Teny iditra noana
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Mahatsiaro foana ny ao an-kibo ka reraka te hihinan-javatra aoka izany: Tsy nisakafo aho ka noana izaitsizy izany
Mitovy hevitra: fotsy tsinay ~ lampana ~ mai-molotra ~ maivan-tsy zaka ~ mangebaka ~ miempaempa ~ mifehy kibo ~ mifezafezaka ~ milelalela ny ambavafo ~ mitakiky vava ~ mitanatana vava ~ mitsako dilana ~ mosarena ~ rebaka ~ refona ~ reraka ~ tsy mahatsindry tsihy ~ vava takiky ~ voan' ny aretimbilany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Hungry [1.2]
 Hungry
Deflated (of a tire) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qui a faim, affamé
Dégonflé (se dit des pneus) [1.8]
Ohatra 
1Ary indray andro sendra tsy nahazo haza, ka noana ny liona, ka hoy izy tamy ny alika: [2.293]
2Nony efa maraina ny andro, dia nandre noana daholo izy; [2.324]
3Iny aloha ny hani-masaka fa noana ianao. [2.470]
Sampanteny 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11