<-
->

Si 33:1 Izay matahotra ny Tompo, tsy mba tongan' ny loza, nefa raha raha zahan-toetra izy, dia vonjen' ny Tompo. Celui qui craint le Seigneur, le mal ne le frappe pas, et même dans l'épreuve, il sera délivré.
Si 33:2 Ny olona hendry, tsy mba mankahala ny lalana, fa izay manao fihatsaram-belatsihy aminy, dia toy ny sambo anatin' ny tafio-drivotra. Celui qui hait la loi n' est pas sage, mais le faux observant est comme un vaisseau dans la tempête.
Si 33:3 Ny olona manan-tsaina, mitoky amin' ny lalana, ary ho azy ny lalana dia mendrika hitokiana toy ny filazan' ny Orima. L' homme sensé met sa confiance dans la loi, la loi est pour lui digne de foi comme un oracle.
Si 33:4 Omany ny teninao, dia hohenoina hianao, angony ny fahalalanao, vao mamaly hianao. Prépare tes discours et tu te feras écouter, rassemble ton savoir avant de répondre.
Si 33:5 Sahala amin' ny kodiaran-tsarety ny fon' ny adala; ary sahala amin' ny lahin-tangerina mihodina ny sainy. Les sentiments du sot sont comme une roue de chariot, son raisonnement comme un essieu qui tourne.
Si 33:6 Ohatra amin' ny sakaiza mifaniratsira, ny lahintsoavaly: izay mitaingina azy rehetra, anenoany avokoa. Un cheval en rut est comme un ami moqueur, dès qu' on veut le monter il hennit.
Si 33:7 Nahoana ny andro iray no mihoatra noho ny andro iray hafa, nefa masoandro iray ihany no ihavian' ny hazavan' ny andro rehetra amin' ny taona? Pourquoi un jour est-il plus grand que l' autre, puisque, toute l' année, la lumière vient du soleil?
Si 33:8 Ny fahendren' ny Tompo no nanisy avakavaka amin' izy ireo; izy no nanendry fotoana samihafa sy fety. C' est qu' ils ont été distingués dans la pensée du Seigneur, qui a diversifié les saisons et les fêtes.
Si 33:9 Ka ny andro dia misy nasandrany sy nohamasininy, ary misy nataony ho anisan' ny andro andavanandro. Il a exalté et consacré les uns et fait des autres des jours ordinaires.
Si 33:10 Toy izany ny olombelona dia avy amin' ny tany avokoa; dia ny tany nanaovana an' i Adama. Tous les hommes viennent du limon, c' est de la terre qu' Adam a été formé.
Si 33:11 Nefa navakavahan' ny Tompo tamim-pahendrena lehibe izy ireo; ary nampandehaniny amin' ny lalana samihafa. Dans sa grande sagesse le Seigneur les a distingués, il a diversifié leurs conditions.
Si 33:12 Ny sasany, nambininy sy nasandrany; ny sasany nohamasininy sy nampanakekeziny azy, ny hafa kosa nozoniny sy naetriny, ary naongany hiala amin' ny fitoerana nipetrahany. Il en a bénit quelques-uns, il en a consacré et les a mis près de lui. Il en a maudit et humilié et les a rejetés de leur place.
Si 33:13 Toy ny tanimanga eo an-tanan' ny mpanefy, ka ataony araka izay itiavany azy; toy izany ny olombelona eo an-tanan' Ilay nanao azy, ka homeny araka izay heviny avy izy ireo. Comme l' argile dans la main du potier, qui la façonne selon son bon plaisir, ainsi les hommes dans la main de leur Créateur qui les rétribue selon sa justice.
Si 33:14 Eo anatrehan' ny ratsy ny tsara; eo anatrehan' ny fahafatesana ny fiainana; toy izany koa ny mpanota dia eo anatrehan' ny marina. Vis-à-vis du mal il y a le bien, vis-à-vis de la mort, la vie. Ainsi, vis-à-vis de l' homme pieux, le pécheur.
Si 33:15 Diniho torak' izany avokoa ny asan' ny Avo Indrindra: mifanindrana tsiroaroa izy, ka ny iray mifanohitra amin' ny iray hafa. Contemple donc toutes les oeuvres du Très-Haut, toutes vont par paires, en vis-à-vis.
Si 33:16 Izaho izay tonga farany, dia nanokana ny fiaretan-toriko ho an' ny fahendrena; tahaka an' izay mitsimpona voaloboka aorian' ny fiotazana azy, fa noho ny fitahian' ny Tompo nandroso any aloha aho ka nameno ny famiazana, hoatry ny mpioty voaloboka. Pour moi, dernier venu, j' ai veillé comme un grappilleur après les vendangeurs.
