<-
->

Eks 10:1 And the Lord said unto Moses, Go in unto Pharaoh: for I have hardened his heart, and the heart of his servants, that I might shew these my signs before him: Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Mankanesa ao amin' i Farao; fa Izaho efa nanamafy ny fony sy ny fon' ny mpanompony, mba hanehoako izao famantarako izao eo aminy; Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Mankanesa any amin' i Faraona, fa efa nahadonto ny fony sy ny fon' ny mpanompony aho, hanaovako ny famantarako eo afovoany, Yahvé dit à Moïse : " Va trouver Pharaon car c' est moi qui ai appesanti son coeur et le coeur de ses serviteurs afin d' opérer mes signes au milieu d' eux,
Eks 10:2 And that thou mayest tell in the ears of thy son, and of thy son' s son, what things I have wrought in Egypt, and my signs which I have done among them; that ye may know how that I am the Lord. ary mba holazainao ho ren' ny zanakao sy ny zafinao izay zavatra nataoko teto Egypta sy izay famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. mba hotantarainao amin' ny zanakao aman-jafinao ny zava-dehibe nataoko tany Ejipta, sy ny famantarana vitako teo amin' izy ireo, ka ho fantatrareo fa Iaveh aho. pour que tu puisses raconter à ton fils et au fils de ton fils comment je me suis joué des Égyptiens et quels signes j' ai opérés parmi eux, et que vous sachiez que je suis Yahvé. "
Eks 10:3 And Moses and Aaron came in unto Pharaoh, and said unto him, Thus saith the Lord God of the Hebrews, How long wilt thou refuse to humble thyself before me? let my people go, that they may serve me. Ary Mosesy sy Arona dia nankao amin' i Farao ka nanao taminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Mandrapahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? alefaso ny oloko mba hanompo Ahy. Dia nankany amin' i Faraona Moizy sy Aarona ka nanao taminy hoe: Izao no lazain' ny Tompo, Andriamanitry ny Hebrio: Mandra-pahoviana no handavanao tsy hietry eo anatrehako? Alefaso ny vahoakako hanompo ahy. Moïse et Aaron allèrent trouver Pharaon et lui dirent : " Ainsi parle Yahvé le Dieu des Hébreux : Jusqu'à quand refuseras-tu de t' humilier devant moi ? Laisse partir mon peuple, qu' il me serve.
Eks 10:4 Else, if thou refuse to let my people go, behold, to morrow will I bring the locusts into thy coast: Fa raha mandà ka tsy mandefa ny oloko ianao, indro, hahatonga valala amin' ny taninao rehetra Aho rahampitso; Fa raha mandà tsy handefa ny vahoakako hianao, indro aho handefa valala hanenika ny taninao rehetra, rahampitso. Si tu refuses de laisser partir mon peuple, dès demain je ferai venir des sauterelles sur ton territoire.
Eks 10:5 And they shall cover the face of the earth, that one cannot be able to see the earth: and they shall eat the residue of that which is escaped, which remaineth unto you from the hail, and shall eat every tree which groweth for you out of the field: dia handrakotra ny tany rehetra ireny, ka tsy ho hita ny tany; dia hohaniny ny sisan' ny havandra, izay navela ho anareo, ka hohaniny avokoa ny hazo rehetra izay maniry ho anareo any an-tsaha; Ho rakotra azy ny tany, tsy ho hita hirangirana ny tany; holevoniny avokoa ny sisa tsy voa izay navelan' ny havandra ho anareo; hohaniny daholo ny hazo maniry any an-tsaha, Elles couvriront la surface du sol et l' on ne pourra plus voir le sol. Elles dévoreront le reste de ce qui a échappé, ce que vous a laissé la grêle ; elles dévoreront tous vos arbres qui croissent dans les champs.
