|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  vondrona
Sokajin-teny  2  anarana
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Fanazavàna teny malagasy  14 [vondroña] [Bara] andiany [1.78]
15 Fitambaran-javatra mikambana ho antontany iray na ho amboara iray
16 Fitambaram-piangonana na firaisam-pokontany vitsivitsy iray fileovana (ity faharoa dia matetika atao hoe fivondronana) [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  17 groupe [1.3#854, 1.5#339]
18 réunion, agglomération [1.3#854]
19 ensemble [1.5#339]
Ohatra  20  Misy filoha ny isam-bondrona. [2.472]
21  olona tsy andairan' ny tsindry aloka ataon' ny matanjaka sy ny vondrona politika sasany. [4.27#]
22  Ny hevitry ny Vondrona Eropeana dia sady manjavozavo no miovaova, tsy miombon-kevitra mantsy ny mpikambana ao. [4.27#]
23  Hanjary toa entam-bondrona, ka mievotrevotra tsy hahavaky tratra antsika mianakavy. [2.245]
Fikambanana  24  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 31 misy ny teny hoe vondrona

Teny iditra (2/2) 25  vondrona
Sokajin-teny  26  anarana
Sampanteny 
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  28 Zavamaniry fandrary ho tsihy na harona ary ahazoana lavenona mamimamy toa sira (sira vondrona) [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  29 [Merina+Betsileo] (sens général : réunis en groupe). Typha angustifolia L. (Typhaceae). Appelé en français : Massette ou « Jonc de la passion ». La souche jeune est consommée comme légume après cuisson. Les tiges servent en sparterie pour faire des nattes grossières. On les brûle pour obtenir un sel par lixiviation des cendres, le siravondrona, utilisé en cuisine et pour rembourrer les coussins. Cette plante a donné son nom à la montagne dite Ambondrombe [1.196]
Ohatra  30  Ny sira dia nosoloina sira vondrona na sira hazo. [2.472#114]
31  ny ranon-davenona andorana ny vondrona, dia tanehiny ny olona atao sira amidy any an-tsena. [2.48#185]
Voambolana  32  Haizavamaniry: amin' ny ankapobeny
Fikambanana  33  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 5 misy ny teny hoe vondrona
Anarana ara-tsiansa 

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/20