|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : mihomehy

Ohabolana 1Aza mihomehy babo. [2.415 #26]
Dikanteny frantsayNe vous moquez pas de celui qui est capturé. [2.415 #26]
Fanazavana frantsayLa même chose peut vous arriver. [2.415 #26]

Ohabolana 2Aza mihomehy ny lavo. [2.415 #2697]
Dikanteny frantsayNe vous moquez pas de ceux qui tombent. [2.415 #2697]
Fanazavana frantsayVous pouvez tomber à votre tour. [2.415 #2697]

Ohabolana 3Aza mihomehy resy. [2.415 #2698]
Dikanteny frantsayNe vous moquez pas de celui qui subit une défaite. [2.415 #2698]
Fanazavana frantsayCar votre tour pourra venir. [2.415 #2698]

Ohabolana 4Aza mihomehy zaza ratsy. [2.415 #2699]
Dikanteny frantsayNe vous moquez pas d' un enfant vilain. [2.415 #2699]
Fanazavana frantsayCar cela peut vous arriver. [2.415 #2699]

Ohabolana 5Banga mihomehy ka any ivoho vao mitokelaka. [2.558 #842]
Banga mihomehy : miamboho vao mitokelaka. [2.415 #6447, 2.653 #730, 1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ireo olona mba mahalala menatra ihany ka tsy sahy mampiseho ny toetra ratsy imasom-bahoaka. [1.1]
Dikanteny frantsayÉdenté qui rit : il se retourne pour éclater de rire. [2.415 #6447]
Fanazavana frantsayIl serait confus de montrer sa bouche sans dents. [2.415 #6447]

Ohabolana 6Kary mihomehy ny vorondolo : ny mandady indray no maneso ny manidina. [2.558 #1602]
Kary mihomehy vorondolo: ka ny mandady indray no mihomehy ny manidina. [2.165 #817]
Kary mihomehy vorondolo : ny mandady indray no mihomehy ny manidina. [2.653 #1234, 2.974 #153]
Dikanteny frantsayKary riant du hibou; il rampe et se moque de celui qui vole. [2.974 #153]
Quand un chat sauvage se moque d' un hibou, on a un quadrupède se moquant d' un oiseau. [2.165]
Fanazavana frantsayCe devrait plutôt être le contraire, semble-t-il. [2.165]

Ohabolana 7Manaram-po ohatra ny banga mihomehy alina. [2.558]
Manaram-po ohatra ny banga mihomehy maizina. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ireo olona ratsy toetra ka manararaotra izaitsizy ny toe-javatra sendra. [1.1]

Ohabolana 8Matavy omby sa maranitra antsy no dia mihomehy olona! [2.558 #2168]
Matavy omby va hianao, sa maranitra antsy, no dia homehy olona ? [2.653 #1655]
Matavy omby va, sa maranitra antsy, no mihomehy olona? [2.165 #1433]
Dikanteny frantsayEst-ce que vous avez un bœuf gras, ou un couteau tranchant, pour vous moquer ainsi des gens? [2.165 #1433]

Ohabolana 9Mihomehy amboa mahia ka ibohazan' ny volony. [2.558 #2326]

Ohabolana 10Ny mihomehy lavo aza misy todiny. [2.415 #2738]
Dikanteny frantsayToute mauvaise action a son châtiment, même un sourire à la vue d' un homme qui fait une chute. [2.415 #2738]

Ohabolana 11Taolana ny nify ka mihomehy. [1.1]
Fanazavana malagasyEntina milaza fa mety hisy toe-javatra tsy maintsy itsikiana, na dia amin' ny voina na fahoriana mahazo aza. [1.1]

Fizahan-teny