Eks 10:6 And they shall fill thy houses, and the houses of all thy servants, and the houses of all the Egyptians; which neither thy fathers, nor thy fathers' fathers have seen, since the day that they were upon the earth unto this day. And he turned himself, and went out from Pharaoh. dia hameno ny tranonao sy ny tranon' ny mpanomponao rehetra ary ny tranon' ny Egyptiana rehetra ireny; ary tsy mbola hitan' ny rainao na ny raibenao izay toy izay hatr' izay andro niainany tetý ambonin' ny tany ka mandraka androany. Dia nihodina izy ka niala teo amin' i Farao. ho hipoka azy avokoa ny tranonao sy ny tranom-panomponao, ary ny an' ny Ejipsiana rehetra. Tsy mbola nisy nahita loza toy izany na ny rainao na ny raibenao, hatrizay nisiany tety ambonin' ny tany, ka mandrak' ankehitriny. Dia lasa Moizy, ka niala teo amin' i Faraona. Elles rempliront tes maisons, les maisons de tous tes serviteurs et les maisons de tous les Égyptiens, ce que tes pères et les pères de tes pères n' ont jamais vu, depuis le jour où ils sont venus sur terre, jusqu'à ce jour. " Puis il se retourna et sortit de chez Pharaon.
Eks 10:7 And Pharaoh' s servants said unto him, How long shall this man be a snare unto us? let the men go, that they may serve the Lord their God: knowest thou not yet that Egypt is destroyed? Ary hoy ny mpanompon' i Farao taminy: Mandra-pahoviana no ho fandrika amintsika iny lehilahy iny? alefaso ireo olona ireo hanompo an' i Jehovah Andriamaniny; tsy mbola fantatrao va fa efa simba Egypta? Ka hoy ny mpanompon' i Faraona taminy: Mandra-pahoviana no ho fandrika ho antsika ralehilahy iny? Alefaso handeha ireo olona ireo, hanompoany an' ny Tompo Andriamaniny. Tsy mbola hitanao ve fa efa ho levona ity Ejipta? Les serviteurs de Pharaon lui dirent : " Jusqu'à quand celui-ci nous sera-t-il un piège ? Laisse partir ces gens, qu' ils servent Yahvé leur Dieu. Ne sais-tu pas encore que l'Égypte va à sa ruine ? "
Eks 10:8 And Moses and Aaron were brought again unto Pharaoh: and he said unto them, Go, serve the Lord your God: but who are they that shall go? Dia nisy nampiverina an' i Mosesy sy Arona hankao amin' i Farao indray: ary hoy izy taminy: Mandehana, manompo an' i Jehovah Andriamanitrareo; nefa iza avy moa no handeha? Dia nasaina niverina ho eo amin' i Faraona Moizy sy Aarona, ka hoy izy taminy: Mandehana àry, manompoa an' ny Tompo Andriamanitrareo. Iza avy moa no tsy maintsy mankany? On fit revenir Moïse et Aaron auprès de Pharaon qui leur dit : " Allez servir Yahvé votre Dieu, mais qui sont ceux qui vont s' en aller ? "
Eks 10:9 And Moses said, We will go with our young and with our old, with our sons and with our daughters, with our flocks and with our herds will we go; for we must hold a feast unto the Lord. Ary hoy Mosesy: Ny tanora sy ny antitra aminay ho entinay handeha, ary ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy sy ny ondry aman' osinay ary ny ombinay ho entinay handeha; fa hisy andro firavoravoanay ho an' i Jehovah. Ary hoy ny navalin' i Moizy: Hankany avokoa izahay omban' ny ankizy sy ny antidahy, ny zanakay lahy aman-janakay vavy, ny ondry sy ny ombinay, fa fety fankalazana an' ny Tompo izany ho anay. Moïse répondit : " Nous emmènerons nos jeunes gens et nos vieillards, nous emmènerons nos fils et nos filles, notre petit et notre gros bétail, car c' est pour nous une fête de Yahvé. "
Eks 10:10 And he said unto them, Let the Lord be so with you, as I will let you go, and your little ones: look to it; for evil is before you. Fa hoy Farao taminy: Aoka homba anareo ihany anie Jehovah, raha handefa anareo mbamin' ny zanakareo madinika aho; mitandrema, fa misy ratsy eo anoloanareo. Fa hoy Faraona tamin' izy ireo: Homba anareo anie Iaveh, araka ny hamelako anareo handeha, dia hianareo sy ny zanakareo. Tandremo fa manan-kevi-dratsy hianareo! Pharaon dit : " Que Yahvé soit avec vous comme je vais vous laisser partir, vous, vos femmes et vos enfants !Voyez comme vous avez de mauvais desseins !
