<-
->

Si 7:1 Aza manao ratsy dia tsy hahazo anao ny ratsy. Ne fais pas le mal, et le mal ne sera pas ton maître;
Si 7:2 Alaviro izay tsy an-drariny dia hanalavitra anao ny tsy an-drariny. éloigne-toi de l' injustice et elle s'écartera de toi.
Si 7:3 Anaka, aza mamafy amin' izay nosoritan' ny fahamarinana, raha tsy te-hijinja impito torak' izany hianao. Mon fils, ne sème pas dans les sillons d' injustice de crainte de récolter sept fois plus.
Si 7:4 Aza mangataka ny fanapahana amin' ny Tompo, na fitoeram-boninahitra amin' ny mpanjaka. Ne demande pas au Seigneur la première place, ni au roi un siège glorieux.
Si 7:5 Aza mitady hiseho ho marina eo anatrehan' ny Tompo, na mikendry hiseho ho hendry eo anatrehan' ny mpanjaka. Ne joue pas au juste devant le Seigneur, ni au sage devant le roi.
Si 7:6 Aza maniry ho tonga mpitsara, fandrao tsy ampy hery hamongotra ny tsy rariny hianao; fandrao dia raiki-tahotra eo anoloan' ny manam-pahefana hianao, ka hilainao hariana ny tsy fiangaranao. Ne brigue pas la place de juge si tu n' es pas capable d' extirper l' injustice, de peur de te laisser influencer par un grand, au risque de perdre ta droiture.
Si 7:7 Aza manisy ratsy ny mponina rehetra iray tanàna, ary aza miantoraka eo afovoan' ny vahoaka. Ne te rends pas coupable envers l' assemblée de la ville et ne déchois pas devant le peuple.
Si 7:8 Aza fehezina indroa ny fahotana, fa na amin' iray tsy ho afa-maina tsy akory hianao. Ne te laisse pas entraîner deux fois à pécher, car pour une seule fois tu n'échapperas pas.
Si 7:9 Aza manao hoe: Hodinihin' Andriamanitra ny hamaroan' ny fanatitra, ka rahefa manolotra izany amin' Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia horaisiny. Ne dis pas : "Dieu considérera la multitude de mes offrandes, quand je les présenterai au Dieu Très-Haut il les recevra."
Si 7:10 Aza osa amin' ny fivavahanao; ary aza manao tsirambina amin' ny fanaovam-piantrana. Ne sois pas hésitant dans la prière et ne néglige pas de faire l' aumône.
Si 7:11 Aza mandatsa ny olona ory fo, fa misy iray manetry sady manandratra koa. Ne te gausse pas d' un homme qui est dans la peine, car celui qui l' humilie peut le relever.
Si 7:12 Aza mamoron-dainga hamelezana ny rahalahinao; aza manao izany, hamelezana ny sakaizanao koa. Ne forge pas le mensonge contre ton frère, pas davantage envers un ami.
Si 7:13 Mitandrema mba tsy hilaza lainga iray akory, fa ny lainga sesilany tsy mihodina ho soa. Garde-toi de proférer aucun mensonge, car il ne peut en sortir rien de bon.
Si 7:14 Aza be teny raha miaraka amin' ny anti-panahy, ary aza mamerimberina ny teny fivavahanao. Ne pérore pas dans l' assemblée des vieillards et ne répète pas tes paroles dans la prière.
Si 7:15 Aza mankahala ny asa manasatra; na ny asa tany naorin' ny Avo Indrindra. Ne répugne pas aux besognes pénibles, ni au travail des champs créé par le Très-Haut.
Si 7:16 Aza manao ny tenanao ho isan' ny mpanota maro be indrindra; tsarovinao fa tsy ho ela akory ny famaliana. Ne te range pas au nombre des pécheurs, souviens-toi que la Colère ne saurait tarder.
Si 7:17 Aoka hanetry mafy tokoa ny fanahinao hianao, fa afo aman-kankana no sazin' ny mpankahala fivavahana. Humilie-toi profondément, car le feu et les vers sont le châtiment de l' impie.
Si 7:18 Aza atakalo vola ny sakaiza, na volamenan' i Ofira ny rahalahy. N'échange pas un ami contre de l' argent, ni un vrai frère pour l' or d' Ophir.
