Toko sy andininy momba Asyria

  Genesis Fiandohana na Genesisy Fiandohana na Jenezy La Genèse
...............
Gen / Jen 2.14 And the name of the third river is Hiddekel: that is it which goeth toward the east of Assyria. And the fourth river is Euphrates. Ary ny anaran' ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mandeha tandrifin' i Asyria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata. Tigra no anaran' ny ony fahatelo; io no mandeha ao atsinanan' i Asora. Ary Eofrata no anaran' ny ony fahefatra. Le troisième fleuve s' appelle le Tigre : il coule à l' orient d' Assur. Le quatrième fleuve est l' Euphrate.
...............
Gen / Jen 10.11 Out of that land went forth Asshur, and builded Nineveh, and the city Rehoboth, and Calah, Ary nivoaka avy tamin' izany tany izany izy ka nankany Asyria, dia nanorina an' i Ninive mbamin' i Rehobot-ira sy Kala Avy ao amin' io tany io izy dia nankany Asora, ka nanorina an' i Niniva, Rekobota-Ira, Kale, De ce pays sortit Ashshur, et il bâtit Ninive, Rehobot-Ir, Kalah,
...............
Gen / Jen 25.18 And they dwelt from Havilah unto Shur, that is before Egypt, as thou goest toward Assyria: and he died in the presence of all his brethren. Ary ny taranany nonina hatrany Havila ka hatrany Sora, izay tandrifin' i Egypta amin' ny lalana mankany Asyria; nifanandrify tamin' ny rahalahiny rehetra no nitoerany. Ny taranany dia nonina hatrany Hevila ka hatrany Sora, tandrifin' i Ejipta tamin' ny làlana mankany Asiria. Nitatra tandrifin' ny rahalahiny rehetra izy. Il habita depuis Havila jusqu'à Shur, qui est à l' est de l'Égypte, en allant vers l' Assyrie. Il s'était établi à la face de tous ses frères.

  2nd Book of Kings 2 Mpanjaka Mpanjaka II 2ème Livre des Rois
...............
2Mp 15.19 And Pul the king of Assyria came against the land: and Menahem gave Pul a thousand talents of silver, that his hand might be with him to confirm the kingdom in his hand. Ary Pola, mpanjakan' i Asyria, dia avy hananika ny tany; ary Menahema nanome an' i Pola talenta volafotsy arivo mba hampitoetra ny fanjakana eo an-tànan' i Menahema. Tongan' i Fola mpanjakan' i Asiria, ny tany, ary nomen' i Manahema talenta volafotsy arivo Fola mba hamonjy azy sy hanamafy ny fanjakana eo an-tanany. Pul, roi d' Assyrie, envahit le pays. Menahem donna à Pul mille talents d' argent pour qu' il le soutînt et qu' il affermît le pouvoir royal entre ses mains.
2Mp 15.20 And Menahem exacted the money of Israel, even of all the mighty men of wealth, of each man fifty shekels of silver, to give to the king of Assyria. So the king of Assyria turned back, and stayed not there in the land. Ary nampandoavin' i Menahema io vola io ny mpanankarena rehetra tamin' ny Isiraely, dia sekely volafotsy dimam-polo avy isan-olona, homeny ny mpanjakan' i Asyria. Ka dia niverina ny mpanjakan' i Asyria, fa tsy nitoetra tao amin' ny tany. Israely, dia ny mpanan-karem-be rehetra, no nampandoavin' i Manahema izany vola izany, dimampolo sikla avy, homeny ny mpanjakan' i Asiria. Ka dia niverina ny mpanjakan' i Asiria, fa tsy niato teo amin' ny tany. Menahem préleva cette somme sur Israël, sur tous les notables, pour la donner au roi d' Assyrie, à raison de 50 sicles d' argent par tête. Alors le roi d' Assyrie s' en retourna et ne resta pas là, dans le pays.
...............
2Mp 15.29 In the days of Pekah king of Israel came Tiglathpileser king of Assyria, and took Ijon, and Abelbethmaachah, and Janoah, and Kedesh, and Hazor, and Gilead, and Galilee, all the land of Naphtali, and carried them captive to Assyria. Tamin' ny andron' i Peka, mpanjakan' ny Isiraely, dia tonga Tiglato-pilesera, mpanjakan' i Asyria, ka nahafaka an' Iona sy Abela-beti-maka sy Janoa sy Kadesy sy Hazora sy Gileada ary Galilia, dia ny tanin' ny Naftaly rehetra, ary nitondra ny olona ho babo tany Asyria izy. Tamin' ny andron' i Fasea mpanjakan' Israely no nahatongavan' i Teglathfalasara mpanjakan' i Asiria sy nahazoan' io an' i Ajona, Abela-Beta-Makaa, Janoe, Kedesa, Asora, Galaada ary Galileas, dia ny tanin' i Neftalì rehetra, sady nentiny ho babo tany Asiria koa ny mponina. Au temps de Péqah, roi d' Israël, Téglat-Phalasar, roi d' Assyrie, vint s' emparer de Iyyôn, d' Abel-Bet-Maaka, de Yanoah, de Qédesh, de Haçor, de Galaad, de la Galilée, tout le pays de Nephtali, et il déporta les habitants en Assyrie.
...............
2Mp 16.7 So Ahaz sent messengers to Tiglathpileser king of Assyria, saying, I am thy servant and thy son: come up, and save me out of the hand of the king of Syria, and out of the hand of the king of Israel, which rise up against me. Ary Ahaza naniraka olona ho any amin' i Tiglato-pilesera, mpanjakan' i Asyria, hanao hoe: Mpanomponao sy zanakao aho; miakara, ka vonjeo aho tsy ho azon' ny mpanjakan' i Syria sy ny mpanjakan' ny Isiraely, izay efa mitsangana hiady amiko. Nandefa iraka tany amin' i Teglathfalasara mpanjakan' i Asiria, Akaza nanao hoe: Mpanomponao sy zanakao aho, ka miakara hanafaka ahy amin' ny tanan' ny mpanjakan' Israely, fa nitsangan-kamely ahy izy ireo. Alors Achaz envoya des messagers à Téglat-Phalasar, roi d' Assyrie, pour lui dire : "Je suis ton serviteur et ton fils! Viens me délivrer des mains du roi d' Aram et du roi d' Israël, qui se sont levés contre moi."
2Mp 16.8 And Ahaz took the silver and gold that was found in the house of the Lord, and in the treasures of the king' s house, and sent it for a present to the king of Assyria. Ary nalain' i Ahaza ny volafotsy sy ny volamena izay hita tao an-tranon' i Jehovah sy tao amin' ny rakitry ny tranon' ny mpanjaka, dia nampanateriny ho fanomezana ho an' ny mpanjakan' i Asyria. Ary nalain' i Akaza ny volafotsy sy volamena hita tao an-tranon' ny Tompo, sy tao amin' ny rakitry ny tranon' ny mpanjaka, nampitondrainy ho fanomezana ny mpanjakan' i Asiria. Achaz prit l' argent et l' or qu' on trouva dans le Temple de Yahvé et dans les trésors du palais royal et envoya le tout en présent au roi d' Assyrie.
2Mp 16.9 And the king of Assyria hearkened unto him: for the king of Assyria went up against Damascus, and took it, and carried the people of it captive to Kir, and slew Rezin. Dia nanaiky ny teniny ny mpanjakan' i Asyria ka niakatra hamely an' i Damaskosy ary nahafaka azy; dia nentiny ho any Kira ny olona nobaboiny, fa Rezina kosa novonoiny. Nohenoin' ny mpanjakan' i Asiria izy, ka niakatra namely an' i Damasa ny mpanjakan' i Asiria; ary nony azony, nentiny ho babo ho any Kira ny mponina, ary novonoiny ho faty Rasina. Le roi d' Assyrie l' exauça, il monta contre Damas et s' en empara; il déporta les habitants à Qir et fit mourir Raçôn.
2Mp 16.10 And king Ahaz went to Damascus to meet Tiglathpileser king of Assyria, and saw an altar that was at Damascus: and king Ahaz sent to Urijah the priest the fashion of the altar, and the pattern of it, according to all the workmanship thereof. Ary nandeha Ahaza mpanjaka hitsena an' i Tiglato-pilesera, mpanjakan' i Asyria, any Damaskosy; ary nony nahita ny alitara tao Damaskosy izy, dia nampitondra ny mariky ny alitara sy ny sariny araka ny fombany rehetra ho any amin' i Oria mpisorona. Nankany Damasa Akaza mpanjaka hitsena an' i Teglathfalasara mpanjakan' i Asiria. Nony nahita ity otely tao Damasa Akaza mpanjaka, dia nampitondra ny modelin' ny otely sy ny toetr' endriny araka izay nahavitana azy manontolo ho an' i Oriasa mpisorona. Le roi Achaz alla à Damas pour rencontrer Téglat-Phalasar, roi d' Assyrie, et il vit l' autel qui était à Damas. Alors le roi Achaz envoya au prêtre Uriyya l' image de l' autel et son modèle, avec le détail de sa structure.
