<-
->

Eks 5:1 And afterward Moses and Aaron went in, and told Pharaoh, Thus saith the Lord God of Israel, Let my people go, that they may hold a feast unto me in the wilderness. Ary rehefa afaka izany, Mosesy sy Arona dia nankao amin' i Farao ka niteny taminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Alefaso ny oloko mba hanao andro firavoravoana ho Ahy any an-efitra. Rahefa izany, lasa nankao amin' i Faraona Moizy sy Aarona ka nanao taminy hoe: Izao no lazain' ny Tompo, Andriamanitr' Israely: Alefaso handeha ny vahoakako hanao fety fankalazana ahy, any an' efitra. Après cela, Moïse et Aaron vinrent trouver Pharaon et lui dirent : " Ainsi parle Yahvé, le Dieu d' Israël : laisse partir mon peuple, qu' il célèbre une fête pour moi dans le désert. "
Eks 5:2 And Pharaoh said, Who is the Lord, that I should obey his voice to let Israel go? I know not the Lord, neither will I let Israel go. Fa hoy Farao: Iza moa Jehovah, no hekeko teny handefasako ny Isiraely? tsy fantatro izay Jehovah, ka tsy halefako ny Isiraely. Fa hoy ny navalin' i Faraona: Iza moa Iaveh no hoekeko teny, ka handefasako an' Israely handeha? Izaho tsy mahalala izay Iaveh, ka tsy havelako handeha Israely. Pharaon répondit : " Qui est Yahvé, pour que j'écoute sa voix et que je laisse partir Israël ? Je ne connais pas Yahvé, et quant à Israël, je ne le laisserai pas partir. "
Eks 5:3 And they said, The God of the Hebrews hath met with us: let us go, we pray thee, three days' journey into the desert, and sacrifice unto the Lord our God; lest he fall upon us with pestilence, or with the sword. Ary hoy izy roa lahy: Andriamanitry ny Hebreo efa nihaona taminay; koa trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an' i Jehovah Andriamanitray; fandrao Izy hamely anay amin' ny areti-mandringana, na amin' ny sabatra. Dia hoy izy roa lahy: Ny Andriamanitry ny Hebrio no niseho taminay, ka avelao izahay handeha lalan-kateloana any an-efitra, hanolotra sorona amin' ny Tompo, mba tsy hamely anay amin' ny pesta na amin' ny sabatra izy. Ils dirent : " Le Dieu des Hébreux est venu à notre rencontre. Accorde-nous d' aller à trois jours de marche dans le désert pour sacrifier à Yahvé notre Dieu, sinon il nous frapperait de la peste ou de l'épée. "
Eks 5:4 And the king of Egypt said unto them, Wherefore do ye, Moses and Aaron, let the people from their works? get you unto your burdens. Ary hoy ny mpanjakan' i Egypta taminy: Nahoana ianareo, ry Mosesy sy Arona, no manaketraka ny olona amin' ny asany? mandehana any amin' ny fanompoanareo mafy. Fa hoy ny mpanjakan' i Ejipta tamin' izy ireo: Nahoana hianareo, ry Moizy sy Aarona, no dia mandrebireby ny vahoaka tsy hanao ny asany? Mandehana mankany amin' ny fanompoanareo. Le roi d'Égypte leur dit : " Pourquoi, Moïse et Aaron, voulez-vous débaucher le peuple de ses travaux ? Retournez à vos corvées. "
Eks 5:5 And Pharaoh said, Behold, the people of the land now are many, and ye make them rest from their burdens. Ary hoy koa Farao: Indro, efa maro ankehitriny ny olona eto amin' ny tany, ka ianareo mampitsahatra azy amin' ny fanompoany mafy. Dia hoy Faraona: Indro efa be izao ny vahoaka eto amin' ny tany, ka hotadiavinareo hatsahatra ve ny fanompoany? Pharaon dit : " Maintenant que le peuple est nombreux dans le pays, vous voudriez lui faire interrompre ses corvées ?
