|
|
|
|

Teny iditra 1  maloto
Fototeny  2 loto
Sokajin-teny  3  mpamaritra
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
Fanazavàna teny malagasy  7 Misy pentina, misy loto mifotetaka, tsy voadio: Maloto izany trano izany
8 Misolitika, misotisoty, tsy mahadio tena: Zaza maloto i Lita kely ka ihatahan' ny namany
9 Mahafabaraka: Raharaha maloto io ka hihatahako madiodio
10 Vetaveta: Tokony hofadina ny teny maloto [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  11 filthy [1.2, 1.7]
12 dirty [1.2]
13 impure [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  14 sale [1.3, 1.8]
15 impur [1.3]
16 souillé [1.8]
Ohatra  17  Marokoroko sy maloto daholo ny tenany rehetra. [2.472#102]
18  tsy mba azo nantsakána, fa maloto ny rano. [2.48]
19  Ireo no ho maloto aminareo amin' ny biby mandady [2.996#3.11.31]
20  Ny fitoeran-javatra rehetra misokatra fa tsy misy sarona mipetaka aminy, dia haloto [2.996#4.19]
Tohi-kevitra  21 madio
Mpanahaka  22  mahafaty, 23  mahamenatra, 24  mahavoafady, 25  mamoafady, 26  mifotafota, 27  mikesonkesona, 28  misavoretaka, 29  misoritika, 30  misotisoty, 31  misotitika, 32  mitavontavona, 33  solotidotika, 34  solotika, 35  somerongerona, 36  somitika, 37  tsy, 38  tsy, 39  tsy, 40  tsilotidotika, 41  vazina, 42  vetaveta, 43  vorery
Fikambanana  44  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 3 misy ny teny hoe maloto
Ohabolana  45  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22