...............
2Mp 16.18 And the covert for the sabbath that they had built in the house, and the king' s entry without, turned he from the house of the Lord for the king of Assyria. Ary ny Fialofana tamin' ny Sabata, izay natao teo akaikin' ny trano, sy ny fidirana ivelany izay an' ny mpanjaka, dia nafindrany ho ao an-tranon' i Jehovah noho ny tahony ny mpanjakan' i Asyria. ary nafindrany toerana tao an-tranon' ny Tompo ny trano hevan-tsabata naorina tao amin' ny trano, mbamin' ny fidiran' ny mpanjaka teo ivelany, noho ny henany ny mpanjakan' i Asiria. En considération du roi d' Assyrie, il supprima du Temple de Yahvé l' estrade du trône, qu' on y avait construite, et l' entrée extérieure du roi.
...............
2Mp 17.3 Against him came up Shalmaneser king of Assyria; and Hoshea became his servant, and gave him presents. Niakatra hanafika azy Salmanesera, mpanjakan' i Asyria, ka dia tonga mpanompony nandoa hetra ho azy Hosea. Niakaran' i Salmanasara mpanjakan' i Asiria notafihina Osea, ka tonga mpanompon' io nandoa hetra ho azy izy. Salmanasar, roi d' Assyrie, monta contre Osée, qui se soumit à lui et lui paya tribut.
2Mp 17.4 And the king of Assyria found conspiracy in Hoshea: for he had sent messengers to So king of Egypt, and brought no present to the king of Assyria, as he had done year by year: therefore the king of Assyria shut him up, and bound him in prison. Ary ny mpanjakan' i Asyria nahita fa niodina Hosea; fa efa naniraka olona tany amin' i So, mpanjakan' i Egypta, izy sady tsy nanatitra hetra ho an' ny mpanjakan' i Asyria intsony tahaka ny fanaony isan-taona; koa dia nanidy azy ny mpanjakan' i Asyria sy namatotra azy tao an-trano-maizina. Vaky tamin' ny mpanjakan' i Asiria ho nanao teti-dratsy anefa Osea fa naniraka olona tany amin' i Soa, mpanjakan' i Ejipta, sady tsy nandoa hetra intsony ho an' ny mpanjakan' i Asiria, isan-taona, ka nasain' ny mpanjakan' i Asiria nosamborina sy nogadraina, dia nalatsaka an-tranomaizina. Mais le roi d' Assyrie découvrit qu' Osée le trahissait celui-ci avait envoyé des messagers à Saïs, vers le roi d' Egypte, et il n' avait pas livré le tribut au roi d' Assyrie, comme chaque année. Alors le roi d' Assyrie le fit mettre en prison, chargé de chaînes.
2Mp 17.5 Then the king of Assyria came up throughout all the land, and went up to Samaria, and besieged it three years. Dia niakatra ny mpanjakan' i Asyria ka nanenika ny tany; ary niakatra tany Samaria izy ka nanao fahirano azy telo taona. Notetezin' ny mpanjakan' i Asiria avokoa ny tany, dia niakatra hamely an' i Samaria izy, ka nanao fahirano azy telo taona. Le roi d' Assyrie envahit tout le pays et vint assiéger Samarie, pendant trois ans.
2Mp 17.6 In the ninth year of Hoshea the king of Assyria took Samaria, and carried Israel away into Assyria, and placed them in Halah and in Habor by the river of Gozan, and in the cities of the Medes. Ary tamin' ny taona fahasivy nanjakan' i Hosea no nahafahan' ny mpanjakan' i Asyria an' i Samaria, dia nentiny ho babo tany Asyria ny Isiraely ka namponeniny tao Hala sy teo amoron' i Habora (dia ny onin' i Gozana izany) ary teny amin' ny tanànan' ny Mediana. Nony tamin' ny taona fahasivy nanjakan' i Osea dia azon' ny mpanjakan' i Asiria Samaria, ka nentiny ho babo tany Asiria Israely namponeniny tany Hala, teo amoron' i Habora, ony any Gosana, ary teny amin' ny tanànan' ny Meda. En la neuvième année d' Osée, le roi d' Assyrie prit Samarie et déporta les Israélites en Assyrie. Il les établit à Halah et sur le Habor, fleuve de Gozân, et dans les villes des Mèdes.
...............
2Mp 17.23 Until the Lord removed Israel out of his sight, as he had said by all his servants the prophets. So was Israel carried away out of their own land to Assyria unto this day. Mandra-panaisotr' i Jehovah ny Isiraely tsy ho eo anatrehany, araka izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony rehetra. Ka dia lasan-ko babo niala tamin' ny taniny ho any Asyria ny Isiraely ka mbola any mandraka androany. mandra-pandroak' Iaveh azy lavitra ny tavany, araka izay voalazany tamin' ny alalan' ny mpaminany mpanompony rehetra, ka dia lasan-ko babo any Asiria lavitry ny taniny Israely mandrak' androany. tant qu' enfin Yahvé écarta Israël de sa face, comme il l' avait annoncé par le ministère de ses serviteurs, les prophètes; il déporta les Israélites loin de leur pays en Assyrie, où ils sont encore aujourd' hui.
2Mp 17.24 And the king of Assyria brought men from Babylon, and from Cuthah, and from Ava, and from Hamath, and from Sepharvaim, and placed them in the cities of Samaria instead of the children of Israel: and they possessed Samaria, and dwelt in the cities thereof. Ary ny mpanjakan' i Asyria nitondra olona avy tany Babylona sy Kota sy Ava sy Hamata sy Sefarvaima ka namponina azy teny amin' ny tanànan' i Samaria nisolo ny Zanak' Isiraely; dia nahazo an' i Samaria ireny ka nitoetra teny amin' ny tanànany. Olona nasain' ny mpanjakan' i Asiria ho avy any Babilona sy any Kota sy any Avah, sy any Emata, ary any Sefarvaima no namponeniny tany amin' ny tanànan' i Samaria, hisolo ny zanak' Israely, ka dia ireny no nahazo an' i Samaria, sy nonina tamin' ny tanànany. Le roi d' Assyrie fit venir des gens de Babylone, de Kuta, de Avva, de Hamat et de Sepharvayim et les établit dans les villes de la Samarie à la place des Israélites; ils prirent possession de la Samarie et demeurèrent dans ses villes.
...............
2Mp 17.26 Wherefore they spake to the king of Assyria, saying, The nations which thou hast removed, and placed in the cities of Samaria, know not the manner of the God of the land: therefore he hath sent lions among them, and, behold, they slay them, because they know not the manner of the God of the land. Dia hoy ny olona tamin' ny mpanjakan' i Asyria: Ny firenena izay nafindranao sy namponeninao eny amin' ny tanànan' i Samaria tsy mahalala izay tokony hatao amin' ny Andriamanitry ny tany any, ka dia nampandeha ny liona hamely azy Izy; ary, indro, nahafatesan' ireny izy noho ny tsi-fahalalany ny fanaon' ny Andriamanitry ny tany. Ary nisy nanao filazana tamin' ny mpanjakan' i Asiria nanao hoe: Tsy mahalala ny fomba fanompoana ny andriamanitry ny tany any ireo firenena nataonao sesi-tany sy namponeninao any amin' ny tanànan' i Samaria, ka nandefasany liona; ka indro fa namono azy ireo, satria tsy mahalala ny fomba fanompoana ny andriamanitry ny tany. Ils dirent au roi d' Assyrie : "Les nations que tu as déportées pour les établir dans les villes de la Samarie ne connaissent pas le rite du dieu du pays, et il a envoyé contre elles des lions. Ceux-ci les font mourir parce qu' elles ne connaissent pas le rite du dieu du pays."
2Mp 17.27 Then the king of Assyria commanded, saying, Carry thither one of the priests whom ye brought from thence; and let them go and dwell there, and let him teach them the manner of the God of the land. Ary ny mpanjakan' i Asyria nandidy hoe: Iraho ho any ny anankiray amin' ny mpisorona izay nentinareo ho babo avy tany, ary aoka handeha izy ka hitoetra any, dia aoka hampianatra azy izay tokony hatao amin' ny Andriamanitry ny tany any izy. Ka dia izao no didy nomen' ny mpanjakan' i Asiria: Maniraha mpisorona anankiray amin' ireo nentinareo ho babo avy any, dia izay no aoka handeha honina any, hampianatra azy ireo ny fomba fanompo ny andriamanitry ny tany any. Alors le roi d' Assyrie donna cet ordre : "Qu' on fasse partir là-bas l' un des prêtres que j' en ai déportés, qu' il aille s' y établir et qu' il leur enseigne le rite du dieu du pays."
