|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  hanina
Sokajin-teny  2  matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Tsakoina dia atelina: Hano ny varinao
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.2] to be eaten, to be devoured, to be consumed. [Fiji kana; Mal. makan; Tagala kain; Battak pahan.] see hinana, homana.
5  [1.7] to be eaten; cf. hìnana;
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.3, 1.8] qu'on mange
Ohatra  7  [1.3] nohanin' ny saka ny hena (Le chat a mangé la viande)
8  [1.3] Tsy hohaniko io (Je ne mangerai pas cela)
9  [2.48] Ny hanina ho hanina, iny no asiana ody;
10  [2.332] Maniry hanina an-tenda toa amboa miambozon-koditra.
Fototeny  11  hana
Haiendriteny 
12  Ny ankehitriny :
13  Ny lasa :
14  Ny hoavy :
15  Filaza mandidy :
Kamban-teny 
Ohabolana  19  Ohabolana misy io teny hanina io

Teny iditra (2/4)20  hanina
Sokajin-teny  21  anarana
Fanazavàna teny malagasy  22  [1.1] Sakafo, nahandro: Tsy mbola azo omena hanina ity marary
lanina: Nohanin' ilay karilahy iny fotsiny ny volako
Fanazavàna teny anglisy  23  [1.2] food, victuals, viands, nourishment
24  [1.7] food, nourishment
Fanazavàna teny frantsay  25  [1.3, 1.8] nourriture, vivres
26  [1.3] aliments
Ohatra  27  [1.3] Tsy mahalatsaka hanina ny marary (Le malade est incapable de prendre de la nourriture)
28  [1.3] Tsy azo omen-kanina ny marary (Il ne faut pas donner à manger au malade, il faut le mettre à la diète)
Mpanahaka  29  sakafo, nahandro, fahana, kabaka, tsakotsako, tsakitsaky, fihinanam-be, fanasana, filerana, fibobohana, vatsy, odilolo, odiam-bavafo, vonjy fo, fo tsy aritra, sakafo ambany foitra, sakafo maivana, sakafo sikina, sakafom-borondolo, sakafon-tsorohitra, angaredona, tsindrin-tsakafo, halemana, fialemana, otrikanina
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Anaran-toerana 
Ohabolana  36  Ohabolana misy io teny hanina io
Lahatsoratra  37  Randzavola: hanina ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (3/4)38  hanina
Sokajin-teny  39  anarana
Fanazavàna teny malagasy  40  [1.1] Fahatsiarovana arahin' alahelo, embona: Ny hanina ny havana any lavitra
Fanazavàna teny anglisy  41  [1.2] longing, eager desire, affection; regret.
42  [1.7] longing, regret
Fanazavàna teny frantsay  43  [1.3] regret, chagrin causé par la perte ou l'éloignement de ce qu'on aime
44  [1.8] regret causé par l'éloignement
Voambolana  45  Ontam-po
Sampanteny 
46  Matoantenin' ny mpanao :
47  Matoantenin' ny iharana :
Kamban-teny 
Ohabolana  49  Ohabolana misy io teny hanina io

Teny iditra (4/4)50  hañina
Sokajin-teny  51  anarana
Fanazavàna teny malagasy  52  [1.78] [Sihanaka] rivotra
Voambolana  53  Haitoetrandro

Fivaditsoratra  54  hanain, hanany, hañina, hanina, hinana, ihanan, nahany, nahina, nanahy, nihana

Nohavaozina tamin' ny 2025/06/21