<-
->

Eks 26:1 Moreover thou shalt make the tabernacle with ten curtains of fine twined linen, and blue, and purple, and scarlet: with cherubims of cunning work shalt thou make them. Ary ny tabernakely dia hataonao ambainy folo amin' ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan' ny mpanenona mahay, no hataonao sorany. Ny hanaovana ny Fonenana dia ambainy folo; ny hanaovana azy ireo dia amin' ny rongony madinika voahasina, sy amin' ny jaky volomparasy, amin' ny jaky mangatrakatraka, ary amin' ny lamba mena antitra, asiana kerobima, asan-tànan' ny mpanenona mahay. " Quant à la Demeure, tu la feras de dix bandes d'étoffes de fin lin retors, de pourpre violette et écarlate et de cramoisi. Tu les feras brodées de chérubins.
Eks 26:2 The length of one curtain shall be eight and twenty cubits, and the breadth of one curtain four cubits: and every one of the curtains shall have one measure. Ny halavan' ny ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan' ny ambainy iray dia efatra hakiho; hitovy ohatra ny ambainy rehetra. Valo amby roapolo hakiho ny halavan' ny ambainy iray, ary efatra hakiho ny sakan' ny ambainy iray, ary hampitoviana daholo ny haben' ny ambainy rehetra. La longueur d' une bande sera de vingt-huit coudées, sa largeur de quatre coudées, et toutes les bandes auront la même dimension.
Eks 26:3 The five curtains shall be coupled together one to another; and other five curtains shall be coupled one to another. Ambainy dimy no havitrana ho iray; ary ambainy dimy koa no havitrana ho iray. Havitrana ho iray ny ambainy dimy, dia havitrana ho iray koa ny ambainy dimy hafa. Cinq des bandes seront assemblées l' une à l' autre, et les cinq autres bandes seront assemblées l' une à l' autre.
Eks 26:4 And thou shalt make loops of blue upon the edge of the one curtain from the selvedge in the coupling; and likewise shalt thou make in the uttermost edge of another curtain, in the coupling of the second. Ary manaova tadivavarana manga ho eo an-tsisin' ny ambainy iray, dia eo an-tsisin' ny anankiray efa voavitrana; ary manaova toy izany koa amin' ny ambainy farany, dia eo an-tsisin' ny anankiray efa voavitrana koa. Hasianao tadivavarana jaky volomparasy ny sisiny iafaran' ireo ambainy navitrana voalohany ireo, dia hasianao toy izany koa ny sisiny iafaran' ireo ambainy navitrana faharoa. Tu feras des brides de pourpre violette à la lisière de la première bande, à l' extrémité de l' assemblage, et tu feras de même à la lisière de la bande qui termine le second assemblage.
Eks 26:5 Fifty loops shalt thou make in the one curtain, and fifty loops shalt thou make in the edge of the curtain that is in the coupling of the second; that the loops may take hold one of another. Tadivavarana dimam-polo no hataonao eo amin' ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no hataonao eo amin' ny sisin' ny ambainy izay amin' ny anankiray efa voavitrana koa; ary hifandray ny tadivavarana. Hataonao dimam-polo ny tadivavarana amin' ny ambainy voalohany, ary hataonao dimam-polo koa ny tadivavarana amin' ny sisiny iafaran' ny ambainy navitrana faharoa, ary hifanandrify ireo tadivavarana ireo. Tu feras cinquante brides à la première bande, et cinquante brides à l' extrémité de la bande du second assemblage, les brides se correspondant l' une à l' autre.
Eks 26:6 And thou shalt make fifty taches of gold, and couple the curtains together with the taches: and it shall be one tabernacle. Ary manaova farango volamena dimam-polo, ka akambano amin' ny farango ny ambainy, ka dia ho voakambana ho iray ny tabernakely. Dia hanao jaigirafy volamena dimam-polo hampifanakambananao ny ambainy, mba ho voavoatra ho iray ihany ny Fonenana. Tu feras aussi cinquante agrafes d' or, et tu assembleras les bandes l' une à l' autre avec les agrafes. Ainsi la Demeure sera d' un seul tenant.
Eks 26:7 And thou shalt make curtains of goats' hair to be a covering upon the tabernacle: eleven curtains shalt thou make. Ary manaova ambainy koa amin' ny volon' osy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin' ny folo ambainy no hanaovanao azy. Hanao ambainy amin' ny volon' osy koa hianao, hatao lay ao ambonin' ny Fonenana, hataonao iraika ambin' ny folo ambainy izy, Tu feras des bandes d'étoffe en poil de chèvre pour former une tente au-dessus de la Demeure. Tu en feras onze.