Eks 10:11 Not so: go now ye that are men, and serve the Lord; for that ye did desire. And they were driven out from Pharaoh' s presence. Tsy izany, fa mandehana ianareo lehilahy lehibe ka manompoa an' i Jehovah, fa izany no tadiavinareo. Ary izy roa lahy dia noroahina hiala teo anatrehan' i Farao. Tsia, hianareo lehilahy no mandehana ka manompoa an' ny Tompo, fa izany ihany no angatahinareo. Dia noroahina hiala teo anatrehan' i Faraona izy ireo. Non !Allez, vous, les hommes, servir Yahvé, puisque c' est là ce que vous demandez. " Et on les expulsa de la présence de Pharaon.
Eks 10:12 And the Lord said unto Moses, Stretch out thine hand over the land of Egypt for the locusts, that they may come up upon the land of Egypt, and eat every herb of the land, even all that the hail hath left. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Ahinjiro ambonin' ny tany Egypta ny tananao hihavian' ny valala, dia hiakatra ho eto amin' ny tany Egypta ireny, ary dia hihinana ny zava-maniry amin' ny tany, dia izay rehetra sisan' ny havandra. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Ahinjiro eo ambonin' ny tany Ejipta ny tànanao ny amin' ny valala; aoka hiakarany ny tany Ejipta; aoka handevona ny ahitra rehetra amin' ny tany izy, izay sisan-kavandra rehetra. Yahvé dit à Moïse : " Étends ta main sur le pays d'Égypte pour que viennent les sauterelles ; qu' elles montent sur le pays d'Égypte et qu' elles dévorent toute l' herbe du pays, tout ce qu' a épargné la grêle. "
Eks 10:13 And Moses stretched forth his rod over the land of Egypt, and the Lord brought an east wind upon the land all that day, and all that night; and when it was morning, the east wind brought the locusts. Dia nahinjitr' i Mosesy tambonin' ny tany Egypta ny tehiny, ary Jehovah nitondra rivotra avy any atsinanana hankany amin' ny tany mandritra iny andro sy iny alina iny; ary nony maraina dia nitondra ny valala ny rivotra avy any atsinanana. Dia nahinjitr' i Moizy teo ambonin' ny tany Ejipta ny tehiny, ka nandefa rivotra avy any atsinanana Iaveh hifofofofo amin' ny tany iny tontolo andro iny, sy iny tontolo alina iny. Nony maraina, indro tongan' ny rivotra avy any atsinanana ny valala. Moïse étendit son bâton sur le pays d'Égypte, et Yahvé fit lever sur le pays un vent d' est qui souffla tout ce jour-là et toute la nuit. Le matin venu, le vent d' est avait apporté les sauterelles.
Eks 10:14 And the locust went up over all the land of Egypt, and rested in all the coasts of Egypt: very grievous were they; before them there were no such locusts as they, neither after them shall be such. Ary ny valala niakatra ho amin' ny tany Egypta rehetra, dia nipetraka nanerana ny tany Egypta rehetra; ary nampahory indrindra ireny, ka tsy nisy valala toy izany tany aloha, ary ato aoriany koa tsy hisy toy izany. Niakatra amin' ny tany Ejipta manontolo. Loza ny habetsahany, fa tsy mbola nisy izay toy izany, ary tsy hisy intsony koa ny toy izany. Les sauterelles montèrent sur tout le pays d'Égypte en très grand nombre. Auparavant il n' y avait jamais eu autant de sauterelles, et par la suite il ne devait plus y en avoir autant.
Eks 10:15 For they covered the face of the whole earth, so that the land was darkened; and they did eat every herb of the land, and all the fruit of the trees which the hail had left: and there remained not any green thing in the trees, or in the herbs of the field, through all the land of Egypt. Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny, ka efa maizina ny tany; ary nohaniny ny anana rehetra teo amin' ny tany sy ny voankazo rehetra, izay sisan' ny havandra; ka dia tsy nisy sisa ny zava-maitso eran' ny tany Egypta rehetra, na tamin' ny hazo, na tamin' ny anana tany an-tsaha. Rakotra azy ny tany rehetra, maizina ny tany azon' ireny. Levona avokoa ny ahitra tamin' ny tany, mbamin' ny voan' ny hazo, izay sisan-kavandra rehetra; tsy nisy niangana ny zava-maitso tamin' ny hazo sy tamin' ny ahitra any an-tsaha eran' ny tany Ejipta tontolo. Elles couvrirent toute la surface du pays et le pays fut dévasté. Elles dévorèrent toute l' herbe du pays et tous les fruits des arbres qu' avait laissés la grêle ; rien de vert ne resta sur les arbres ou sur l' herbe des champs, dans tout le pays d'Égypte.
