Teny iditra fahatsiarovana (tsiaro)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fitamberenan' ny zavatra na olona hita na fantatra tamin' ny andro lasa ao an-tsaina indray: mbola velona ato ampoko ny fahatsiarovako an' i Neny
Zavatra omena olona mba tsy hanadinoany ny tena, na ny toe-javatra iray niarahana: omeko anao itỳ boky itỳ ho fahatsiarovana ny niarahantsika niasa [1.1]
Fanazavàna teny frantsay La mémoire, le souvenir [1.3]
Ohatra 
1-- Fahatsiarovana sisa no itadidiana ny fisian-dRainitoandro teo amin' ny fiainana fahiny. [2.470]
2Antambo anankiroa tena hadinoko tanteraka taoa an' eritreritra ireo, ka nanorisory ahy fatratra ny fahatsiarovana azy tampoka. [2.471]
3Anisan' ny tafiditra tamin' ny fandaharam-potoana fankalazana sy fahatsiarovana ny famakiana ity tononkalo ity. [2.472]
Kamban-teny 
Lohateny Fahatsiarovana ny fahazato taonan' ny namonoana an-dRafaralahy Andriamazoto
Mpanahaka  fahatsiahivana ~ fahatadidiana ~ dindo ~ tsangambato ~ orimbato

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11