Fanazavàna teny malagasy |
3 fahatelo amin' ny filaharan' ny volana malagasy. Ny anarany dia nalaina avy tamin' ny anaran' ny antokon-kintana izay ataon' ny Arabo hoe El-djoûza (Gémaux). Zana-bintana eo avaratry ny Asorotany izy, ary eo atsimon' ny Adaoro. Eo amin' ny Adizaoza no fitoeran' ny sinibe ao an-trano. Ny Alakaosy no tonom-bintana mifandratra amin' ny Adizaoza, na dia zana-bintana baben' ny Asorotany aza izy, indrindra ange fa ny vava-Adizaoza. Ny zaza teraka amin' izany, raha tsy alàm-bintana, dia hanjary miozanozana sy sahazanina tsy mba mahatontosa izay zavatra ataony, hany ka ho mahantra fadiranovana no hiafarany. Ny fanalana ny vintana Adizaoza dia ny sahozanina (valala voatango), tsy afa-mandady, tsy afa-mitsipika, fa miozanozana foana eo am-pitoerany eo, dia manahaka ny sinibe tsy mba mihetsiketsika izany, fa migobogoboka fotsiny rehefa voadona. Ny vodi-Adizaoza dia azoazo kokoa noho ny vavany: ny vehivavy teraka amin' izany dia ho tsy maro anaka, na dia malahelon-karena aza: fa ny lehilahy kosa no tsy dia mba hambinina loatra amin' ny fihariana. Rahefa tsaratsara fototra kosa anefa ny olona, toy ny efa manana andevo an-trano, na efa mitahiry vola an-kitapo, ka ta-hanao zavatra tian-kateza, dia ny Adizaoza -- indrindra fa vodi-Adizaoza -- no andro tsara ho fanaovana sy fisantarana izany. Koa izay mikasa hampaka-bady, na hanorin-trano, na haka vohitra, ets., ary sendra mifandratra amin' ny vintany ireo andro tsara voalaza ho fanaovana izany, dia ny tonon' andro Adizaoza no fidiny, fa eo no marin-toerana sy tsy mihetsiketsika tahaka ny sinibe, ka dia hateza tokoa ny zavatra atao amin' izany. [1.10]
4 [3.1]
5 Anaran' ny volana fahatelo amin' ny filaharan' ny ran' ny volana malagasy merina, aorian' ny Adaoro ary alohan' ny Asorotany, ka ny toerana nomen' ny Ntaolo azy dia eo amin' ny lafin-drindrina atsinanana, ilany atsimo. Isan' ny tononandro mahery indrindra ny Adizaoza, ka ny zaza teraka amin' izany raha tsy alam-bintana dia mihozangozana
6 Fanandroana: vavany, vodiny: raha vehivavy, maro anaka, fa malahelon-karena; raha lehilahy, malahelo [1.1]
|