Teny iditra (1/2) | 1 vaovao |
Fototeny | 2 vao |
Sokajin-teny | 3 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
4 Zavatra niseho vao haingana ka ataon' ny olona firesaka: Tamin' ny radio no nandrenesanay aninaraina izany vaovao izany [1.1] 5 zavatra na toe-javatra tsy mbola fahita, zava-nitranga, ka ampahafantarina ny besinimaro [1.64] |
Fanazavàna teny frantsay |
6 actualités, informations, nouvelles [1.64] |
Ohatra |
7 Hafahafa aza ny vaovao nisesisesy re avy any Eoropa: [2.472] |
Haiendriteny |
|
Mpanahaka | 10 maresaka |
Lohateny |
|
Teny iditra (2/2) | 12 vaovao |
Fototeny | 13 vao |
Sokajin-teny | 14 mpamaritra |
Fanazavàna teny malagasy |
15 Enti-milaza zavatra tsy nisy na tsy fantatra raha tsy vao haingana: Teny vaovao izany ka tsy fantatro 16 Enti-milaza zavatra nentina na nanaovana voalohany: Nitondra kiraro vaovao i Koto tamin' ny Krismasy [1.1] |
Fanazavàna teny anglisy |
17 new [1.7] |
Fanazavàna teny frantsay |
18 nouveau, neuf [1.8] |
Ohatra |
19 Avy eo ny filazana vaovao sy ny adidy samihafa. [2.470] 20 Tsihy vaovao koa no navelatra tamin' ny efitra rehetra. [2.472] 21 Nentiko nankeny amoron-dranomasina ity sakaizako vaovao nony avy nisotro izahay roa lahy. [2.583] |
Mpanahaka | 22 maresaka, mahoraka, resaky ny olona, ambentin-dresaka, teny mandeha, sahoa, tsaho, honohono, tsahotsaho, fary mitety reny, siosio |
Kamban-teny |
|
Lohateny |
|
Fivaditsoratra | 26 avoavo, ovaova, vaovao, voaova, voavao, voavoa |
Nohavaozina tamin' ny 2023/02/20 |