...............
2Mp 18.7 And the Lord was with him; and he prospered whithersoever he went forth: and he rebelled against the king of Assyria, and served him not. Ary Jehovah nomba azy, ka dia nambinina tamin' izay nalehany rehetra izy; ary niodina tamin' ny mpanjakan' i Asyria izy ka tsy nanompo azy. Dia nomban' ny Tompo izy, ka nahomby tamin' izay rehetra nataony. Niodina tamin' ny mpanjakan' i Asiria izy, dia afaka tsy nanompo an' io intsony. Aussi Yahvé fut-il avec lui et il réussit dans toutes ses entreprises. Il se révolta contre le roi d' Assyrie et ne lui fut plus soumis.
...............
2Mp 18.9 And it came to pass in the fourth year of king Hezekiah, which was the seventh year of Hoshea son of Elah king of Israel, that Shalmaneser king of Assyria came up against Samaria, and besieged it. Ary tamin' ny taona fahefatra nanjakan' i Hezekia mpanjaka (dia ny taona fahafito nanjakan' i Hosea, zanak' i Elaha, mpanjakan' ny Isiraely, izany) no niakaran' i Salmanesera mpanjakan' i Asyria, hamely an' i Samaria sy nanaovany fahirano azy. Tamin' ny taona fahefatra nanjakan' i Ezekiasa mpanjaka, izay taona fahafito nanjakan' i Osea, zanak' i Elà, mpanjakan' Israely, no niakaran' i Salmanasara mpanjakan' i Asiria hamely an' i Samaria sy nanaovany fahirano azy. En la quatrième année d' Ezéchias, qui était la septième année d' Osée fils d' Ela, roi d' Israël, Salmanasar, roi d' Assyrie, attaqua Samarie et y mit le siège.
...............
2Mp 18.11 And the king of Assyria did carry away Israel unto Assyria, and put them in Halah and in Habor by the river of Gozan, and in the cities of the Medes: Ary ny mpanjakan' i Asyria nitondra ny Isiraely ho babo tany Asyria ka nametraka azy tao Hala sy teo amoron' i Habora, onin' i Gozana, ary teny amin' ny tanànan' ny Mediana, Dia nentin' ny mpanjakan' i Asiria ho babo tany Asiria Israely, ka namponeniny tao Halà, teo amoron' i Habora, onin' i Gosana, ary teny amin' ny tanànan' ny Meda, Le roi d' Assyrie déporta les Israélites en Assyrie et les installa à Halah et sur le Habor, fleuve de Gozân, et dans les villes des Mèdes.
...............
2Mp 18.13 Now in the fourteenth year of king Hezekiah did Sennacherib king of Assyria come up against all the fenced cities of Judah, and took them. Ary tamin' ny taona fahefatra ambin' ny folo nanjakan' i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan' i Asyria, hamely ny tanàna mimànda rehetra any Joda ka nahafaka azy. Tamin' ny taona fahefatra ambin' ny folo nanjakan' i Ezekiasa, dia niakatra hamely ny tanàna mimanda rehetra any Jodà, Senakeriba mpanjakan' i Asiria, ka nahafaka an' ireny. En la quatorzième année du roi Ezéchias, Sennachérib, roi d' Assyrie, monta contre toutes les villes fortes de Juda et s' en empara.
2Mp 18.14 And Hezekiah king of Judah sent to the king of Assyria to Lachish, saying, I have offended; return from me: that which thou puttest on me will I bear. And the king of Assyria appointed unto Hezekiah king of Judah three hundred talents of silver and thirty talents of gold. Ary Hezekia, mpanjakan' ny Joda, naniraka tany amin' ny mpanjakan' i Asyria tany Lakisy nanao hoe: Efa diso aho, ialao aho, fa izay hampitondrainao ahy dia ho entiko. Ary ny mpanjakan' i Asyria nampandoa an' i Hezekia, mpanjakan' ny Joda, talenta volafotsy telon-jato sy talenta volamena telo-polo. Ary Ezekiasa mpanjakan' i Jodà, naniraka hilaza amin' ny mpanjakan' i Asiria tany Lakisa hoe: Efa diso aho, fa mialà amiko hianao, dia hoentiko izay hampitondrainao ahy. Dia talenta volafotsy telon-jato sy talenta volamena telopolo no nasain' ny mpanjakan' i Asiria naloan' i Ezekiasa mpanjakan' i Jodà. Alors Ezéchias, roi de Juda, envoya ce message au roi d' Assyrie, à Lakish : "J' ai mal agi! Détourne de moi tes coups. Je me plierai à ce que tu m' imposeras." Le roi d' Assyrie exigea d' Ezéchias, roi de Juda, 300 talents d' argent et 30
...............
2Mp 18.16 At that time did Hezekiah cut off the gold from the doors of the temple of the Lord, and from the pillars which Hezekiah king of Judah had overlaid, and gave it to the king of Assyria. Tamin' izany andro izany no nanendahan' i Hezekia ny volamena tamin' ny varavaran' ny tempolin' i Jehovah sy tamin' ny tolana, dia ilay efa napetak' i Hezekia, mpanjakan' ny Joda; ary dia nomeny ho an' ny mpanjakan' i Asyria izany. Tamin' izany andro izany, novakin' i Ezekiasa mpanjakan' i Jodà ny varavarana aman-tolam-baravaran' ny tempolin' ny Tompo, izay efa nopetahan' i Ezekiasa mpanjakan' i Jodà takela-bolamena, ary nomeny ny mpanjakan' i Asiria ny volamena. C' est alors qu' Ezéchias fit sauter le revêtement des battants et des montants des portes du sanctuaire de Yahvé, que..., roi de Juda, avait plaqués de métal, et le livra au roi d' Assyrie.
2Mp 18.17 And the king of Assyria sent Tartan and Rabsaris and Rabshakeh from Lachish to king Hezekiah with a great host against Jerusalem. And they went up and came to Jerusalem. And when they were come up, they came and stood by the conduit of the upper pool, which is in the highway of the fuller' s field. Ary ny mpanjakan' i Asyria naniraka an' i Tartana sy Raba-sarisa ary Rabsake mbamin' ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin' i Hezekia mpanjaka. Dia niakatra ireny ka tonga tany Jerosalema; ary nony tonga teo izy, dia nitsangana teo anilan' ny lakan-drano amin' ny kamory ambony, teo an-dalambe mankamin' ny sahan' ny mpamotsy lamba. Ary ny mpanjakan' i Asiria naniraka ny jeneraliny ambony indrindra sy ny lehiben' ny eonoka, ny komandy mpandroso divay, mbamin' ny miaramila maro koa, avy any Lakisa, ho any amin' i Ezekiasa mpanjaka, any Jerosalema. Dia niakatra izy ireo, ka tonga tany Jerosalema. Nony tonga tao izy, dia nijanona teo anilan' ny lakan-dranon' ny farihy ambony, amin' ny làlana mankamin' ny sahan' ny Mpamotsy lamba, De Lakish, le roi d' Assyrie envoya vers le roi Ezéchias à Jérusalem le grand échanson avec un important corps de troupes. Il monta donc à Jérusalem et, étant arrivé, il se posta près du canal de la piscine supérieure, qui est sur le chemin du champ du Foulon.
...............
2Mp 18.19 And Rabshakeh said unto them, Speak ye now to Hezekiah, Thus saith the great king, the king of Assyria, What confidence is this wherein thou trustest? Dia hoy Rabsake tamin' ireo: Andeha, lazao amin' i Hezekia hoe: Izao no lazain' ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan' i Asyria: Inona izato itokianao? Dia hoy ilay komandy mpandroso divay tamin' izy ireo: Lazao amin' i Ezekiasa hoe: Izao no lazain' ny mpanjaka lehibe, mpanjakan' i Asiria: Inona izato toky ihanteheranao? Le grand échanson leur dit : "Dites à Ezéchias : Ainsi parle le grand roi, le roi d' Assyrie. Quelle est cette confiance sur laquelle tu te reposes?
...............
