|
|
|
|

Teny iditra1  mivadika
Fototeny  2  vadika
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Mampiseho ny ilany na ny lafiny tsy mbola niseho: Efa nivadika ve ireo lamba mihahy ireo
Mifandiso ka ny lafy ratsiny indray no miseho fa tsy ny lafy tsarany: Loza fa nivadika ny akanjonao teny an-dalana
Manova ny tehezana atao ambany mandry indray: Efa afa-mivadika ny marary
Miova ho ratsy tsy araka ny nampoizina: Nivadika ny anao taty aoriana ka izaho nanao soc azy indray no nofofoiny. / Nivadika tampoka teo lahy ny andro
Mitsipaka: Ny mivadika ny teny natao no anisan' ny ratsy indrindra
Mihohoka ka ny ambony no lasa ambany: Nivadika ny lakana ka saika maty daholo ny mpandeha
Haiendriteny 
5  Ny ankehitriny :
6  Ny lasa :
7  Ny hoavy :
8  Filaza mandidy :
Mpanahaka  9  mitsoa-pahana, miova fenitra, mitsoaka ny teny natao, mitsoaka orimbato, mivadibadika toa lela may, manao tsimbadiboanampotsy, manao tsimbadik' amponga, miroa lela, miodina, malady ofana, mangala-belirano
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana  36  Ohabolana misy io teny mivadika io

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/16