|
|
|
|

Teny iditra1  Betsimisaraka
Singan-teny  2  be, tsy, misaraka
Sokajin-teny  3  anaram-poko
Fanazavàna teny malagasy  4  Foko lehibe, monina amin' ny tandavan-demaka mahatratra 50-60 km ny sakany manaraka ny morontsiraka atsinanana hatrany amin' ny reniranon' i Bemarivo, avaratra, ka hatrany amin' ny onin' i Mananjary, atsimo (800 km eo ho eo). Mizara roa ny Betsimisaraka: ny tavaratra (Maroantsetra, Fenerivo, Soanierana-Ivongo); ny tatsimo : (Toamasina, Vatomandry, Mahanoro, Andevoranto) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5  The name of the tribe inhabiting part of the east coast, north and south of Tamatave. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  6  nom d'une population de la côte est de Madagascar (ville principale: Tamatave) [1.5]
Ohatra  7  Manao ahoana ny fandraisan' ny betsimisaraka azy? [2.270]
8  Nataon-dRamaromanompo renivohitr' i betsimisaraka Fenoarivo. [2.113]
9  Finaritra ianareo ? hoy ilay Betsimisara-dahy nony tafapetraka ny vahiny [2.529]
Voambolana  10  Tantara: firenena
Haiendriteny 
11  Tsotra :
Lohateny  12  Les Tangalamena : Chez les Betsimisaraka de la région de Nosy Varika (Dez Jacques)
13  Ohabolana Betsimisaraka (Samson Robert)
14  Tokatoka betsimisaraka (Laimijay Joël)
15  Vocabulaire et Grammaire Sakalava et Betsimisaraka (Dalmond (abbé))
Teny nalaina  16  Soratra misy io teny Betsimisaraka io
Tsanganana sy sary iray takila  17  Tenim-pirenenana

Fivaditsoratra  18  Betsimisaraka, betsimisaraka, Betsimisaraka, betsimisaraka

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/08