<-
->

Si 42:1 Aoka ho menatra ny manambara ny zavatra renao hianao, sy ny milaza ny zavatra miafina. Dia hanan-kenatra marina hianao amin' izay, ary hahazo sitraka eo anatrehan' ny olona rehetra. Mais de ce qui suit n' aie pas honte et ne pèche pas en tenant compte des personnes
Si 42:2 Aza menatra amin' ireto zavatra ireto, ary aza resin-kenatra olona, ka manao fahotana: Aza menatra ny lalan' ny Avo Indrindra sy ny fanekeny, ny teny fanamarinana ny mpankahala fivavahana, n' aie pas honte de la loi du Très-Haut ni de l' alliance, du jugement qui rend justice aux impies,
Si 42:3 ny miresaka amin' ny namana sy ny mpandalo, ny manome soa kely ny sakaizanao, de compter avec un compagnon de voyage, de distribuer ton héritage à tes amis,
Si 42:4 ny mampiasa mizàna marina sy vato marina, ny hahazo be na kely, d' examiner les balances et les poids, d' obtenir de petits et de grands profits,
Si 42:5 ny tsy mifidifidy olona amin' ny varotra sy amin' ny mpivarotra, ny mamay mafy ny zanakao, ny mikapoka hatramin' ny manao loa-dra, ny mpanompo ratsy fanahy. de faire du bénéfice en matière commerciale, de corriger sévèrement tes enfants, de meurtrir les flancs de l' esclave vicieux.
Si 42:6 Amin' ny vehivavy ratsy fanahy mety ny fitomboka, ary rahefa misy tana-maro, hidio am-panalahidy ny zavatra. Avec une femme curieuse il est bon d' utiliser le sceau, là où il y a beaucoup de mains, mets les choses sous clef!
Si 42:7 Isao sy lanjao izay atolotrao ny olonao; ary ataovy an-tsoratra izay omenao sy izay raisinao. Pour les dépôts, comptes et poids sont de rigueur, et que tout, doit et avoir, soit mis par écrit.
Si 42:8 Aza menatra ny mananatra ny adala sy ny ketrina, mbamin' ny anti-panahy mifanditra amin' ny zatovo. Dia ho tena vita fianarana tokoa hianao amin' izany, sady hankatoavin' ny olona rehetra. N' aie pas honte de corriger l' insensé et le sot, et le vieillard décrépit qui discute avec des jeunes. Ainsi tu te montreras vraiment instruit et tu seras approuvé de tout le monde.
Si 42:9 Ahiahy takona mahazo ny rainy ny zazavavy, ary tsy ahitany torimaso ny fiahiany azy; raha mipetraka ho mpitovo izy sao hihoatra ny taonan' ny fahatanorany, raha tafakambana amin' ny vadiny, sao hanjary halan-dralehilahy; Sans le savoir une fille cause à son père bien du souci; le tracas qu' elle lui donne l' empêche de dormir jeune, c' est la crainte qu' elle ne tarde à se marier, et, mariée, qu' elle ne soit prise en grippe.
Si 42:10 Mbola virjiny izy, mety ho voakojikojy, ka hanana anaka ao an-tranon-drainy; manambady indray sao hivadika amin' ny lalam-panambadiana; miara-mipetraka aminy izy sao hitoetra ho momba. Vierge, si elle se laissait séduire et devenait enceinte dans la maison paternelle! En puissance de mari, si elle faisait une faute, établie, si elle demeurait stérile!
Si 42:11 Amin' ny zazavavy maditra manaova fitandremana mafy, fandrao hianao ataony fihomehezan' ny fahavalonao, fanoharan' ny ao an-tanana, ambentin-dresaky ny vahoaka, ary alany baraka eo afovoan' ny vahoaka rehetra. Ta fille est indocile? Surveille-la bien, qu' elle n' aille pas faire de toi la risée de tes ennemis, la fable de la ville, l' objet des commérages, et te déshonorer aux yeux de tous.
Si 42:12 Aza ataonao ho zavatra loatra rahefa mety ho olona tsara tarehy, ary aza mipetraka eo amin' ny vehivavy; Devant qui que ce soit ne t' arrête pas à la beauté et ne t' assieds pas avec les femmes.