Eks 26:8 The length of one curtain shall be thirty cubits, and the breadth of one curtain four cubits: and the eleven curtains shall be all of one measure. Ny halavan' ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan' ny ambainy iray dia efatra hakiho; hitovy ohatra ny ambainy iraika ambin' ny folo. telo-polo hakiho no ho lavan' ny ambainy iray, ary efatra hakiho no ho sakan' ny ambainy iray; ampitoviana daholo ny haben' ireo ambainy iraika ambin' ny folo ireo. La longueur d' une bande sera de trente coudées et sa largeur de quatre coudées ; les onze bandes auront mêmes dimensions.
Eks 26:9 And thou shalt couple five curtains by themselves, and six curtains by themselves, and shalt double the sixth curtain in the forefront of the tabernacle. Ary avitrano ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana. Ary aforeto ny ambainy fahenina amin' ny sakan' ny lay anatrehana. Ny ambainy dimy amin' izy ireo havitranao manokana; ary ny enina sisa havitranao manokana koa, ary haforitrao eo anoloan' ny lay ny ambainy fahenina. Tu assembleras cinq bandes d' une part et six bandes d' autre part, et tu rabattras la sixième sur le devant de la tente.
Eks 26:10 And thou shalt make fifty loops on the edge of the one curtain that is outmost in the coupling, and fifty loops in the edge of the curtain which coupleth the second. Ary manaova tadivavarana dimam-polo eo an-tsisin' ny ambainy iray izay farany amin' ny efa voavitrana; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin' ny ambainy iray amin' ny anankiray koa efa voavitrana. Hasianao tadivavarana dimam-polo ny vavan' ny ambainy sisin' ireo navitrana voalohany ary dimam-polo koa amin' ny vavan' ireo navitrana faharoa. Tu feras cinquante brides à la lisière de la première bande, à l' extrémité du premier assemblage, et cinquante brides à la lisière de la bande du second assemblage.
Eks 26:11 And thou shalt make fifty taches of brass, and put the taches into the loops, and couple the tent together, that it may be one. Ary manaova farango; varahina dimam-polo, ka ampidiro ho eo amin' ny tadivavarana ary akambano ny lay, ka dia ho iray ihany izy. Dia hanao jaigirafy varahina dimam-polo hianao, hampidirinao amin' ny tadivavarana ny jaigirafy mba hanakambananao ny lay ho iray ihany. Tu feras cinquante agrafes de bronze, et tu introduiras les agrafes dans les brides pour assembler la tente qui sera ainsi d' un seul tenant.
Eks 26:12 And the remnant that remaineth of the curtains of the tent, the half curtain that remaineth, shall hang over the backside of the tabernacle. Ary izay mihoatra amin' ny ambain' ny lay, dia ny antsasaky ny ambainy izay mihoatra, dia avelao hiraviravy eo ivohon' ny tabernakely. Ny ambiny tafahoatra amin' ny ambain' ny lay, izany hoe ny antsasaky ny ambainy, dia hiraviravy eo ivohon' ny Fonenana; De ce qui retombera en surplus des bandes de la tente, la moitié de la bande en surplus retombera sur l' arrière de la Demeure.
Eks 26:13 And a cubit on the one side, and a cubit on the other side of that which remaineth in the length of the curtains of the tent, it shall hang over the sides of the tabernacle on this side and on that side, to cover it. Ary ny iray hakiho avy eo amin' ny lohany roa amin' ny lamba, izay mihoatra amin' ny halavan' ny ambain' ny lay, dia avelao hiraviravy eo amin' ny lafibeny roa amin' ny tabernakely handrakotra azy. ary ny ambiny amin' ny halavan' ny ambainy dia ny hakiho iray amin' ny laniny iray, ny hakiho iray amin' ny laniny iray, dia hiraviravy avy eo an-daniny roa amin' ny Fonenana, handrakotra azy. La coudée en surplus de part et d' autre, sur la longueur des bandes de la tente, retombera sur les côtés de la Demeure, de part et d' autre, pour la couvrir.
