|
|
|
|

Teny iditra1  rava
Sokajin-teny  2  matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3  Simba tanteraka, potika: Ravan' ny rivo-doza ny tranony ka tsy nahita hialofana izy ~ Vao telo taona monja dia rava ny fanambadian' izy roa 4  Tsy misy na inona na inona mijanona, fongana, foana: Rava ny fikasanay 5  Mihahaka, miparitaka: Rava ny tafika ~ Efa rava ny kilalao vao tonga ianao [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6  ruined, destroyed [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7  démoli, détruit [1.8]
Ohatra  8  Tsy ela dia rava ny trano; [2.470]
9  Teo no rava ny tafiky Ramanantsoa, teo izy tenany no azo sambo-belona. [2.472]
Haiendriteny 
10  Ny ankehitriny :
11  Ny lasa :
12  Ny hoavy :
Sampanteny 
13  Matoantenin' ny mpanao :
14  Matoantenin' ny iharana :
15  Matoantenin' ny fameno :
16  Anarana :
17  Mpamaritra :
Mpanahaka  18  simba, rota, levona, fongana, miongana, mirodana, ambony ambany, tsy misy vato mifanongoa
Kamban-teny 
Lohateny 

Fivaditsoratra  23  rava, vara

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/12