Teny iditra (1/9) | 1 alo |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Manana hevitra iraisana hoe: mpanelanelana na fitaovana enti-manao zavatra tsy mivantana; olona asaina manelanelana amin' ny antokon' olona roa tonta Fatorana enti-manasaraka ny kofehy alohan' ny hanenomana Fandoarana ny vary na ny laoka na ny rony avy ao ambilany ho ao anaty lovia Fanatsobohana ny vary antsotro ao anaty lovia misy ny ro |
Fanazavàna teny anglisy |
4 [1.2] a tie used in separating the yarn into hanks previous to its being woven. Aloalo also used |
Fanazavàna teny frantsay |
5 [1.3#23] Intermédiaire, messager Les liens qui servent à séparer les fils avant le tissage Action de transvaser le riz, la sauce, les mets de la marmite dans les assiettes Action de plonger dans la sauce le riz qu’on a dans sa cuillère |
Sampanteny |
|
Kamban-teny |
|
Teny iditra (2/9) | 11 alo |
Sokajin-teny | 12 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
13 [1.78] [Taisaka]
famangian-dralehilahy na fofombadiny, famangian-dralehilahy mampirafy ny iray amin'ny vadiny |
Teny iditra (3/9) | 14 alo |
Sokajin-teny | 15 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
16 [1.1] tevana, fampana 17 [1.13] lohasaha kely ambony toerana |
Fanazavàna teny frantsay |
18 [1.19] [Tankarana]
précipice. 19 [1.13] talweg d'altitude |
Voambolana |
20 Haitoetany: (amin' ny ankapobeny) |
Tovy hevitra | 21 lohalo |
Teny iditra (4/9) | 22 alo |
Sokajin-teny | 23 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
24 [1.78] [Betsileo]
tadin-drano, onja |
Kamban-teny |
|
Teny iditra (5/9) | 26 alo |
Sokajin-teny | 27 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
28 [1.1] Teny ilazana karazan' aretin-jaza vitsivitsy: alobotra, alofisaka, alomanehaka |
Fanazavàna teny frantsay |
29 [1.3#23] Nom d’une maladie d’enfants |
Voambolana |
30 Fahasalamana |
Kamban-teny |
|
Teny iditra (6/9) | 33 alo |
Sokajin-teny | 34 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
35 [1.78] [Betsimisaraka, Sihanaka, Tambahoaka, Taimoro]
fanoto 36 [1.1] [Taimoro] Fanoto hazo |
Fanazavàna teny anglisy |
37 [1.2] In the provinces it means a pestle. |
Fanazavàna teny frantsay |
38 [1.78] pilon |
Voambolana |
39 Fitaovam-piasana |
Teny iditra (7/9) | 40 alo |
Sokajin-teny | 41 anarana |
Fanazavàna teny frantsay |
42 [1.68] [Vezo]
Jalousie, opposition --> farahy, rahamba, tafike, toha, tohetse |
Sampanteny |
|
Teny iditra (8/9) | 45 alo |
Sokajin-teny | 46 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
47 [1.78] [Bara]
fifanandroana |
Teny iditra (9/9) | 48 alo |
Sokajin-teny | 49 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
50 [1.1] Karazana gidro misy volony mivolom-bolafotsy |
Voambolana |
51 Haibiby: mampinono |
Mpanahaka | 52 aiay, antima, amboanala, endrina, gidro, maky, sifaka, varika |
Fivaditsoratra | 53 alo, lao, loa-, loa, ola |
Nohavaozina tamin' ny 2025/02/08 |
![]() |