Eks 5:6 And Pharaoh commanded the same day the taskmasters of the people, and their officers, saying, Ary tamin' izany andro izany Farao nandidy ny mpampiasa ny olona mbamin' ny mpifehy azy ka nanao hoe: Androtr' izay ihany dia nomen' i Faraona teny ny mpampiasa ny vahoaka sy ny mpanoratra nataony hoe: Le jour même, Pharaon donna cet ordre aux surveillants du peuple et aux scribes :
Eks 5:7 Ye shall no more give the people straw to make brick, as heretofore: let them go and gather straw for themselves. Aza omenareo mololo hanaovana biriky tahaka ny teo aloha intsony ny olona; fa izy ihany no aoka handeha hanangona mololo ho azy. Aza omena mololo hanaovam-biriky toy izay lasa izay intsony ny vahoaka, fa aoka ny tenan' izy ireo no handeha hanangona mololo. " Ne continuez plus à donner de la paille hachée au peuple pour mouler les briques, comme hier et avant-hier ; qu' ils aillent eux-mêmes ramasser la paille qu' il leur faut.
Eks 5:8 And the tale of the bricks, which they did make heretofore, ye shall lay upon them; ye shall not diminish ought thereof: for they be idle; therefore they cry, saying, Let us go and sacrifice to our God. Kanefa ny isan' ny biriky izay fanaony teo aloha dia mbola hampanaovinareo azy ihany, fa aza ahenanareo; fa malaina izy, koa izany no itarainany hoe: Aoka izahay handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an' Andriamanitray. Nefa ny biriky izay ampanaovinareo azy dia hitovy isa amin' izay nataony teo aloha, tsy hanalanareo na iray aza, fa kamo foana izy, ka izany no imenomenonany hoe: Maniry te-handeha hanao sorona amin' ny Andriamanitray izahay. Mais vous leur imposerez la même quantité de briques qu' ils fabriquaient hier et avant-hier, sans rien en retrancher car ce sont des paresseux. C' est pour cela qu' ils crient : "Allons sacrifier à notre Dieu. "
Eks 5:9 Let there more work be laid upon the men, that they may labour therein; and let them not regard vain words. Hamafio ny fanompoan' ny olona mba hifotorany amin' izany, fa aza avela hihaino izay lainga foana izy. Ka ataovy matin-draharaha izany olona izany, ataovy mikikitra amin' ny asa, ary aoka izy tsy hihaino intsony izao antsanga tsy aman' orana rehetra izao. Qu' on alourdisse le travail de ces gens, qu' ils le fassent et ne prêtent plus attention à ces paroles trompeuses. "
Eks 5:10 And the taskmasters of the people went out, and their officers, and they spake to the people, saying, Thus saith Pharaoh, I will not give you straw. Dia nivoaka ny mpampiasa ny olona mbamin' ny mpifehy azy ka niteny tamin' ny olona nanao hoe: Izao no lazain' i Farao: Izaho tsy mba hanome mololo anareo intsony; Dia tonga ny mpampiasa ny vahoaka sy ny mpanoratra, ka nilaza tamin' ny vahoaka hoe: Izao no lazain' i Faraona: Tsy hanome mololo anareo intsony aho, Les surveillants du peuple et les scribes allèrent dire au peuple : " Ainsi parle Pharaon : Je ne vous donne plus de paille hachée.
Eks 5:11 Go ye, get you straw where ye can find it: yet not ought of your work shall be diminished. fa mandehana ianareo ka manangona mololo any amin' izay hahitanareo, satria tsy hahena ny fanompoanareo na dia kely akory aza. fa hianareo no mandeha mitady mololo any amin' izay hahitanareo any; ary ny raharaha fanaonareo tsy handatsahana na dia kely aza. Allez vous-mêmes vous chercher de la paille hachée où vous pourrez en trouver, mais rien ne sera retranché de votre travail. "
Eks 5:12 So the people were scattered abroad throughout all the land of Egypt to gather stubble instead of straw. Dia niely eran' ny tany Egypta rehetra ny olona mba hifako vodivary ho solon' ny mololo. Dia niely eran' ny tany Ejipta ny vahoaka, hifako bozaka hatao solo-mololo. Alors le peuple se dispersa dans tout le pays d'Égypte pour ramasser du chaume pour en faire de la paille hachée.
