|
|
|
|

Teny iditra 1  eboebo
Fototeny  2 ebo
Sokajin-teny  3  anarana
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  13 Rehareha, rehaka, hakevohana, fisehoana ho mahay na ambony na manankarena noho ny hafa ka manambony tena noho izany; be rehaka, kevoka: Be eboebo koa izany raha olona! ~ Tsy tiako iny tovolahy iny fa eboebo lahy loatra [1.1]
Ohatra  14  Vita teo ny eboebo momba ny tsi-fahareseny an' ady. [2.472#148]
Tovy hevitra  15 ebo
Mpanahaka  16  ajokajoka, 17  akoholahy fahavaratra, 18  be beso, 19  be ebo, 20  be rehaka, 21  be vava, 22  doradora, 23  edikedika, 24  edinedina, 25  hakevohana, 26  kasikasy, 27  lasanko vavany, 28  mampilahendrena, 29  matavy an-delany, 30  rehareha, 31  sehaseha, 32  tehoderaina, 33  tia dera, 34  tia doka, 35  tsy maty am-bavany

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22