Eks 26:14 And thou shalt make a covering for the tent of rams' skins dyed red, and a covering above of badgers' skins. Ary manaova koa rakotry ny lay amin' ny hoditr' ondrilahy efa nomenaina, ary manaova sarony hodi-takasy ho eo amboniny. Hanao rakony hoditr' ondralahy voasoka mena hianao hatao amin' ny lay, ary rakony hodi-dogaona koa eo ambonin' io. Tu feras pour la tente une couverture en peaux de béliers teintes en rouge, et une couverture en cuir fin, par-dessus.
Eks 26:15 And thou shalt make boards for the tabernacle of shittim wood standing up. Ary manaova zana-kazo akasia ho amin' ny tabernakely. Hanao hazo fisaka koa hianao hatao amin' ny Fonenana, hazo fisaka amin' ny akasià dia hatsangana izany. " Tu feras pour la Demeure des cadres en bois d' acacia qui seront dressés debout.
Eks 26:16 Ten cubits shall be the length of a board, and a cubit and a half shall be the breadth of one board. Folo hakiho ny hahavon' ny zana-kazo iray, ary iray hakiho sy sasany ny indraben' ny zana-kazo iray. Hatao folo hakiho avy no halavan' ny hazo fisaka iray, ary iray hakiho sy sasany ny sakany. Chaque cadre sera long de dix coudées et large d' une coudée et demie.
Eks 26:17 Two tenons shall there be in one board, set in order one against another: thus shalt thou make for all the boards of the tabernacle. Lahiny roa no ho amin' ny zana-kazo iray, ka hasiana izay hikambanany; izany no hanaovanao ny zana-kazo rehetra amin' ny tabernakely. Hisy lahiny roa avy, amin' ny hazo fisaka iray, ka hatao izay hifandraisany; ka hataonao toy izany avokoa ny hazo fisaka amin' ny Fonenana. Chaque cadre aura deux tenons jumelés ; tu feras de même pour tous les cadres de la Demeure.
Eks 26:18 And thou shalt make the boards for the tabernacle, twenty boards on the south side southward. Ary manaova ny zana-kazo ho amin' ny tabernakely, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin' ny lafiny atsimo. Hanao ny hazo fisaka hatao amin' ny Fonenana hianao; hazo fisaka roa-polo ho an' ny lafiny atsimo, an-kavanana izany. Tu feras les cadres pour constituer la Demeure : vingt cadres pour le côté sud, vers le midi.
Eks 26:19 And thou shalt make forty sockets of silver under the twenty boards; two sockets under one board for his two tenons, and two sockets under another board for his two tenons. Ary manaova faladia volafotsy efa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin' ny isan-janakazo iray hiorenan' ny lahiny roa. Hasianao faladia volafotsy efa-polo ny fanambanin' ireo hazo fisaka roa-polo ireo, dia faladia roa isan-kazo fisaka izany, no an' ny lafiny roa avy. Tu feras quarante socles d' argent sous les vingt cadres : deux socles sous un cadre pour ses deux tenons, deux socles sous un autre cadre pour ses deux tenons.
Eks 26:20 And for the second side of the tabernacle on the north side there shall be twenty boards: Ary manaova zana-kazo roa-polo ho eo amin' ny lafiny faharoa amin' ny tabernakely, dia ny lafiny avaratra. Ny lafiny anankiray amin' ny Fonenana dia ny lafiny avaratra, hanaovanao hazo fisaka roa-polo koa, Du second côté de la Demeure, le côté nord, il y aura vingt cadres
Eks 26:21 And their forty sockets of silver; two sockets under one board, and two sockets under another board. Ary manaova faladiany volafotsy efa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin' ny isan-janakazo iray. mbamin' ny faladia volafotsy efa-polo; faladia roa ambanin' ny hazo fisaka tsirairay avy. et quarante socles d' argent : deux socles sous un cadre, deux socles sous un autre cadre.
Eks 26:22 And for the sides of the tabernacle westward thou shalt make six boards. Ary ny lafiny andrefana amin' ny tabernakely, izay ao ivohony, dia hanaovanao zana-kazo enina. Hanao hazo fisaka enina hianao hatao amin' ny faran' ny Fonenana amin' ny lafiny andrefana, Pour le fond de la Demeure, vers la mer, tu feras six cadres,
Eks 26:23 And two boards shalt thou make for the corners of the tabernacle in the two sides. Ary zana-kazo roa no hataonao ho eo amin' ny zoron' ny tabernakely amin' ny lafiny ivoho. hanao hazo fisaka roa hianao hatao amin' ny zoron' ny Fonenana, ao amin' ny farany, et tu feras deux cadres pour les angles du fond de la Demeure.
