Teny iditra | 1 miharihary |
Fototeny | 2 harihary |
Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
4 Hita na miseho manontolo tsy misy miafinafina: Mahafinaritra ahy ity trano ity fa miharihary tsara 5 Marina tsy ilana porofo: Miharihary izao ny fahaizany fa nahazo voalohany izy tamin' ny mpianatra zato 6 Menatra, mangasihasy: Niharihary foana teo izy nony novakin' ny olona ny laingany [1.1] |
Fanazavàna teny anglisy |
7 exposed, open, manifest; fig. ashamed. [1.2] 8 to be evident, to be plain view [1.7] |
Fanazavàna teny frantsay |
9 être en vue; être évident [1.8] |
Ohatra |
10 Ary vao mainka mazava sy miharihary amin' ny eritreriny ny fahavoazany, izy io marary sy tsy mahita tory io. [2.470] |
Haiendriteny |
|
Mpanahaka | 15 mibaribary, misongadina, mivongady, miseho tsara, mangezaheza, miharihary ohatra ny kary am-pamoloana, miharihary ohatra ny vay an-kandrina, tsy takona afenina ohatra ny masoandroben-dohataona |
Kamban-teny |
|
Ohabolana | 17 Ohabolana misy io teny miharihary io |
Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20 |