2Mp 18.23 Now therefore, I pray thee, give pledges to my lord the king of Assyria, and I will deliver thee two thousand horses, if thou be able on thy part to set riders upon them. Koa aoka hifaninana ianao sy ny tompoko, mpanjakan' i Asyria, fa homeko soavaly roa arivo ianao, raha tàhiny manana olona hitaingina azy. Koa ankehitriny aoka hanao fanekena amin' ny tompoko mpanjakan' i Asiria hianao, dia homeko soavaly roa arivo, raha mahita mpitaingin-tsoavaly hitaingina izany! Hataonao ahoana moa no fanohitra ny lehibe anankiray amin' ny mpanompon' ny tompoko, na dia izay kely indrindra aza? Eh bien! fais un pari avec Monseigneur le roi d' Assyrie : je te donnerai 2.000 chevaux si tu peux trouver des cavaliers pour les monter!
...............
2Mp 18.28 Then Rabshakeh stood and cried with a loud voice in the Jews' language, and spake, saying, Hear the word of the great king, the king of Assyria: Dia nijoro teo Rabsake ka niantso tamin' ny feo mahery tamin' ny teny Jiosy hoe: Henoy ny tenin' ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan' i Asyria: Tamin' izay dia nandroso ny mpandroso divay ambony indrindra, ka niantso tamin' ny feo avo tamin' ny fiteny jodaìka dia nanao izao teny izao hoe: Henoinareo ny tenin' ny mpanjaka lehibe, mpanjakan' i Asiria! Alors le grand échanson se tint debout, il cria d' une voix forte, en langue judéenne, et prononça ces mots : "Ecoutez la parole du grand roi, le roi d' Assyrie.
...............
2Mp 18.30 Neither let Hezekiah make you trust in the Lord, saying, The Lord will surely deliver us, and this city shall not be delivered into the hand of the king of Assyria. Ary aza mety hampahatokin' i Hezetia an' i Jehovah ianareo amin' ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika tokoa; ary tsy hatolotra eo an-tànan' ny mpanjakan' i Asyria tsy akory ity tanàna ity. Aza manaiky hampatokin' i Ezekiasa an' ny Tompo hianareo, saingy ilazany hoe: Tsy maintsy hovonjen' ny Tompo tokoa isika, ka tsy hatolotra eo an-tanan' ny mpanjakan' i Asiria ity tanàna ity. Qu' Ezéchias n' entretienne pas votre confiance en Yahvé en disant : Sûrement Yahvé nous délivrera, cette ville ne tombera pas entre les mains du roi d' Assyrie.
2Mp 18.31 Hearken not to Hezekiah: for thus saith the king of Assyria, Make an agreement with me by a present, and come out to me, and then eat ye every man of his own vine, and every one of his fig tree, and drink ye every one the waters of his cistern: Aza mihaino an' i Hezekia; fa izao no lazain' ny mpanjakan' i Asyria: Manaova fanekena amiko hiadanana, ka mankanesa atý amiko, ary samia homana ny voalobony sy ny aviaviny, ary samia misotro ny rano avy amin' ny lavaka famorian-dranony avy ianareo, Aza mihaino an' i Ezekiasa fa izao no lazain' ny mpanjakan' i Asiria: Manaova fanekem-pihavanana amiko ka maneke ahy hianareo, dia samy hihinana ny voaloboka aman' aviavinareo, samy hisotro ny rano ao am-pantsakanareo, N'écoutez pas Ezéchias, car ainsi parle le roi d' Assyrie Faites la paix avec moi, rendez-vous à moi et chacun de vous mangera le fruit de sa vigne et de son figuier, chacun boira l' eau de sa citerne,
...............
2Mp 18.33 Hath any of the gods of the nations delivered at all his land out of the hand of the king of Assyria? Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin' ny mpanjakan' i Asyria va ireo andriamanitry ny firenena? Moa ny andriamanitry ny firenena, samy nahavonjy ny taniny avy, tamin' ny tanan' ny mpanjakan' i Asiria va? Les dieux des nations ont-ils vraiment délivré chacun leur pays des mains du roi d' Assyrie?
...............
2Mp 19.4 It may be the Lord thy God will hear all the words of Rabshakeh, whom the king of Assyria his master hath sent to reproach the living God; and will reprove the words which the Lord thy God hath heard: wherefore lift up thy prayer for the remnant that are left. Angamba ho ren' i Jehovah Andriamanitrao ny teny rehetra nataon-dRabsake, izay nirahin' ny mpanjakan' i Asyria tompony hihaika an' Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teniny izay efa ren' i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny vavakao hamonjy izay mbola sisa. Angamba ho ren' ny Tompo Andriamanitrao ny teny rehetra nolazain' ny mpandroso divay ambony indrindra, izay nirahin' ny mpanjakan' i Asiria tompony, haniratsira an' Andriamanitra velona, ka iny dia ho faiziny noho ny teniny efa ren' ny Tompo Andriamanitrao. Ka ny fivavahana no asondroty hamonjy izay mbola sisa. Puisse Yahvé, ton Dieu, entendre les paroles du grand échanson, que le roi d' Assyrie, son maître, a envoyé insulter le Dieu vivant, et puisse Yahvé, ton Dieu, punir les paroles qu' il a entendues! Adresse une prière en faveur du reste qui subsiste encore."
...............
2Mp 19.6 And Isaiah said unto them, Thus shall ye say to your master, Thus saith the Lord, Be not afraid of the words which thou hast heard, with which the servants of the king of Assyria have blasphemed me. Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin' ny tomponareo hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan' iretsy ankizilahin' ny mpanjakan' i Asyria iretsy Ahy. ka hoy Izaia tamin' izy ireo: Izao no holazainao amin' ny tomponareo, izao no lazain' ny Tompo: Aza mivadi-po amin' ny teny efa renao sy naniratsiran' ny mpanompon' ny mpanjakan' i Asiria ahy, celui-ci leur dit : "Vous direz à votre maître : Ainsi parle Yahvé. N' aie pas peur des paroles que tu as entendues, des blasphèmes que les valets du roi d' Assyrie ont lancés contre moi.
...............
2Mp 19.8 So Rabshakeh returned, and found the king of Assyria warring against Libnah: for he had heard that he was departed from Lachish. Dia niverina Rabsake ka nankany Libna, izay nataon' ny mpanjakan' i Asyria fahirano tamin' izay, satria efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka. Dia lasa niverina ny mpandroso divay ambony indrindra ka nihaona tamin' ny mpanjakan' i Asiria niady tany Lobna, fa efa reny ny nialan' ny tompony avy tao Lakisa. Le grand échanson s' en retourna et retrouva le roi d' Assyrie en train de combattre contre Libna. Le grand échanson avait appris en effet que le roi avait décampé de Lakish,
2Mp 19.9 And when he heard say of Tirhakah king of Ethiopia, Behold, he is come out to fight against thee: he sent messengers again unto Hezekiah, saying, Ary nony ren' i Sankeriba ny amin' i Tiraka, mpanjakan' i Etiopia, nanao hoe: Indro, avy hiady aminao izy, dia naniraka olona indray ho any amin' i Hezekia izy nanao hoe: Nisy vaovao ren' ny mpanjakan' i Asiria ny amin' i Taraka, mpanjakan' i Etiopia, dia nolazaina taminy fa hoe: Indro niainga hiady aminao izy. Ary nandefa iraka ho any amin' i Ezekiasa indray izy nanao hoe: car il avait reçu cette nouvelle au sujet de Tirhaqa, roi de Kush : "Voici qu' il est parti en guerre contre toi." De nouveau, Sennachérib envoya des messagers à Ezéchias pour lui dire
2Mp 19.10 Thus shall ye speak to Hezekiah king of Judah, saying, Let not thy God in whom thou trustest deceive thee, saying, Jerusalem shall not be delivered into the hand of the king of Assyria. Izao no holazainareo amin' i Hezekia, mpanjakan' ny Joda: Aza mety hofitahin' ny Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan' ny mpanjakan' i Asyria. Izao no lazaonareo amin' i Ezekiasa mpanjakan' i Jodà: Aza mety harebirebin' ny Andriamanitrao izay itokianao hianao, saingy ilazany hoe: Tsy hatolotra eo an-tanan' ny mpanjakan' i Asiria Jerosalema. "Vous parlerez ainsi à Ezéchias, roi de Juda : Que ton Dieu en qui tu te confies, ne t' abuse pas en disant : Jérusalem ne sera pas livrée aux mains du roi d' Assyrie!
2Mp 19.11 Behold, thou hast heard what the kings of Assyria have done to all lands, by destroying them utterly: and shalt thou be delivered? Indro, ianao efa nandre izay nataon' ireo mpanjakan' i Asyria tamin' ny tany rehetra, dia ny nandravany azy; ka ianao kosa va no ho voavonjy? Indro efa renao ihany ny nataon' ireo mpanjakan' i Asiria tamin' ny tany rehetra, tamin' ny nanaovany anatema azy ka hianao indray ve no ho voavonjy? Tu as appris ce que les rois d' Assyrie ont fait à tous les pays, les vouant à l' anathème, et toi, tu serais délivré!
