy ho latsaka sady ataony hoe: "Latsaka i babay, tonga i babay". (Sarina tanisa). [1.10]
Fanazavàna teny anglisy  4  a children's game [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  5  Nom d'un jeu d'enfants consistant à laisser choir quelque chose de la main et à le ressaisir dans la chute. On dit en jouant : Latsaka babay, tonga babay. lit. Babay tombe, babay remonte [1.3]
Voambolana  6  Kilalao
Kamban-teny 
Ohabolana  8  Ohabolana misy io teny babay io

Teny iditra (2/4)9  babay
Sokajin-teny  10  anarana
Fanazavàna teny malagasy  11  Teny fanaovan' ny tambanivohitra sasany, fiovan' ny hoe "baba" (dada). [1.10]
12  renibe [Sihanaka] [1.78]
Fanazavàna teny anglisy  13  in the provinces it used for father. [Provincial] [1.2]
Voambolana  14  Fifandraisana: fianakaviana

Teny iditra (3/4)15  babay
Sokajin-teny  16  tenim-piontanana
Fanazavàna teny malagasy  17  Tenim-piontanana, na fahataraina, ataon' ny olona izay voatendrin' ny manampahefana hisambotra na hitana ny olona ahiahina ho namosavy. [1.10]
Fanazavàna teny anglisy  18  an expression of lamentation uttered by the officers appointed to seize those suspected of sorcery. [1.2]
Kamban-teny 
Tsanganana sy sary iray takila  20  Ny tenim-piontanana rehetra

Teny iditra (4/4)21  Babay
Sokajin-teny  22  anaran-tsamirery (haitoetany)
Fanazavàna teny malagasy  23  Tendrombohitra eo ankavian-dalana mankany Mojanga, andrefan' i Moriandro, sahabo 6 km. atsimon' i Lovohitra. Mievotra eo afovoan' ny tany lamaka izy ; tomandavana mianavaratra sy mianatsimo, ary Babay no anaran-tokana ilazan' ny olona azy. Misy tendrony efatra anefa izy: ny atsimo no avo indrindra, ary mihaiva hatrany. Misy kirihitr' ala betsaka eny antenantenany eny :voafotsy no be amin' ireny, sy ilay hazo mafy atao hoe famaho, karazan' ny harahara. Samy efa nonenan' olona ireo tendrony efatra amin' i Babay. Ny atsimo indrindra dia atao hoe "Antampon' i Babay" : nonenan' izany olona natao hoe "Ibabay" na "Ralaibabay" (asa na Sakalava na Vazimba izy io). Ny tendrony manarakaraka dia "Ambohimanoro", nonenan' izay natao hoe Andriamanoro. Ny fahatelo dia "Ambohimalemizaka", nitoeran' izany "Andriamalemizaka". Ny tendrony fahefatra dia "Ambohitrandriana" ; io sisa misy mponina mandr ak' ankehitriny, ka ataon' ny olona hoe Babay. Samy voahodidina hadivory avokoa izy efatra. Fasana, fahitr' omby rava, ary vavahady mikorontana sisa hita eo amin' ireo telo atsimo. Samy fonenana tsara anefa izy, satria sady manga rivotra no akaiky rano (tra-toraka avy eo am-bavahady) ary mora iarovan-tena amin' ny fahavalo. -- Misy farihy telo namboarina eo antenantenany andrefana, izay samy be kirihitr' ala mahafinaritra. Ny lehibe indrindra dia "Andranosoa", tokony ho 150 m. ny lavany mianavaratra sy mianatsimo ary 80 m. ny sakany ; be harefo sy trondro io. Ny roa kelikely avy dia eo ambony atsinanan' ity lehibe : ankevitry ny samy 80 m. avy ny lavany ary 30 m. ny sakany : "Andranomizàna" sy "Andranonamboa" no anarany. ... [1.10]
Fanazavàna teny anglisy  24  a mountain in Imerina [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  25  célèbre montagne au nord-ouest de l'Imerina [1.3]
Ohatra  26  Lohavohitra, lasan' ialahy ! ka dia alai' ny ialahy indray i babay ! [2.48]
27  Tonga indray ny taratasin'ny Prime Minister nanao hoe : Mankanesa ao babay hianareo; [2.59]
28  Avaradrano : renivohitra : Ambohimanga, Antananarivo " : Alasora " : Ambohidratrimo " : Fenoarivo " : Lohavohitra sy babay " : Betafo sy Antsirabe. [2.113]
Voambolana  29  Haitoetany: temdrombohitra, saha
Ohabolana  30  Ohabolana misy io teny Babay io
Tsanganana sy sary iray takila  31  Fitanisana

Fivaditsoratra  32  ababy, Babay, babay, ababy, Babay, babay

Nohavaozina tamin' ny 2023/09/21