Eks 5:13 And the taskmasters hasted them, saying, Fulfil your works, your daily tasks, as when there was straw. Ary ny mpampiasa nandodona azy ka nanao hoe: Vitao ny asanareo, izay anjara-fanompoana isan' andro, tahaka ny fony mbola nisy mololo ihany. Noporitin' ny mpampiasa nataony hoe: Efao ny asanareo, izay anjara asa voafetra hatao isan' andro tahaka ny fony nanana mololo hianareo. Les surveillants les harcelaient : " Terminez votre travail quotidien comme lorsqu' il y avait de la paille hachée. "
Eks 5:14 And the officers of the children of Israel, which Pharaoh' s taskmasters had set over them, were beaten, and demanded, Wherefore have ye not fulfilled your task in making brick both yesterday and to day, as heretofore? Ary ny mpifehy ny Zanak' Isiraely, izay notendren' ny mpampiasa avy amin' i Farao mba hifehy azy, dia nokapohina ka nanontaniana hoe: Ahoana no tsy nahavitanareo ny anjaranareo tamin' ny fanaovana ny biriky omaly sy androany, tahaka ny teo aloha ? Ary voakapoka ny mpanoratry ny zanak' Israely, izay notendren' ny mpampiasan' i Faraona hifehy azy ireo, fa hoy ny mpampiasa: Nahoana hianareo omaly sy androany, no tsy nahavita ny biriky fanaonareo toraky ny taloha? On frappa les scribes des Israélites, ceux que les surveillants de Pharaon leur avaient imposés en disant : " Pourquoi n' avez-vous pas terminé la quantité de briques prescrite, aujourd' hui comme hier et avant-hier ?
Eks 5:15 Then the officers of the children of Israel came and cried unto Pharaoh, saying, Wherefore dealest thou thus with thy servants? Dia nankao amin' i Farao ny mpifehy ny Zanak' Isiraely ka nitaraina taminy hoe: Nahoana no manao toy izany amin' ny mpanomponao ianao? Koa lasa nitaraina tany amin' i Faraona ny mpanoratry ny zanak' Israely nanao hoe: Nahoana hianao no dia manao toy izany amin' ny mpanomponao? Les scribes des Israélites vinrent se plaindre auprès de Pharaon en disant : " Pourquoi traiter ainsi tes serviteurs ?
Eks 5:16 There is no straw given unto thy servants, and they say to us, Make brick: and, behold, thy servants are beaten; but the fault is in thine own people. Tsy omena mololo tsinona izahay mpanomponao, nefa mbola asaina manao biriky ihany; ary, indreto, izahay mpanomponao no kapohina, ka manota ny vahoakanao. Tsy omena mololo akory ny mpanomponao nefa atao hoe: Manaova biriky, ka indro fa voakapoka ny mpanomponao, ary ny vahoakanao tonga diso amin' izany. On ne donne plus de paille hachée à tes serviteurs et l' on nous dit : "Faites des briques", et voici que l' on frappe tes serviteurs... "
Eks 5:17 But he said, Ye are idle, ye are idle: therefore ye say, Let us go and do sacrifice to the Lord. Fa hoy Farao: Malaina dia malaina ianareo, ka izany no anaovanareo hoe: Aoka handeha izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an' i Jehovah. Fa hoy kosa Faraona: Olona kamo hianareo; olona kamo! Ka izany no ilazanareo hoe: Maniry ta-handeha hanolotra sorona amin' ny Tompo izahay. Il répondit : " Vous êtes des paresseux, des paresseux, voilà pourquoi vous dites : "Nous voulons aller sacrifier à Yahvé. "
Eks 5:18 Go therefore now, and work; for there shall no straw be given you, yet shall ye deliver the tale of bricks. Ary ankehitriny, mandehana, ataovy izay fanompoanareo, fa tsy hisy mololo homena anareo; nefa ny anjara-birikinareo dia mbola hatolotrareo ihany. Ka mandehana miasa amin' izao tsy homena mololo hianareo; ary ny isan' ny biriky hatolotrareo dia tsy hovàna akory. Maintenant allez travailler. On ne vous donnera pas de paille hachée mais vous livrerez la quantité de briques fixée.