...............
2Mp 19.17 Of a truth, Lord, the kings of Assyria have destroyed the nations and their lands, Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan' i Asyria dia efa nandrava ny jentilisa sy ny taniny Marina tokoa, ry Iaveh ô, fa ny mpanjakan' i Asiria dia nandrava ny firenena, namoana ny taniny, Il est vrai, Yahvé, les rois d' Assyrie ont exterminé les nations,
...............
2Mp 19.20 Then Isaiah the son of Amoz sent to Hezekiah, saying, Thus saith the Lord God of Israel, That which thou hast prayed to me against Sennacherib king of Assyria I have heard. Ary Isaia, zanak' i Amoza, dia naniraka hankany amin' i Hezekia, nanao hoe: Izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin' i Sankeriba, mpanjakan' i Asyria, dia efa nohenoiko. Dia naniraka tany amin' i Ezekiasa Izaia zanak' i Amosa hilaza hoe: Izao no lazain' ny Tompo Andriamanitr' Israely: Nohenoiko ny vavaka nataonao tamiko, ny amin' i Senakeriba mpanjakan' i Asiria. Alors Isaïe, fils d' Amoç, envoya dire à Ezéchias : "Ainsi parle Yahvé, Dieu d' Israël. J' ai entendu la prière que tu m' as adressée au sujet de Sennachérib, roi d' Assyrie.
...............
2Mp 19.32 Therefore thus saith the Lord concerning the king of Assyria, He shall not come into this city, nor shoot an arrow there, nor come before it with shield, nor cast a bank against it. Koa izao no lazain' i Jehovah ny amin' ny mpanjakan' i Asyria: Tsy ho tafiditra amin' ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany ity. Koa noho izany dia izao no lazain' ny Tompo, ny amin' ny mpanjakan' i Asiria: Tsy ho tafiditra amin' ity tanana ity izy, na handefa zana-tsipìka aminy, na hanandratra ampinga tandrify azy, na hanorina fiarovana hamelezana azy; Voici donc ce que dit Yahvé sur le roi d' Assyrie Il n' entrera pas dans cette ville, il n' y lancera pas de flèche, il ne tendra pas de bouclier contre elle, il n' y entassera pas de remblai.
...............
2Mp 19.36 So Sennacherib king of Assyria departed, and went and returned, and dwelt at Nineveh. Dia niainga Sankeriba, mpanjakan' i Asyria, ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive. Dia noravan' i Senakeriba mpanjakan' i Asiria ny toby, ka lasa izy niverina dia nitoetra tany Niniva. Sennachérib roi d' Assyrie leva le camp et partit. Il s' en retourna et resta à Ninive.
...............
2Mp 20.6 And I will add unto thy days fifteen years; and I will deliver thee and this city out of the hand of the king of Assyria; and I will defend this city for mine own sake, and for my servant David' s sake. Ary hampiako dimy ambin' ny folo taona ny andronao; sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin' ny tanan' ny mpanjakan' i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho noho ny amin' ny tenako sy Davida mpanompoko. hampiako dimy ambin' ny folo taona ny andronao. Hovonjeko amin' ny tanan' ny mpanjakan' i Asiria hianao sy ity tanàna ity, hiaro ity tanàna ity aho, noho ny amin' ny tenako sy noho ny amin' i Davida mpanompoko. J' ajouterai quinze années à ta vie, je te délivrerai, toi et cette ville, de la main du roi d' Assyrie, je protégerai cette ville à cause de moi et de mon serviteur David."
...............
2Mp 23.29 In his days Pharaohnechoh king of Egypt went up against the king of Assyria to the river Euphrates: and king Josiah went against him; and he slew him at Megiddo, when he had seen him. Tamin' ny andro nanjakan' i Josia no niakaran' i Farao-neko, mpanjakan' i Egypta, hankany amoron' ny ony Eofrata hiady amin' ny mpanjakan' i Asyria; ary Josia mpanjaka dia nandeha hiady amin' i Farao. Kanjo nony hitany, dia matiny tao Megido izy. Tamin' ny androny, niakatra hamely ny mpanjakan' i Asiria any amin' ny ony Elfrata, Faraona-Nekao mpanjakan' i Ejipta, ary nandeha hanehatra azy Josiasa mpanjaka. Kanjo vao hitan' i Faraona izy dia matiny tao Magedao. De son temps, le Pharaon Neko, roi d' Egypte, monta vers le roi d' Assyrie, sur le fleuve de l' Euphrate. Le roi Josias se porta au-devant de lui mais Neko le fit périr à Megiddo, à la première rencontre.

  1st Book of Chronicles 1 Tantara Tantara I 1er Livre des Chroniques
...............
1Tt / 1Tan 5.6 Beerah his son, whom Tilgathpilneser king of Assyria carried away captive: he was prince of the Reubenites. Bera no zanakalahin' i Bala, izay nobaboin' i Tiglato-pilesera, mpanjakan' i Asyria; izy no loham-pirenen' ny Robenita. Beerà zanany, izay nobaboin' i Tegatfalnasara mpanjakan' i Asiria; anisan' ny loham-pirenen' ny Robenita izy. Bééra son fils, que Téglat-Phalasar, roi d' Assyrie, emmena en captivité. Il fut prince des Rubénites.
...............
1Tt / 1Tan 5.26 And the God of Israel stirred up the spirit of Pul king of Assyria, and the spirit of Tilgathpilneser king of Assyria, and he carried them away, even the Reubenites, and the Gadites, and the half tribe of Manasseh, and brought them unto Halah, and Habor, and Hara, and to the river Gozan, unto this day. Ary Andriamanitry ny Isiraely namporisika an' i Pola, mpanjakan' i Asyria, sy Tiglato-pilesera mpanjakan' i Asyria, ka dia nobaboin' ireo ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen' i Manase ka nentiny tany Hala sy Habora sy Hara ary tany amoron' ny ony Gozana ambaraka androany. Ka namporisihin' ny Andriamanitr' Israely, ny fanahin' i Fola mpanjakan' i Asiria sy ny fanahin' i Telgatfalnasara, dia nentin' ireo babo ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon' i Manase, nentiny nankany Hala sy Habora ary Arà mbamin' ny ony Gozana mandrak' androany. Le Dieu d' Israël excita l' animosité de Pul, roi d' Assyrie, et celle de Téglat-Phalasar, roi d' Assyrie. Il déporta Ruben, Gad et la demi-tribu de Manassé, et les emmena à Halah et sur le Habor, à Hara et au fleuve de Gozân. Ils y sont encore aujourd' hui.

  2nd Book of Chronicles 2 Tantara Tantara II 2ème Livre des Chroniques
...............
2Tt / 2Tan 28.16 At that time did king Ahaz send unto the kings of Assyria to help him. famin' izany andro izany Ahaza mpanjaka naniraka tany amin' ny mpanjakan' i Asyria nangataka ny any hanampy azy. Tamin' izany andro izany Akaza mpanjaka naniraka olona hangata-bonjy amin' ireo mpanjakan' i Asiria, C' est alors que le roi Achaz envoya demander au roi d' Assyrie de lui porter secours.
...............
2Tt / 2Tan 28.20 And Tilgathpilneser king of Assyria came unto him, and distressed him, but strengthened him not. Ary Tiglato-pilesera, mpanjakan' i Asyria, tonga tao aminy, nefa nampahory azy fa tsy nampahery azy. Tonga namely azy Telgata-Falasara mpanjakan' i Asiria, nampiseho halozana taminy, fa tsy nampahery azy. Téglat-Phalasar, roi d' Assyrie, l' attaqua et l' assiégea sans pouvoir l' emporter;
2Tt / 2Tan 28.21 For Ahaz took away a portion out of the house of the Lord, and out of the house of the king, and of the princes, and gave it unto the king of Assyria: but he helped him not. Fa efa nalain' i Ahaza ny zavatra tao an-tranon' i Jehovah sy tao an-tranon' ny mpanjaka sy ny an' ny mpanapaka, ary efa nomeny ny mpanjakan' i Asyria, nefa tsy nahasoa azy akory izany. Nalain' i Akaza ny zavatra tao an-tranon' ny Tompo sy ny tao an-tranon' ny mpanjaka mbamin' ny lehibe ka nanao fanatitra ho an' ny mpanjakan' i Asiria, fa tsy nahazo fanampiana tamin' izany izy. mais Achaz dut prélever une part des biens du Temple de Yahvé et des maisons royale et princières, pour les envoyer au roi d' Assyrie, sans recevoir secours de lui.
...............
