|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  antso
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Famoahana feo na fanononana teny hampanatona na hampiavy olona ho tonga eo amin' ny tena; famoriana olona hanatrika na ho tonga; fanirahana hitaona olona ho avy
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.2, 1.7] a call, a summons
5  [1.2] an invocation
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.3#57, 1.8] appel, convocation
7  [1.3#57] publication, proclamation, invocation
Ohatra  8  hoy ny antso avo afitsony. [2.503]
9  Heno ny antso, ny baiko mifanaretsaka etsy sy eroa. [2.472]
10  Miseho ao koa ny antso nataon-dravehivavy sy ny valin-tenin' ila. [1.38]
Sampanteny 
11  Matoantenin' ny mpanao :
12  Matoantenin' ny iharana :
13  Matoantenin' ny fameno :
14  Anarana :
15  Mpamaritra :
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Lohateny  24  Antso (Andriamalala Emilson Daniel)
25  Antso (Dox (Razakandraina Jean Verdi Salomon))
26  Antson' ny Razana (Rapatsalahy Paul)

Teny iditra (2/4)27  antso
Singan-teny  28  antso
Sokajin-teny  29  anarana
Fanazavàna teny frantsay  30  [1.196] (de antso : action d'invoquer une puissance occulte ; cette plante toxique était employée dans les cérémonies d'exorcismes). Euphorbia antso Denis (Euphorbiaceae). Toxique dans toutes ses parties. Latex très irritant, caustique. [Sakalava]
Voambolana  31  Haizavamaniry
Anarana ara-tsiansa 

Teny iditra (3/4)33  Antso
Singan-teny  34  antso
Sokajin-teny  35  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  36  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  37  Dox
Lahatsoratra  38  Sendra mba nitopy, ity masoko nijery
39  hendratra ny foko, nahatsiaro ho irery
40  fa toa any aminao, lay fanalahidy
41  notadiaviko hatrin’ny ela…tsy tadidy
42 
43  Fa taiza ianao… notadiaviko efa ela
44  tao anatin’ny tsy fantatro sy ny sisa mba tavela
45  fa nandalovanao ny masoko, ny foko tao anaty
46  velombelombolo aok’izany, tondrak’orana tsy maty
47 
48  Angamba tsy ho kisendra ito lala-mifanojo
49  fa ny lahatra mihintsy no vintana voatondro
50  anjaran-tsika ny ampitso, hihainana anio
51  koa raiso ‘zany foko, ny antsony valio

Teny iditra (4/4)52  Antso
Singan-teny  53  antso
Sokajin-teny  54  anarana (lohatenin' boky) [Fitanisana]
Voambolana  55  Haisoratra: boky
Mpanoratra  56  Andriamalala Emilson Daniel
Mpanonta printy  57  Ny Nosy vaovao, 1961. Takila: 53

Fivaditsoratra  58  antso, Antso, natso, ontsa

Nohavaozina tamin' ny 2023/07/19