|
|
|
|

Teny iditra 1  miresaka
Fototeny  2 resaka
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Mifanakalo hevitra: Miresaka isan-kariva Rakoto sy ny zanany
9 Manao teny ifamaliana amim-pifalifaliana momba izao sy izao: Rehefa avy homana izy ireo dia miresaka ela be
10 Mitafasiry, mitafa, mitaria, mikorana
11 Miteny, milaza: Niresaka inona taminao izy?
12 Manao dinidinika, mandahatra: Niresaka momba ny tazo ilay dokotera
13 Milaza, manambara ny heviny, mibaiko: Miresaka amin' ny tanana ny moana [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  14 causer, parler, converser, parler de; causer beaucoup [1.3]
15 [Sakalava-Mayotte] crié, quelqu'un qui hurle, une personne qui parle fort [1.405]
Ohatra  16  Nandady aho no nanatona, hoy izy, ka nihaino, ary fantatro fa hianao no miresaka. [2.324]
17  Tovovavy kely tsy ampy roapolo taona ve no miresaka amiko sa vehivavy lehibe efa vory saina? [2.471#26]
18  Mba miresaka iny olona iny e! (Quel grand causeur!) [1.3#527]
19  Olona telo lahy no ao anatiny, revo miresaka. [2.472#200]
Mpanahaka  20  mamboly resaka, 21  manokon-dresaka, 22  mikoràna, 23  mitafa, 24  mitafasiry, 25  mitaria
Fikambanana  26  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe miresaka
Ohabolana  27  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  28 maresaky, miresaka, 29 misarake, 30 seramika

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22