Eks 26:24 And they shall be coupled together beneath, and they shall be coupled together above the head of it unto one ring: thus shall it be for them both; they shall be for the two corners. Ary hakambana ho iray izy hatramin' ny ambany ka hatramin' ny ambony, ka hasianao vava vola iray ihany: ho toy izany avokoa izy roa; eo amin' ny zorony roa no hisy izany. dia hakambana tsiroaroa hatraty ambany ireo ka hatao miray tsara hatrany ambony amin' ny masom-bola voalohany. Toy izany no hanaovana azy roa avy; hatao amin' ny zorony roa. Les cadres seront jumelés à leur base et le resteront jusqu'à leur sommet, à la hauteur du premier anneau. Ainsi en sera-t-il pour les deux cadres destinés aux deux angles.
Eks 26:25 And they shall be eight boards, and their sockets of silver, sixteen sockets; two sockets under one board, and two sockets under another board. Ary aoka hisy zana-kazo valo sy ny faladiany volafotsy, dia faladia enina ambin' ny folo: faladia roa avy ho ambanin' ny isan-janakazo iray. Dia ho hazo fisaka valo izy izany mbamin' ny faladiany volafotsy, faladia enina ambin' ny folo, faladia roa avy isam-panambanin' ny hazo fisaka iray. Il y aura donc huit cadres avec leurs socles d' argent, soit seize socles : deux socles sous un premier cadre, deux socles sous un autre cadre.
Eks 26:26 And thou shalt make bars of shittim wood; five for the boards of the one side of the tabernacle, Ary manaova barany hazo akasia: dia dimy ho amin' ny zana-kazo amin' ny lafiny iray amin' ny tabernakely, Hanao barany akasià hianao; ny dimy hatao amin' ny hazo fisaka amin' ny lafiny anankiray amin' ny Fonenana. Tu feras des traverses en bois d' acacia : cinq pour les cadres du premier côté de la Demeure,
Eks 26:27 And five bars for the boards of the other side of the tabernacle, and five bars for the boards of the side of the tabernacle, for the two sides westward. sy barany dimy ho amin' ny zana-kazo amin' ny lafiny iray koa amin' ny tabernakely, ary barany dimy ho amin' ny zana-kazo amin' ny lafiny andrefana izay ao ivohony. Ny dimy koa hatao amin' ny hazo fisaka amin' ny lafiny faharoa amin' ny Fonenana; ary ny dimy hatao amin' ny hazo fisaka amin' ny lafiny farany amin' ny Fonenana, amin' ny andrefana. cinq traverses pour les cadres du second côté de la Demeure, et cinq traverses pour les cadres qui forment le fond de la Demeure, vers l' ouest.
Eks 26:28 And the middle bar in the midst of the boards shall reach from end to end. Ary ny barany afovoany, izay afovoan' ny zana-kazo, dia hahatratra ny farany roa. Ny barany afovoany hatao manaraka ny hazo fisaka, mahatratra ny sisiny roa. La traverse médiane, placée à mi-hauteur, assemblera les cadres d' une extrémité à l' autre.
Eks 26:29 And thou shalt overlay the boards with gold, and make their rings of gold for places for the bars: and thou shalt overlay the bars with gold. Ary ny zana-kazo hopetahanao takela-bolamena, ary hataonao volamena koa ny vava vola aminy, izay hitoeran' ny barany; ary petaho takela-bolamena koa ny barany. Petaho takela-bolamena ny hazo fisaka; ataovy volamena ny masom-bola hitoerana' ny barany, ary petaho takela-bolamena ny barany. Tu plaqueras d' or les cadres, tu leur feras des anneaux d' or où se logeront les traverses, et tu plaqueras les traverses d' or.
Eks 26:30 And thou shalt rear up the tabernacle according to the fashion thereof which was shewed thee in the mount. Ary manangana ny tabernakely araka ny endriny, dia ilay naseho taminao tao an-tendrombohitra. Ataovy toy ny marika naseho anao tany an-tendrombohitra no fananganana ny Fonenana. Ainsi tu dresseras la Demeure, selon le modèle qui t' a été montré sur la montagne.
Eks 26:31 And thou shalt make a vail of blue, and purple, and scarlet, and fine twined linen of cunning work: with cherubims shall it be made: Ary manaova efitra lamba manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; kerobima, asan' ny mpanenona mahay, no hataonao sorany. Manaova efitra lamba amin' ny jaky volomparasy sy jaky mangatrakatraka sy lamba mena antitra ary rongony fotsy madinika voahasina, asiana sarin-kerobima, asan-tànan' ny mpanenona mahay; " Tu feras un rideau de pourpre violette et écarlate, de cramoisi et de fin lin retors, brodé de chérubins.
