|
|
|
|

Teny iditra (1/6)1  manina
Fototeny  2  hanina
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Mahatsiaro ny any lavitra ka malahelo te hahita, manembona: Manina ny any aminay aho izany
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.7] to long for, to regret; (instead of the passive verb, use mahamanina)
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.8] regretter, soupirer après (au lieu du passif on emploie mahamanina)
Ohatra  7  manina ny tanindrazana aho izany! [2.470]
8  Mba finoana velona eo amin' ny mpiantsambo rehetra koa fa izay efa nandia ny fiainan-dranomasina, tsy maintsy manina mandrakariva ny fidoboky ny onja. [2.471]
Voambolana  9  Ontam-po
Haiendriteny 
10  Ny ankehitriny :
11  Ny lasa :
12  Ny hoavy :
13  Filaza mandidy :
Sampanteny 
14  Matoantenin' ny mpanao :
Kamban-teny 
Lohateny  17  Manina ()
Ohabolana  18  Ohabolana misy io teny manina io

Teny iditra (2/6)19  manina
Fototeny  20  ina
Sokajin-teny  21  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny anglisy  22  [1.2] [Provincial] to command, to direct, to govern, to conduct, to manage. Chiefly used in speaking of the affairs of the kingdom.
Haiendriteny 
23  Ny ankehitriny :
24  Ny lasa :
25  Ny hoavy :
26  Filaza mandidy :

Teny iditra (3/6)27  manina
Sokajin-teny  28  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  29  [1.78] [Bara] manendry

Teny iditra (4/6)30  manìna
Fototeny  31  hanina
Sokajin-teny  32  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manina [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  33  [1.1]

Teny iditra (5/6)34  maninà
Fototeny  35  ina
Sokajin-teny  36  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manina [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  37  [1.1]

Teny iditra (6/6)38  Manina
Singan-teny  39  manina
Sokajin-teny  40  anarana (lohatenin-tantara fohy)
Voambolana  41  Haisoratra: tantara fohy
Mpanoratra 
42  Tselatra
Lahatsoratra  43  - Veloma ihany, ry masoandro hilentika; masina, ry volana hisoka, fa ianareo no vaky andro tsinana alina ka mba hoperako hafatra amin-drahavana: lazao azy fa misento azy tsy hita aho ka manohoka aloka irery; ory havana hariva ka mivoady ny andro ho maraina. Laingo nosarahina aman-kazo aho, elatra nolaingosana amam-borona ka sady malazo no saraka amin'aina.

44  - Mitevy ala ny any atsinanana ka alin-kely manjepy ny aty andrefana: saron-javona antoandro ny any Ankaratra ka kamokamo tomefika ny aty Andringitra. Raha mahatsiaro ny any, misento mahalana ny aty. Sakanan-tany tsy hipaka mantsy, elanin'andro tsy hihaona, fa manindria fo tsy ho aiza, rahavako, fa andro maro no hananana ahy.


Fivaditsoratra  45 

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21