Teny iditra |
henoy izany ry hazondamosina
|
Sokajin-teny | kambanteny
|
Fanazavàna teny malagasy | Enti-milaza zavatra tsy tiana hohenoina ka ny hazondamosina -- misy tsilalaon-teny amin' ny vato aman-kazo izay tsy mandre na inona na inona -- no asaina mihaino azy fa tsy ny sofina [1.1]
|
| [ henoy izany ry hazondamosiko ] Enti-milaza ny hodi-tsokatra tsy mandre akory ny havandra miraraka eo an-damosiny, ka ny heviny dia tsy firaharahana izay any ivoho any, na fanehoana tsy firaikana amin' ny teny na anatra atao; teny fanaon' ireo be marenina tsy mihaino anatra, sady fatra-paniratsira satria ny lamosiny no asainy mihaino [1.1]
|
Fanazavàna teny frantsay | Littéralement "Écoute cela, ô colonne [...] [tohiny 1.5]
|
Ohatra | Hodi-tsokatra nilatsahan-kavandra : henoy izany ry hazon-damosina
[2.558]
|
Singan-teny | henoy ; izany ; ry ; hazon-damosina |
Kamban-teny |
|
|