Si 7:19 Aza mihodina handao vady manan-tsaina sy tsara fo, fa mihoatra noho ny volamena ny hafinaretana avy aminy. Ne prends pas en grippe une épouse sage et bonne, car sa grâce vaut plus que l' or.
Si 7:20 Aza ratsy fitondra ny mpanompo miasa, mahatoky, na ny mpikarama mahafoy tena hanompo anao. Ne maltraite pas l' esclave qui travaille honnêtement, ni le serviteur qui se dévoue.
Si 7:21 Tiavo ny mpanompo manan-tsaina; aza mandà ny mandefa azy. Aime dans ton coeur l' esclave intelligent, ne lui refuse pas la liberté.
Si 7:22 Manana biby fiompy va hianao, kolokoloy izy, ary raha mahasoa anao, andraso ao aminao. As-tu des troupeaux? Prends-en soin; si tu en tires profit, garde-les.
Si 7:23 Manan-janaka lahy va hianao, ampianaro izy, ary ampanekeo ny zioga izy, hatramin' ny fahazazany. As-tu des enfants? Fais leur éducation et dès l' enfance fais-leur plier l'échine.
Si 7:24 Manan-janaka vavy va hianao, tandremo ny fahadiovany, ary aza manao tarehy mariadriaka aminy hianao. As-tu des filles? Veille sur leur corps, mais montre-leur un visage sévère.
Si 7:25 Ampanambadio ny zanakao vavy dia ho afaka amin' ny raharaha lehibe hianao, ary lehilahy manan-tsaina no omeo azy. Marie ta fille, tu auras accompli une grande chose, mais donne-la à un homme sensé.
Si 7:26 Manam-bady araka ny fonao va hianao, aza misaotra azy, fa aza manolo-tena ho an' ny vehivavy mifanohitra aminao. As-tu une femme selon ton coeur? Ne la répudie pas, mais si tu ne l' aimes pas, ne te fie pas à elle.
Si 7:27 Hajao amin' ny fonao rehetra ny rainao; ary aza manadino ny fijalian-dreninao. De tout ton coeur honore ton père et n' oublie jamais ce qu' a souffert ta mère.
Si 7:28 Tsarovy fa izy ireo no nahatongavanao teto an-tany, ka inona no hamalianao izay nomeny anao? Souviens-toi qu' ils t' ont donné le jour que leur offriras-tu en échange de ce qu' ils ont fait pour toi?
Si 7:29 Matahora ny Tompo amin' ny fonao rehetra, ary omeo voninahitra lehibe ny mpisorony. De toute ton âme crains le Seigneur et révère ses prêtres.
Si 7:30 Tiavo amin' ny herinao rehetra ilay nanao anao, ary aza mahafoy ny mpandraharahany. De toutes tes forces aime celui qui t' a créé et ne délaisse pas ses ministres.
Si 7:31 Matahora ny Tompo, ary manajà ny mpisorona; omeo azy ny anjarany, araka ny voadidy hatramin' ny voalohany, dia ny sorona noho ny ota aman-tsoroka fanomezana, ny fanatitra masina amam-boaloham-bokatra. Crains le Seigneur et honore le prêtre et donne-lui sa part comme il t' est prescrit prémices, sacrifice de réparation, offrande des épaules, sacrifice de sanctification et prémices des choses saintes.
Si 7:32 Atsory amin' ny mahantra koa ny tànanao, mba ho feno ny tsodrano azonao. Au pauvre également fais des largesses, pour que ta bénédiction soit parfaite.
Si 7:33 Omeo amin-tarehy tsimitsimina ny velona na iza na iza, ary aza lavinao tsy hasian-tsoa ny maty. Que ta générosité touche tous les vivants, même aux morts ne refuse pas ta piété.
Si 7:34 Aza diso ny mankeo amin' izay mitomany, ary miaraha ory amin' izay ory. Ne te détourne pas de ceux qui pleurent, afflige-toi avec les affligés.
Si 7:35 Aza hadinoinao ny fitsaboana marary, fa izany asam-pitiavana izany no hitsaran' Andriamanitra anao. Ne crains pas de t' occuper des malades, par de tels actes tu te gagneras l' affection.
Si 7:36 Amin' ny asanao rehetra, tsarovy ny hiafaranao, dia tsy hanota hianao, na oviana na oviana. Dans tout ce que tu fais souviens-toi de ta fin et tu ne pécheras jamais.

<-
->