Eks 5:19 And the officers of the children of Israel did see that they were in evil case, after it was said, Ye shall not minish ought from your bricks of your daily task. Ary hitan' ny mpifehy ny Zanak' Isiraely fa efa azon-doza izy noho ny nanaovana hoe: Tsy hahenanareo ny isan' ny birikinareo amin' ny anjara-fanompoana isan' andro. Hitan' ny mpanoratry ny zanak' Israely fa efa mandry andriran' antsy izy, fa ilazana hoe: Ny birikinareo tsy handatsahana, fa isan' andro dia ho latasy toraky ny fanao isan' andro ihany. Les scribes des Israélites se virent dans un mauvais cas quand on leur dit : " Vous ne diminuerez rien de votre production quotidienne de briques. "
Eks 5:20 And they met Moses and Aaron, who stood in the way, as they came forth from Pharaoh: Ary izy ireo dia nihaona tamin' i Mosesy sy Arona, izay nijanona niandry azy, raha avy tany amin' i Farao izy; Ary izy nahita an' i Moizy sy Aarona, izay efa tao rahateo, miandry azy ireo hivoaka avy ao amin' i Faraona, Ayant quitté Pharaon, ils se heurtèrent à Moïse et à Aaron qui se tenaient devant eux.
Eks 5:21 And they said unto them, The Lord look upon you, and judge; because ye have made our savour to be abhorred in the eyes of Pharaoh, and in the eyes of his servants, to put a sword in their hand to slay us. dia hoy izy tamin' izy roa lahy: Jehovah anie hijery sy hitsara anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra eo anatrehan' i Farao sy eo anatrehan' ny mpanompony izahay, ka nasianareo sabatra eo an-tànany hamonoany anay. ka nilaza taminy hoe: Aoka Iaveh no hahita anareo sy hitsara; fa ny fitia azonay tamin' i Faraona sy ny mpanompony nataonareo mody halavolo, ary notoloranareo sabatra eo an-tànany izy hamonoana anay. Ils leur dirent : " Que Yahvé vous observe et qu' il juge !Vous nous avez rendus odieux aux yeux de Pharaon et de ses serviteurs et vous leur avez mis l'épée en main pour nous tuer. "
Eks 5:22 And Moses returned unto the Lord, and said, Lord, wherefore hast thou so evil entreated this people? why is it that thou hast sent me? Ary Mosesy niverina ho any amin' i Jehovah ka nanao hoe: Tompo ô, nahoana no nahatonga loza tamin' ity firenena ity Hianao? nahoana re no naniraka ahy Hianao? Niverina nankany amin' ny Tompo Moizy tamin' izay, ka nanao hoe: Tompo ô! nahoana hianao no dia nampidi-doza tamin' ity vahoaka? Nahoana aho no dia nirahinao? Moïse retourna vers Yahvé et lui dit : " Seigneur, pourquoi maltraites-tu ce peuple ? Pourquoi m' as-tu envoyé ?
Eks 5:23 For since I came to Pharaoh to speak in thy name, he hath done evil to this people; neither hast thou delivered thy people at all. Fa hatrizay nankanesako tao amin' i Farao mba hiteny amin' ny anaranao izay, dia nahatonga loza tamin' ity firenena ity izy; nefa tsy namonjy ny olonao akory Hianao. Fa hatrizay nankanesako tany amin' i Faraona hiteny amin' ny anaranao izay, ny vahoaka tsy itondrany roa intsony, nefa hianao tsy nanafaka ny vahoakanao velively akory. Depuis que je suis venu trouver Pharaon et que je lui ai parlé en ton nom, il maltraite ce peuple, et tu ne fais rien pour délivrer ton peuple. "

<-
->