2Tt / 2Tan 28.23 For he sacrificed unto the gods of Damascus, which smote him: and he said, Because the gods of the kings of Syria help them, therefore will I sacrifice to them, that they may help me. But they were the ruin of him, and of all Israel. Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an' ireo andriamanitr' i Damaskosy, izay namely azy, izy ka nanao hoe: Ireo andriamanitry ny mpanjakan' i Asyria, izay nanampy azy, no hamonoako zavatra hatao fanatitra mba hanampiany ahy. Kanjo tonga fandravana azy sy ny Isiraely rehetra ireo. fa nanao sorona tamin' ny andriamanitr' i Damasa izay namely azy izy, ka nanao hoe: Ny andriamanitr' ireo mpanjakan' i Siria no mamonjy azy ireo, koa hotolorako sorona dia hamonjy ahy. Kanjo ireo no tonga fandravana azy sy Israely rehetra, en offrant des sacrifices aux dieux de Damas dont il était la victime : " Puisque les dieux des rois d' Aram leur prêtent main-forte, disait-il, je leur sacrifierai pour qu' ils m' aident. " Mais ce furent eux qui causèrent sa chute, et celle de tout Israël.
...............
2Tt / 2Tan 30.6 So the posts went with the letters from the king and his princes throughout all Israel and Judah, and according to the commandment of the king, saying, Ye children of Israel, turn again unto the Lord God of Abraham, Isaac, and Israel, and he will return to the remnant of you, that are escaped out of the hand of the kings of Assyria. Dia lasa ny tsimandoa nitondra ny taratasy avy tamin' ny mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka ny didin' ny mpanjaka hoe: Ry zanak' isiraely ô, miverena amin' i Jehovah, Andriamanitr' i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba hiverenany ho amin' izay sisa aminareo izay tsy azon' ny tànan' ireo mpanjakan' i Asyria. Dia nandeha ny mpihazakazaka nitondra ny taratasin' ny mpanjaka sy ny lehibe any amin' Israely sy Jodà rehetra, ka nilaza, araka ny didin' ny mpanjaka nanao hoe: Ry Zanak' Israely ô, miverena amin' ny Tompo Andriamanitr' i Abrahama sy Isaaka ary Israely, dia hiverina amin' izay sisa izy, dia aminareo izay afaka tsy latsaka eo an-tanan' ny mpanjakan' i Asiria. Des courriers partirent, avec des lettres de la main du roi et des officiers, dans tout Israël et Juda. Ils devaient dire, selon l' ordre du roi : " Israélites, revenez à Yahvé, le Dieu d' Abraham, d' Isaac et d' Israël, et il reviendra à ceux d' entre vous qui restent après avoir échappé à la poigne des rois d' Assyrie.
2Tt / 2Tan 32.1 After these things, and the establishment thereof, Sennacherib king of Assyria came, and entered into Judah, and encamped against the fenced cities, and thought to win them for himself. Ary rehefa afaka izany raharaha marina izany, dia avy Sankeriba, mpanjakan' i Asyria, niditra tany Joda ary nanao fahirano ny tanàna mimanda ka nikasa hanafaka azy. Taorian' ireo zavatra aman' asa marina ireo, no niainga Senakeriba mpanjakan' i Asiria, ka niditra tany Jodà, dia nanorina toby hamely ny tanàna mimanda, ary nikendry ny hahafaka azy. Après ces actes de loyauté eut lieu l' invasion de Sennachérib, roi d' Assyrie. Il envahit Juda, campa devant les villes fortes et ordonna de lui en forcer les murs.
...............
2Tt / 2Tan 32.4 So there was gathered much people together, who stopped all the fountains, and the brook that ran through the midst of the land, saying, Why should the kings of Assyria come, and find much water? Dia nivory ny olona maro ka nanampina ny loharano rehetra sy ilay renirano mamaky eo afovoan' ny tany, fa hoy izy: Nahoana no avela hahita rano be ny mpanjakan' i Asyria, raha avy? Dia vahoaka be no nivory sy nanarona ny loharano rehetra mbamin' ilay renirano mamaky eo afovoan' ny tany, nanao hoe: Ahoana no hahitan' ireo mpanjakan' i Asiria tonga atý ireo, rano betsaka? et beaucoup de gens se groupèrent pour obstruer toutes les sources ainsi que le cours d' eau qui coulait dans les terres : " Pourquoi, disaient-ils, les rois d' Assyrie trouveraient-ils à leur arrivée des eaux abondantes ? "
...............
2Tt / 2Tan 32.7 Be strong and courageous, be not afraid nor dismayed for the king of Assyria, nor for all the multitude that is with him: for there be more with us than with him: Mahereza ka matanjaha; aza matahotra na mivadi-po noho ny mpanjakan' i Asyria sy ny hamaroan' ny olona rehetra izay entiny; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy. Matanjaha sy mahereza, fa aza matahotra na manam-badi-po eo anoloan' ny mpanjakan' i Asiria sy ireo vahoaka maro be momba azy. " Soyez fermes et tenez bon; ne craignez pas, ne tremblez pas devant le roi d' Assur et devant toute la foule qui l' accompagne, car Ce qui est avec nous est plus puissant que ce qui est avec lui.
...............
2Tt / 2Tan 32.9 After this did Sennacherib king of Assyria send his servants to Jerusalem, (but he himself laid siege against Lachish, and all his power with him,) unto Hezekiah king of Judah, and unto all Judah that were at Jerusalem, saying, Rehefa afaka izany, dia nirahin' i Sankeriba, mpanjakan' i Asyria, ny mpanompony hankany Jerosalema (fa izy sy ny miaramilany rehetra kosa nanao fahirano an' i Lakisy tamin' izay) ho any amin' i Hezekia, mpanjakan' ny Joda, sy ho any amin' ny Joda rehetra izay tany Jerosalema ka nanao hoe: Rahefa izany, naniraka ny mpanompony ho any Jerosalema Senakeriba mpanjakan' i Asiria, - fa izy mbamin' ny miaramilany rehetra izany dia mbola teo anoloan' i Lakisa -, ho any amin' i Ezekiasa, mpanjakan' i Jodà, mbamin' ireo avy amin' i Jodà rehetra tao Jerosalema hilaza aminy hoe: Après cela Sennachérib, roi d' Assyrie, tandis qu' il se trouvait lui-même devant Lakish avec toutes ses forces, envoya ses serviteurs à Jérusalem, à Ézéchias, roi de Juda, et à tous les Judéens qui se trouvaient à Jérusalem. Ils dirent :
2Tt / 2Tan 32.10 Thus saith Sennacherib king of Assyria, Whereon do ye trust, that ye abide in the siege in Jerusalem? Izao nolazain' i Sankeriba, mpanjakan' i Asyria: Inona izato itokianareo, no dia miaritra fahoriana ato Jerosalema ianareo ? Izao no lazain' i Senakeriba mpanjakan' i Asiria: Inona izato itokianareo, no dia mihiboka atao fahirano ato Jerosalema ka tra-pahoriana hianareo? " Ainsi parle Sennachérib, roi d' Assyrie : Sur quoi repose votre confiance pour demeurer ainsi dans Jérusalem assiégée ?
2Tt / 2Tan 32.11 Doth not Hezekiah persuade you to give over yourselves to die by famine and by thirst, saying, The Lord our God shall deliver us out of the hand of the king of Assyria? Tsy Hezekia ihany va no manambosy anareo hanole-tena ho faty mosary sy hetaheta ka .anao hoe: Jehovah Andriamanitsika hamonjy antsika amin' ny tanan' ny mpanjakan' i Syria? Tsy famitahan' i Ezekiasa anareo va mba hanolorany anareo ho faty mosary sy hetaheta, no nilazany hoe: Iaveh Andriamanitsika no hamonjy antsika amin' ny tanan' ny mpanjakan' i Asiria? Ézéchias ne vous abuse-t-il pas, ne vous livre-t-il pas à la mort, par la faim et par la soif, quand il dit : "Yahvé notre Dieu nous délivrera de la main du roi d' Assyrie" ?
...............
2Tt / 2Tan 32.21 And the Lord sent an angel, which cut off all the mighty men of valour, and the leaders and captains in the camp of the king of Assyria. So he returned with shame of face to his own land. And when he was come into the house of his god, they that came forth of his own bowels slew him there with the sword. Ary Jehovah naniraka anjely izay nandringana ny lehilahy mahery rehetra sy ny mpanapaka ary ny komandy teo an-tobin' ny mpanjakan' i Asyria, ka dia lasa nody amin-kenatra Sankeriba. Ary nony niditra tao an-tranon' ny andriamaniny izy, dia namono azy tao tamin' ny sabatra ny zanany naterany. Dia naniraka anjely anankiray Iaveh ary naringan' io avokoa ny lehilahy mahery sy ny filohany mbamin' ny lehibe teo an-tobin' ny mpanjakan' i Asiria, ka lasa nody any amin' ny taniny, safo-kenatra, ity mpanjaka. Nony tafiditra tao an-tranon' ny andriamaniny izy, dia ny sasany tamin' izay naloaky ny kibony no namono azy tamin' ny sabatra. Yahvé envoya un ange qui extermina tous les vaillants preux, les capitaines et les officiers, dans le camp du roi d' Assyrie; celui-ci s' en retourna, le visage couvert de honte, dans son pays; puis il entra dans le temple de son dieu où quelques-uns de ses enfants le frappèrent de l'épée.