Eks 26:32 And thou shalt hang it upon four pillars of shittim wood overlaid with gold: their hooks shall be of gold, upon the four sockets of silver. Ary ahantòny amin' ny andry hazo akasia efatra izay voapateka takela-bolamena izy; ho volamena koa ny fihantonany; ary eo amin' ny faladia volafotsy efatra no hiorenany. ka ahantòny amin' ny andry hazo akasià efatra, samy voapetaka takela-bolamena sy misy faraingo volamena ary miorina amin' ny faladia volafotsy efatra. Tu le mettras sur quatre colonnes d' acacia plaquées d' or, munies de crochets d' or, posées sur quatre socles d' argent.
Eks 26:33 And thou shalt hang up the vail under the taches, that thou mayest bring in thither within the vail the ark of the testimony: and the vail shall divide unto you between the holy place and the most holy. Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin' ny farango; ary ampidiro ao anatin' ny efitra lamba ny fiaran' ny Vavolombelona; ary ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masina sy ny fitoerana masina indrindra ho anareo. Apetaho ambonin' ny jaigirafy ny efitra lamba, ka dia ao indrindra no hampidiranao ny fiarana' ny vavolombelona ao ivohon' ny efitra lamba; fa ny efitra lamba no hampisaraka eo imasonareo ny Fitoerana Masina sy ny Fitoerana Masina indrindra. Tu mettras le rideau sous les agrafes, tu introduiras là, derrière le rideau, l' arche du Témoignage, et le rideau marquera pour vous la séparation entre le Saint et le Saint des Saints.
Eks 26:34 And thou shalt put the mercy seat upon the ark of the testimony in the most holy place. Ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia ataovy eo ambonin' ny fiaran' ny Vavolombelona eo amin' ny fitoerana masina indrindra. Hataonao eo ambonin' ny fiaran' ny vavolombelona ny fanaovam-panavotana, amin' ny Fitoerana masina indrindra. Tu mettras le propitiatoire sur l' arche du Témoignage, dans le Saint des Saints.
Eks 26:35 And thou shalt set the table without the vail, and the candlestick over against the table on the side of the tabernacle toward the south: and thou shalt put the table on the north side. Ary apetraho eo ivelan' ny efitra ny latabatra, ary ny fanaovan-jiro tandrifin' ny latabatra amin' ny lafiny atsimo amin' ny tabernakely; ary ny latabatra ataovy eo amin' ny lafiny avaratra. Hapetrakao eo ivelan' ny efitra lamba ny latabatra, ary eo anoloan' ny latabatra, amin' ny lafiny atsimo amin' ny Fonenana, ny fanaovan-jiro, fa amin' ny avaratra no hametrahanao ny latabatra. Tu placeras la table à l' extérieur du rideau, et le candélabre en face d' elle, du côté sud de la Demeure, et tu mettras la table du côté nord.
Eks 26:36 And thou shalt make an hanging for the door of the tent, of blue, and purple, and scarlet, and fine twined linen, wrought with needlework. Ary manaova varavarana lamba ho eo amin' ny lay, dia amin' ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan' ny mahay tenona samy hafa soratra. Ny fidirana ao amin' ny lay, dia anaovy efitra lamba amin' ny jaky volomparasy sy jaky mangatrakatraka sy lamba mena antitra ary rongony fotsy madinika voahasina, voatenona amin' ny soratra maro samihafa. Tu feras pour l' entrée de la tente un voile broché de pourpre violette et écarlate, de cramoisi et de fin lin retors.
Eks 26:37 And thou shalt make for the hanging five pillars of shittim wood, and overlay them with gold, and their hooks shall be of gold: and thou shalt cast five sockets of brass for them. Ary manaova andry hazo akasia dimy ho amin' ny varavarana lamba, ka petaho takela-bolamena; ary ho volamena koa ny fihantonany; ary mandrendreha faladia varahina dimy hiorenany. Hanaovanao andry akasià dimy io varavarana lamba io, ka petahanao takela-bolamena ny andry sy hasianao faraingo volamena; ary handrendrika varahina hatao faladiany dimy hianao. Tu feras pour ce voile cinq colonnes d' acacia et tu les plaqueras d' or, leurs crochets seront en or, et tu couleras pour elles cinq socles de bronze.

<-
->