Eks 10:16 Then Pharaoh called for Moses and Aaron in haste; and he said, I have sinned against the Lord your God, and against you. Ary Farao dia nampaka an' i Mosesy sy Arona faingana ka nanao hoe: Efa nanota tamin' i Jehovah Andriamanitrareo sy taminareo aho. Koa nampanalain' i Faraona faingana Moizy sy Aarona nilazany hoe: Efa nanota tamin' ny Tompo Andriamanitrareo sy taminareo aho. Pharaon se hâta d' appeler Moïse et Aaron et dit : " J' ai péché contre Yahvé votre Dieu et contre vous.
Eks 10:17 Now therefore forgive, I pray thee, my sin only this once, and intreat the Lord your God, that he may take away from me this death only. Ary ankehitriny, masìna ianao mamela ny fahotako izao indray mandeha izao ihany, ka mangataha amin' i Jehovah Andriamanitrareo hampialany amiko izao mahafaty iray loha izao monja. Nefa mbola avelao re ny fahotako, fa ity indray mandeha ity ihany. Mangataha amin' ny Tompo Andriamanitrareo mba hanafahany ahy ahay, amin' ity loza mahafaty izy. Et maintenant pardonne-moi ma faute, je t' en prie, cette fois seulement, et priez Yahvé votre Dieu qu' il détourne de moi ce fléau meurtrier. "
Eks 10:18 And he went out from Pharaoh, and intreated the Lord. Dia niala teo amin' i Farao izy ka nangataka tamin' i Jehovah. Niala avy ao amin' i Faraona Moizy, dia nangataka tamin' ny Tompo, Moïse sortit de chez Pharaon et pria Yahvé.
Eks 10:19 And the Lord turned a mighty strong west wind, which took away the locusts, and cast them into the Red sea; there remained not one locust in all the coasts of Egypt. Ary Jehovah nahatonga rivotra mahery indrindra avy andrefana kosa, izay nitondra ny valala ka namarina azy tao amin' ny Ranomasina Mena; dia tsy nisy sisa intsony ny valala eran' ny tany Egypta rehetra, na dia iray akory aza. ka rivotra avy any andrefana kosa indray no nampifofofofoin' ny Tompo mafy ka nipaoka ny valala, sy namarina azy amin' ny ranomasina Mena; ary tsy nisy tafajanona ny valala, na dia tapikany iray aza, tany Ejipta tontolo. Yahvé changea le vent en un vent d' ouest très fort qui emporta les sauterelles et les entraîna vers la mer des Roseaux. Il ne resta plus une seule sauterelle dans tout le territoire d'Égypte.
Eks 10:20 But the Lord hardened Pharaoh' s heart, so that he would not let the children of Israel go. Nefa Jehovah nanamafy ny fon' i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak' Isiraely izy. Nohamafisin' ny Tompo anefa ny fon' i Faraona ka tsy nalefan' i Faraona handeha ny zanak' Israely. Mais Yahvé endurcit le coeur de Pharaon et il ne laissa pas partir les Israélites.
Eks 10:21 And the Lord said unto Moses, Stretch out thine hand toward heaven, that there may be darkness over the land of Egypt, even darkness which may be felt. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, mba hisy aizina amin' ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tànanao, hisian' ny aizim-pito amin' ny tany Ejipta, sady aizina azo tsapain-tànana. Yahvé dit à Moïse : " Étends ta main vers le ciel et que des ténèbres palpables recouvrent le pays d'Égypte. "
Eks 10:22 And Moses stretched forth his hand toward heaven; and there was a thick darkness in all the land of Egypt three days: Dia nahinjitr' i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tànany; dia nisy aizim-pito eran' ny tany Egypta rehetra hateloana, Dia nahinjitr' i Moizy nanandrify ny lanitra ny tànany, ka nisy aizim-pito ny tany Ejipta tontolo, nandritra ny hateloana. Moïse étendit la main vers le ciel et il y eut d'épaisses ténèbres sur tout le pays d'Égypte pendant trois jours.
Eks 10:23 They saw not one another, neither rose any from his place for three days: but all the children of Israel had light in their dwellings. koa tsy mba nifankahita ny olona, na niala tamin' izay nitoerany, hateloana; fa ny Zanak' Isiraely rehetra kosa nisy mazava teo amin' ny fonenany. Tsy nifankahita izy ireo ary tsy nisy niainga niala tamin' ny toerana nisy azy nandritra ny hateloana; fa ny zanak' Israely kosa nahazo mazava teo amin' izay toerana nonenany. Les gens ne se voyaient plus l' un l' autre et personne ne se leva de sa place pendant trois jours, mais tous les Israélites avaient de la lumière là où ils habitaient.