2Tt / 2Tan 32.22 Thus the Lord saved Hezekiah and the inhabitants of Jerusalem from the hand of Sennacherib the king of Assyria, and from the hand of all other, and guided them on every side. Toy izany no namonjen' i Jehovah an' i Hezekia sy ny mponina tany Jerosalema tamin' ny tànan' i Sankeriba, mpanjakan' i Asyria, sy tamin' ny tanan' ny fahavalony rehetra; eny, niaro azy tamin' ny manodidina rehetra Izy. Ary namonjy an' i Ezekiasa sy ny mponina tao Jerosalema, tamin' ny tanan' i Senakeriba mpanjakan' i Asiria, sy tamin' ny tanan' ny fahavalony rehetra, Iaveh, nitari-dàlana azy ireo, na ho aiza na ho aiza. Ainsi Yahvé sauva Ézéchias et les habitants de Jérusalem de la main de Sennachérib, roi d' Assyrie, et de la main de tous les autres. Il leur donna la tranquillité sur toutes leurs frontières.
...............
2Tt / 2Tan 33.11 Wherefore the Lord brought upon them the captains of the host of the king of Assyria, which took Manasseh among the thorns, and bound him with fetters, and carried him to Babylon. Dia nentin' i Jehovah hamely azy ny komandin' ny miaramilan' ny mpanjakan' i Asyria, dia nosamborin' ireo Manase ka nasiany masom-by sady nogadrany gadra varahina ary nentiny ho any Babylona. Tamin' izay dia nentin' ny Tompo hamely azy ireo ny lehiben' ny tafiky ny mpanjakan' i Asiria, nosamborin' ireo Manase tamin' ny masom-by, nogiazany tamin' ny gadra varahina roa, dia nentiny nankany Babilona. Alors Yahvé fit venir contre eux les généraux du roi d' Assyrie qui capturèrent Manassé avec des crocs, le mirent aux fers et l' emmenèrent à Babylone.

  Book of Ezra Ezra Esdrasa Livre d'Esdras
...............
Ezr / Esd 4.2 Then they came to Zerubbabel, and to the chief of the fathers, and said unto them, Let us build with you: for we seek your God, as ye do; and we do sacrifice unto him since the days of Esarhaddon king of Assur, which brought us up hither. dia nanatona an' i Zerobabela sy ny lohan' ny fianakaviana izy ka nanao taminy hoe: Aoka mba hiara-manao aminareo izahay, fa mitady an' Andriamanitrareo tahaka anareo ihany koa izahay, ary ho Azy no namonoanay zavatra hatao fanatitra hatramin' ny andron' i Esara-hadona, mpanjakan' i Asyria, izay efa nampakatra anay ho atý. dia nanatona an' i Zorobabela sy ny loham-pianakaviana izy, ka nanao taminy hoe: Aoka mba hiara-manao aminareo izahay, fa manaja ny Andriamanitrareo tahaka anareo ihany, sady manatitra sorona ho azy hatramin' ny andron' i Asarhadona mpanjakan' i Asiria, izay nampiakatra anay ho aty. ils s' en vinrent trouver Zorobabel, Josué et les chefs de famille et leur dirent : "Nous voulons bâtir avec vous, car, comme vous, nous cherchons votre Dieu et lui sacrifions depuis le temps d' Asarhaddon, roi d' Assur, qui nous amena ici."
...............
Ezr / Esd 6.22 And kept the feast of unleavened bread seven days with joy: for the Lord had made them joyful, and turned the heart of the king of Assyria unto them, to strengthen their hands in the work of the house of God, the God of Israel. ka dia nitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira hafitoana tamin' ny fifaliana izy; fa Jehovah efa nampifaly azy ary efa nampiova ny fon' ny mpanjakan' i Asyria hamindra fo aminy ka hampahery ny tànany tamin' ny nanaovany ny tranon' Andriamanitra, dia Andriamanitry ny Isiraely. Tamin-kafaliana no nanaovan' izy ireo ny fetin' ny Azima mandritra ny hafitoana; fa nampifalian' ny Tompo izy, tamin' ny nitarihany ny fon' ny mpanjakan' i Asiria hanampy azy ireo sy hanohana ny tànany amin' ny asa momba ny tranon' Andriamanitra, dia ny Andriamanitr' Israely. Ils célébrèrent avec joie pendant sept jours la fête des Azymes, car Yahvé les avait remplis de joie, ayant incliné vers eux le coeur du roi d' Assur, pour qu' il fortifiât leurs mains dans les travaux du Temple de Dieu, le Dieu d' Israël.

  Book of Nehemiah Nehemia Nehemia Livre de Néhémie
...............
Neh / Ne 9.32 Now therefore, our God, the great, the mighty, and the terrible God, who keepest covenant and mercy, let not all the trouble seem little before thee, that hath come upon us, on our kings, on our princes, and on our priests, and on our prophets, and on our fathers, and on all thy people, since the time of the kings of Assyria unto this day. Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Andriamanitra lehibe sady mahery no mahatahotra, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao, aoka tsy ho kely eo imasonao ny fahoriana rehetra izay nanjo anay, dia ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny mpisoronay sy ny mpaminaninay ary ny razanay, dia ny olonao rehetra, hatramin' ny andron' ireo mpanjakan' i Asyria ka mandraka androany. Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Andriamanitra lehibe sy mahery sady mahatahotra, hianao izay mitana ny fanekena sy ny famindram-po, dia aoka tsy ho zavatra kely eo imasonao ny fahoriana rehetra efa nanjò anay dia ny tenanay, ny mpanjakanay, ny lehibenay, ny mpisoronay, ny mpaminaninay, ny razanay, ary ny vahoakanao rehetra, hatramin' ny andron' ireo mpanjakan' i Asiria, ka mandrak' izao anio izao. Et maintenant, ô notre Dieu, toi le Dieu grand, puissant et redoutable, qui maintiens l' alliance et la bonté, ne compte pas pour rien tout cet accablement qui est tombé sur nous, sur nos rois, nos chefs, nos prêtres, nos prophètes et tout ton peuple, depuis le temps des rois d' Assur jusqu'à ce jour.

      Jodita Livre de Judith
...............
Jdt 1.10 Ireo vahoaka rehetra ireo, dia nandefasan' i Nabokodonosora mpanjakan' i Asiria, iraka, avokoa. au-delà de Tanis et de Memphis, et à tous les habitants de l' Egypte jusqu' aux confins de l' Ethiopie.
Jdt 2.1 Tamin' ny taona fahatelo ambin' ny folo, nanjakan' i Nabokodonosora mpanjaka, tamin' ny andro faharoa amby roapolon' ny volana voalohany, no nanapahana ny hevitra tao an-tranon' i Nabokodonosora mpanjakan' i Asiria, ny hamaliany. La dix-huitième année, le vingt-deuxième jour du premier mois, le bruit courut au palais que Nabuchodonosor, roi des Assyriens, allait tirer vengeance de toute la terre, comme il l' avait dit.
...............
Jdt 2.12 Nony avy namaky ny sisin-tanin' i Asiria izy, dia tonga teo amin' ireo tendrombohitra lehibe any Ange, izay ao avaratr' i Silisia, dia nitsofohany avokoa ny tanàna mimanda, dia afany daholo ny fiarovana rehetra. Car je suis vivant, moi, et vivante est la puissance de ma royauté! J' ai dit. Tout cela, je l' accomplirai de ma main!

  Book of Isaiah Isaia Izaia Livre d'Isaïe
...............
Isa / Iz 7.17 The Lord shall bring upon thee, and upon thy people, and upon thy father' s house, days that have not come, from the day that Ephraim departed from Judah; even the king of Assyria. Jehovah hahatonga aminao sy ny olonao ary ny mpianakavin-drainao Izay andro tsy mbola nisy toa azy Hatramin' ny andro nialan' i Efraima tamin' ny Joda (Dia ny mpanjakan' i Asyria); Iaveh hahatonga aminao sy ny vahoakanao ary amin' ny fianakavian-drainao, andro tsy mbola nisy tonga toa azy, hatramin' ny andro nisarahan' i Efraima tamin' i Jodà, - dia ny mpanjakan' i Asiria. Yahvé fera venir sur toi, sur ton peuple et sur la maison de ton père des jours tels qu' il n' en est pas venu depuis la séparation d'Éphraïm et de Juda le roi d' Assur .
