|
|
|
|

Teny iditra (1/5)1  an'    an-
Sokajin-teny  2  endritenin' ny hoe any
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] (am- eo alohan' ny b sy ny p) Teny mpampiankina fampiasa: eo alohan' ny anaran-tsamirery, ny mpisolo anarana na mpamaritra anarana manondro (izany, itỳ, izao...): a) raha atao teny fameno izy ireo: Nahita an-dRakoto aho omaly. Tsy nahalala an' izany velively izy; b) raha ilazana tompon-javatra: An-dRalahy ve ireo omby ireo? Tsia, tompoko, an' izany olona avy any Antsahafiraisana izany, hono.
Eo alohan' ny anaran-toerana izay aorian' ny mpamaritra matoanteny milaza toerana koa: Lasa any an-tsena izy, fa tsy any am-pantsakana akory
Hoenti-misolo ny amin- mba hilazana fomba na toetra: Mihira an-kafaliana (amin-kafaliana) ny ankizy
Ohatra  4  Inty ho an' Ingahy Sefo [2.470#36]
5  an' iza moa ity loha ity? [2.528#92]
6  Inona no ezaka atao hanapariahana an' izany? [4.27#2007/08/10]
7  Dia nanao an-tsitri' Ifara [2.69#140]
8  Nidina teny an-tanimbary izy [2.442#74]
9  Efa natao avokoa izay handre-sena lahatra an' i Dada tany an-tsena [2.445#80]
Haiendriteny 
10  Tsotra :

Teny iditra (2/5)11  an~
Sokajin-teny  12  tovona [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  13  [1.1] Tovona fanaovana fototeny faharoa tsy dia manan-kevitra manokana: Anjara (zara), anjaika (zaika)

Teny iditra (3/5)14  ~an~
Sokajin-teny  15  tsofoka [Fitanisana]

Teny iditra (4/5)16  an    
Sokajin-teny  17  mpanoritra [Fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy  18  [1.17] iray, anankiray

Teny iditra (5/5)19  an    
Sokajin-teny  20  anarana
Fanazavàna teny malagasy  21  [1.4] taona, herintaona, taona nahaterahana: il y a dix ans qu'il est mort, folo taona izay no fahafatesany; il y a eu un an d'intervalle entre la mort de ces deux époux, nifarenintaona no nahafatesan' izy mivady
Fanazavàna teny frantsay  22  [1.66] taona: an l'an 2000, amin' ny taona roa arivo
herintaona: dans un an, afaka herintaona; sa maladie a duré un an, naharitra herintaona ny aretiny

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/02