Si 42:13 fa ny fitafiana no ivoahan' ny kalalao, ary ny vehivavy kosa, ny haratsiam-behivavy. Car du vêtement sort la teigne et de la femme une malice de femme.
Si 42:14 Aleo lehilahy ratsy fanahy toy izay vehivavy mpanejokejo, fa mahasafo-kenatra sy mahafa-baraka ny vehivavy. Mieux vaut la malice d' un homme que la bonté d' une femme une femme cause la honte et les reproches.
Si 42:15 Hotsahiviko izao ny asan' ny Tompo, ary hotoriko izay hitako. Ny tenin' ny Tompo no nahavitana ny asany rehetra. Maintenant je vais rappeler les oeuvres du Seigneur, ce que j' ai vu, je vais le raconter. Par ses paroles le Seigneur a fait ses oeuvres et la création obéit à sa volonté.
Si 42:16 Ny masoandro izay manazava azy ireo dia mibanjina azy rehetra, asan' ny Tompo, feno ny voninahiny izy. Le soleil qui brille regarde toutes choses et l' oeuvre du Seigneur est pleine de sa gloire.
Si 42:17 Ny olo-masiny dia tsy nataon' ny Tompo mahavatra ny mitory ny zava-mahagaga rehetra vitany, izay naorin' ny Tompo tsitoha mafy, mba ho mafy orina izao tontolo izao amin' ny voninahiny. Le Seigneur n' a pas donné pouvoir aux Saints de raconter toutes ses merveilles, ce que le Seigneur, maître de tout, a fermement établi pour que l' univers subsiste dans sa gloire.
Si 42:18 Tsapainy ny halalin' ny ranomasina sy ny fon' ny olombelona; ary fantany ny heviny saro-pantarina indrindra. Fa manana ny fahalalana rehetra ny Tompo; ary hitany ny famantaram-potoana. Il a sondé les profondeurs de l' abîme et du coeur humain et il a découvert leurs calculs. Car le Très-Haut possède toute science, il a regardé les signes des temps.
Si 42:19 Manambara ny lasa sy ny ho avy izy, ary mampiharihary ny dian' ny zava-miafina. Il annonce le passé et l' avenir et dévoile les choses cachées.
Si 42:20 Tsy misy hevitra miafina aminy, tsy misy teny takona azy. Aucune pensée ne lui échappe, aucune parole ne lui est cachée.
Si 42:21 Noravahany ny asa lehiben' ny fahendreny: talohan' ny taona rehetra izy, ary haharitra mandrakizay; tsy nampiana na inona na inona ny tenany, tsy nanesorana na inona na inona, ary tsy nila mpanolo-tsaina na iza na iza izy. Il a disposé dans l' ordre les merveilles de sa sagesse, car il est depuis l'éternité jusqu'à l'éternité sans que rien lui soit ajouté ni ôté, et il n' a besoin du conseil de personne.
Si 42:22 Endrey, ny hatsaran-tarehin' ny asany rehetra! ary izay banjinin' ny olona amin' ireny anefa dia kilalaon' afo fotsiny. Que toutes ses oeuvres sont aimables, comme une étincelle qu' on pourrait contempler.
Si 42:23 Velona daholo ny zavatra rehetra ary maharitra mandrakizay, ho amin' izay rehetra ilàna azy; ary manaiky ny Mpahary ny zavatra rehetra. Tout cela vit et demeure éternellement et en toutes circonstances tout obéit.
Si 42:24 Mikambana tsiroaroa avy izy, ny iray tandrifin' ny iray, ary tsy nisy nataony mankamin' ny faharavana. Toutes les choses vont par deux, en vis-à-vis, et il n' a rien fait de déficient.
Si 42:25 Fa ny anankiray dia antoky ny fahasambaran' ny anankiray: iza no mety ho afa-po amin' ny fijerena ny voninahitry ny Tompo? Une chose souligne l' excellence de l' autre, qui pourrait se lasser de contempler sa gloire?

<-
->