|
|
|
|

Teny iditra 1  mihomehy
Fototeny  2 homehy
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Misoka-molotra mampiseho nify ho fanehoana hafaliana: Vao iray volana, hono, ity zaza ity dia nihomehy
9 Mamazivazy: Nihomehy an' ilay Rangahy be kibo daholo ny ankizy
10 Maneso, manakora: Tsy fanao ny mihomehy ny resy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  11 to laugh at, to mock; to laugh [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  12 rire; se moquer de [1.8]
Ohatra  13  Ankizy mahay mihomehy ireny, ankizy mahay milalao, mahay mihira, mahay mifaly, - saingy zanaky ny Tantsaha, ankizin' ambanivohitra. [2.470#148]
14  Izy ve mihomehy|hihomehy, ianao tsy mihomehy|hihomehy! [2.472#248]
Mpanahaka  15  dangin' ny hehy, 16  jihitry ny hehy, 17  latsaky ny hehy, 18  lokin' ny hehy, 19  mampiseho katsaka, 20  manahy nify, 21  manao farahehy, 22  manao hehy valaka, 23  manao hehy voraka, 24  matin' ny hehy, 25  miatatry ny hehy, 26  mibokitra ny tehezana, 27  mihomehy mihimoka, 28  mihomehy mikafana, 29  mihomehy ra, 30  mihomehy tsy vaky, 31  mikakakaka, 32  mikanikany, 33  mikikikiky, 34  mikimokimoka, 35  mitokaka, 36  mitokelaka, 37  mitsiky, 38  mitsiky mahalana, 39  mitsikitsiky, 40  mitsiky tsy ravo, 41  mitsiky vazana, 42  mivadika aty, 43  mivanika, 44  mivanitika, 45  mivanivany, 46  ridan' ny hehy, 47  tapa-tsinay, 48  toran' ny hehy, 49  tsy manana aina, 50  tsipaky ny hehy
Fikambanana  51  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 7 misy ny teny hoe mihomehy
Ohabolana  52  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22