Teny iditra mihafahafa (hafahafa (hafa))
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Miseho tsy ho namana, miseho ho hafa, miolonolona: Hano re, tompoko ô, aza mihafahafa
Mitovy hevitra: (mihafahafa) be anganongano ~ be angesongeso ~ be pitsiny ~ manao soa am-po ~ mijery arina antava ~ miolonolona ~ misorom-bady an-trano ~ misorona ~ tsy mba tsotra
Mitovy hevitra: (tsy mihafahafa) miteny amim-pahatsorana ~ miteny imaso ~ mitsotra ~ tsy manafina ~ tsy mihafahafa ~ tsy miolonolona ~ tsy misorona [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To alter one's behaviour, to be different, to appear reserved, to be less sociable, to act the stranger. [1.2]
 To act standoffish [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Changer, ne pas faire comme les autres, devenir différent [1.3]
 Se tenir à part [1.8]
Ohatra 
1Tsy nihafahafa izy fa avy hatrany dia nandray ary nandrapaka. [2.470]
2Aza mihafahafa, fa ataovy toy ny tranonao ato, ary eto izahay hitsabo anao! [2.499]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mihafahafa
Ny lasa : nihafahafa
Ny hoavy : hihafahafa
Filaza mandidy : mihafahafà

Teny iditra mihafahafà (hafahafa (hafa))
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mihafahafa [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20