Eks 10:24 And Pharaoh called unto Moses, and said, Go ye, serve the Lord; only let your flocks and your herds be stayed: let your little ones also go with you. Ary Farao dia nampaka an' i Mosesy ka nanao hoe: Mandehana ianareo, manompoa an' i Jehovah; fa ny ondry aman' osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka havelanareo; ary ny zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa. Koa nampaka an' i Moizy Faraona nilazany hoe: Mandehana hianareo, manompoa an' ny Tompo, ka ny ondry sy ny ombinareo ihany no hijanona; fa na dia ny zanakareo madinika aza mahazo mandeha miaraka aminareo koa. Pharaon appela Moïse et lui dit : " Allez servir Yahvé, mais votre petit et votre gros bétail devra rester ici. Même vos femmes et vos enfants pourront aller avec vous. "
Eks 10:25 And Moses said, Thou must give us also sacrifices and burnt offerings, that we may sacrifice unto the Lord our God. Ary hoy Mosesy: Hianao no hanolotra eto an-tananay izay fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà haterinay ho an' i Jehovah Andriamanitray; Fa hoy Moizy: Tsy maintsy atolotrao eo an-tànanay izay hataonay sorona sy sorona dorana amin' ny Tompo Andriamanitray. Moïse dit : " Tu dois toi-même mettre à notre disposition des sacrifices et des holocaustes pour que nous les offrions à Yahvé notre Dieu.
Eks 10:26 Our cattle also shall go with us; there shall not an hoof be left behind; for thereof must we take to serve the Lord our God; and we know not with what we must serve the Lord, until we come thither. ary ny omby aman' ondrinay dia ho entinay hiaraka aminay koa; fa tsy hisy havela na dia ny kitrony iray aza, satria ireny no hangalanay hanompoana an' i Jehovah Andriamanitray; ary tsy mbola fantatray izay ho entinay manompo an' i Jehovah mandra-pahatonganay any. Ary ny biby fiompinay hiaraka aminay koa, fa tsy misy havela na dia kitrony iray aza; satria amin' ireo no hangalanay ho enti-manompo an' ny Tompo Andriamanitray; ary na dia izahay aza dia mbola tsy mahalala akory izay tokony hoentinay manompo an' ny Tompo, raha tsy efa tonga any. Même nos troupeaux viendront avec nous, pas une tête ne restera, car c' est d' eux que nous prendrons de quoi servir Yahvé notre Dieu ; et nous-mêmes, jusqu'à notre arrivée là-bas, nous ne saurons comment servir Yahvé. "
Eks 10:27 But the Lord hardened Pharaoh' s heart, and he would not let them go. Ary Jehovah dia nanamafy ny fon' i Farao, ka tsy nety nandefa azy izy. Nohamafisin' ny Tompo anefa ny fon' i Faraona, ka tsy nety nandefa azy ireo Faraona. Mais Yahvé endurcit le coeur de Pharaon et il ne voulut pas les laisser partir.
Eks 10:28 And Pharaoh said unto him, Get thee from me, take heed to thyself, see my face no more; for in that day thou seest my face thou shalt die. Ary hoy Farao taminy: Mialà amiko; koa mitandrema, fa aoka tsy hahita ny tavako intsony ianao; fa amin' izay andro hahitanao ny tavako dia ho faty ianao. Fa hoy Faraona tamin' i Moizy: Mialà amiko eto. Ary tandremo fandrao mitranga aty anatrehako aty intsony, fa izay andro hitranganao aty anatrehako dia ho faty hianao. Pharaon dit à Moïse : " Hors d' ici !Prends garde à toi !ne te présente plus devant moi, car le jour où tu te présenteras devant moi, tu mourras. "
Eks 10:29 And Moses said, Thou hast spoken well, I will see thy face again no more. Ary hoy Mosesy: Marina izay nolazainao; fa tsy hahita ny tavanao intsony aho. Voalazanao, hoy Moizy, tsy hitranga aty anatrehanao intsony tokoa aho. Et Moïse dit : " Tu l' as dit, je ne reviendrai plus me présenter devant toi.

<-
->