Si 33:17 Mieke fa tsy miasa ho an' ny tenako samy irery aho, fa ho an' izay rehetra mitady ny fahendrena koa. Par la bénédiction du Seigneur j' arrive le premier et comme le vendangeur j' ai rempli le pressoir.
Si 33:18 Koa mihainoa ahy, hianareo lehiben' ny vahoaka; mampandria sofina amiko hianareo mpitondra fiangonana. Reconnaissez que je n' ai pas travaillé pour moi seul, mais pour tous ceux qui cherchent l' instruction.
Si 33:19 Na zanaka, na vady, na rahalahy, na sakaiza, dia aza misy omenao fahefana aminao, raha mbola velona koa hianao. Ka aza afoy ho an' ny hafa ny harenao, fandrao hianao indray no voatery tsy satry hiambezo aminy. Ecoutez-moi donc, grands du peuple, présidents de l' assemblée, prêtez l' oreille.
Si 33:20 Raha mbola velona sy manam-pofon' aina koa hianao, aza ivarotanao tena, na iza na iza nofo. A ton fils, à ta femme, à ton frère, à ton ami, ne donne pas pouvoir sur toi pendant ta vie. Ne donne pas à un autre tes biens, tu pourrais le regretter et devrais les redemander.
Si 33:21 Satria aleo ny zanakao no mangataka aminao, toy izay hianao no hangata-maso amin' ny tanan' ny zanakao. Tant que tu vis et qu' il te reste un souffle, ne te livre pas au pouvoir de qui que ce soit.
Si 33:22 Amin' izay rehetra ataonao mahareta ho tompony, ary aza asiana takaitrany iray akory ny lazanao. Car il vaut mieux que tes enfants te supplient, plutôt que de tourner vers eux des regards suppliants.
Si 33:23 Rahefa tonga ny fara andro iainanao, sy ny fotoana hahafatesanao, vao zarao amin' ny mpandova ny anananao. En tout ce que tu fais, reste le maître, ne fais pas une tache à ta réputation.
Si 33:24 Ny vilona sy ny tsorakazo ary ny entana no an' ny ampondra, ny hanina sy ny famaizana ary ny asa kosa, an' ny mpanompo. Quand seront consommés les jours de ta vie, à l' heure de la mort, distribue ton héritage.
Si 33:25 Ampiasao ny mpanomponao, dia hanam-pitsaharana hianao, fa raha avelanao hanao izay tiany izy, dia hitady fahafahana. A l'âne le fourrage, le bâton, les fardeaux, au serviteur le pain, le châtiment, le travail.
Si 33:26 Ny jioga aman-koditra no mampilefaka ny hatoka; ny fampijaliana amam-pangirifiriana no an' ny mpanompo ratsy fanahy. Fais travailler ton esclave, tu trouveras le repos; laisse-lui les mains libres, il cherchera la liberté.
Si 33:27 Iraho izy hiasa, mba tsy hipetraka midonana-poana; fa mampiana-dratsy maro ny fidonanaham-poana. Le joug et la bride font plier la nuque, au mauvais serviteur la torture et la question.
Si 33:28 Asaovy manomboka miasa izy, fa izany no tandrifin' azy; ary raha tsy manaiky izy, tereo ny parapaingony. Nefa aza mihoatra ny fetra, na amin' iza na amin' iza; ary aza manao zavatra mifanohitra amin' ny rariny. Mets-le au travail pour qu' il ne reste pas oisif, car l' oisiveté enseigne tous les mauvais tours.
Si 33:29 Raha manam-panompo hianao, dia aoka ho toy ny tenanao izy, fa tamin' ny ra no nahazoanao azy. Mets-le à l' ouvrage comme il lui convient et s' il n' obéit pas mets-le aux fers.
Si 33:30 Raha manam-panompo hianao, ataovy toy ny tenanao no fitondra azy, fa izany no hanintonanao azy, hiraikitra amin' ny fanahinao. Mais ne sois trop exigeant envers personne, ne fais rien de contraire à la justice.
Si 33:31 Raha ratsy fitondra azy hianao, ka mitsoaka mandositra izy, aiza no lalan-kalehanao hitady azy? Tu n' as qu' un esclave? Qu' il soit comme toi-même, puisque tu l' as acquis dans le sang.
Si 33:32 Tu n' as qu' un esclave? Traite-le comme un frère, car tu en as besoin comme de toi-même.
Si 33:33 Si tu le maltraites et qu' il prenne la fuite, sur quel chemin iras-tu le chercher?

<-
->