Isa / Iz 7.18 And it shall come to pass in that day, that the Lord shall hiss for the fly that is in the uttermost part of the rivers of Egypt, and for the bee that is in the land of Assyria. Ary amin' izany andro izany Jehovah hisiaka hiantso ny lalitra, izay any amin' ny faran' ny onin' i Egypta, sy ny renitantely, izay any amin' ny tany Asyria; Amin' izany andro izany, Iaveh hisiaka ny lalitra any amin' ny fara lafin' ny onin' i Ejipta, sy ny renitantely, any amin' ny tanin' i Asiria. Il arrivera, en ce jour-là, que Yahvé sifflera les mouches qui sont à l' extrémité des fleuves d'Égypte et les abeilles qui sont au pays d' Assur.
...............
Isa / Iz 7.20 In the same day shall the Lord shave with a razor that is hired, namely, by them beyond the river, by the king of Assyria, the head, and the hair of the feet: and it shall also consume the beard. Amin' izany andro izany koa ny Tompo hanaratra ny loha sy ny volon-tongotra Amin' ny hareza nohofana any amoron' ny Ony (Dia ny mpanjakan' i Asyria); Ary ny volom-bava hokakasana amin' iny koa. Amin' izany andro izany ny Tompo hanaratra, amin' ny hareza nahofany tany an-dafin' ny ony, - dia amin' ny mpanjakan' i Asiria, - ary hoesoriny koa ny volom-bava. En ce jour-là, le Seigneur rasera avec un rasoir loué au-delà du fleuve avec le roi d' Assur la tête et le poil des jambes, et même la barbe, il l' enlèvera.
...............
Isa / Iz 8.4 For before the child shall have knowledge to cry, My father, and my mother, the riches of Damascus and the spoil of Samaria shall be taken away before the king of Assyria. Fa raha tsy mbola mahatonona hoe Idada na Ineny io zazalahy io, dia hobaboina eo anatrehan' ny mpanjakan' i Asyria ny haren' i Damaskosy sy ny fananan' i Samaria. Fa alohan' ny hahaizan' io zaza io miantso hoe: Idada sy Ineny dia hoaterina eo anatrehan' ny mpanjakan' i Asiria ny haren' i Damasa sy ny babo azo tamin' i Samaria. car avant que le garçon ne sache dire " papa " et " maman ", on enlèvera la richesse de Damas et le butin de Samarie, en présence du roi d' Assur.
...............
Isa / Iz 8.7 Now therefore, behold, the Lord bringeth up upon them the waters of the river, strong and many, even the king of Assyria, and all his glory: and he shall come up over all his channels, and go over all his banks: Dia, indro, hampiakarin' ny Tompo hanafotra azy ny rano be sady manonja amin' ny Ony (Dia ny mpanjakan' i Asyria sy ny voninahiny rehetra); Ary ny masondranony rehetra ho tondraka, Ary ny morony rehetra hihoarany; noho izany, indro hampiakarin' ny Tompo hanafika azy ireo, ny ranon' ny ony, sady mahery no lalina, dia ny mpanjakan' i Asiria mbamin' ny heriny rehetra: ny masondranony rehetra hosaforany, ary ny morony rehetra hihoarany; eh bien! voici que le Seigneur fait monter contre lui les eaux du Fleuve, puissantes et abondantes le roi d' Assur et toute sa gloire ; il grossira dans toutes ses vallées et franchira toutes ses rives;
...............
Isa / Iz 10.5 O Assyrian, the rod of mine anger, and the staff in their hand is mine indignation. Endrey! ry Asyria, tsorakazon' ny fahatezerako ô, Eny, tehina eny an-tànany ny fahavinirako! Loza ho an' i Asora, tsorakazon' ny fahatezerako! fiasan' ny havinirako ny tehina eny an-tànany! Malheur à Assur, férule de ma colère; c' est un bâton dans leurs mains que ma fureur.
...............
Isa / Iz 10.12 Wherefore it shall come to pass, that when the Lord hath performed his whole work upon mount Zion and on Jerusalem, I will punish the fruit of the stout heart of the king of Assyria, and the glory of his high looks. Kanefa rehefa vitan' ny Tompo ny asany rehetra ao an-tendrombohitra Ziona sy Jerosalema, dia hovaliany kosa ny vokatry ny fiavonavonan' ny fon' ny mpanjakan' i Asyria sy ny reharehan' ny fiandranandran' ny masony; Nefa izao no hitranga raha avy izay hahatanterahan' ny Tompo ny asany manontolo, amin' ny tendrombohitra Siona sy amin' i Jerosalema, dia hosavako ny vokatry ny fo be anjonanjon' ny mpanjakan' i Asiria, sy ny reharehan' ny masony miandranandrana. Mais lorsque le Seigneur achèvera toute son oeuvre sur la montagne de Sion et à Jérusalem, il châtiera le fruit du coeur orgueilleux du roi d' Assur et la morgue de ses regards arrogants.
...............
Isa / Iz 11.11 And it shall come to pass in that day, that the Lord shall set his hand again the second time to recover the remnant of his people, which shall be left, from Assyria, and from Egypt, and from Pathros, and from Cush, and from Elam, and from Shinar, and from Hamath, and from the islands of the sea. Ary amin' izany andro izany ny Tompo dia mbola haninjitra ny tànany fanindroany hanavotra ny olony, izay mbola sisa, avy any Syria sy Egypta sy Patrosa sy Etiopia sy Elama sy Sinara sy Hamata Ary ny avy any amin' ny moron-dranomasina. Ary izao no hitranga amin' izany andro izany: Ny Tompo haninjitra ny tànany fanindroany, hanavotra ny sisa amin' ny vahoakany, izay sisa mbola ho hita any Asiria sy Ejipta, sy Patraosy, Etiopia, Elama, Senaara, Hamata sy ireo nosy amin' ny ranomasina. Ce jour-là, le Seigneur étendra la main une seconde fois, pour racheter le reste de son peuple, ce qui restera à Assur et en Égypte, à Patros, à Kush et en Élam, à Shinéar, à Hamat et dans les îles de la mer.
...............
Isa / Iz 11.16 And there shall be an highway for the remnant of his people, which shall be left, from Assyria; like as it was to Israel in the day that he came up out of the land of Egypt. Ary hisy lalana voavoatra halehan' ny olony sisa, izay sisa avy any Asyria, dia toy ny ho an' ny Isiraely tamin' ny andro niakarany avy tany amin' ny tany Egypta. Dia hisy làlana halehan' ny vahoakany sisa, izay sisa mbola ho hita any amin' ny tany Asiriana, toy ny nisy halehan' Israely, tamin' ny andro niakarany avy any amin' ny tany Ejipta. Et il y aura un chemin pour le reste de son peuple, ce qui restera d' Assur, comme il y en eut pour Israël, quand il monta du pays d'Égypte.
...............
Isa / Iz 19.23 In that day shall there be a highway out of Egypt to Assyria, and the Assyrian shall come into Egypt, and the Egyptian into Assyria, and the Egyptians shall serve with the Assyrians. Amin' izany andro izany dia hisy lalambe avy any Egypta mankany Asyria, koa ny Asyriana dia hankany Egypta, ary ny Egyptiana kosa hankany Asyria, ary ny Egyptiana sy ny Asyriana hiara-mivavaka. Amin' izany andro izany hisy làlana avy any Ejipta mankany Asiria; ka ny Asiriana ho tonga ao Ejipta, ny Ejipsiana ho any Asiria, dia hanompo an' ny Tompo i Ejipta miaraka amin' i Asora. - Ce jour-là, il y aura un chemin allant d'Égypte à Assur. Assur viendra en Égypte et l'Égypte en Assur. L'Égypte servira avec Assur.
Isa / Iz 19.24 In that day shall Israel be the third with Egypt and with Assyria, even a blessing in the midst of the land: Amin' izany andro izany ny Isiraely no ho fahatelony amin' i Egypta sy Asyria ho fitahiana eo amin' ny tany; Amin' izany andro izany Israely hikambana amin' i Ejipta sy Asiria, izy no ho fahatelony, mba ho fitahiana eo amin' ny tany. Ce jour-là, Israël viendra en troisième avec l'Égypte et Assur, bénédiction au milieu de la terre,
Isa / Iz 19.25 Whom the Lord of hosts shall bless, saying, Blessed be Egypt my people, and Assyria the work of my hands, and Israel mine inheritance. Fa hotahin' i Jehovah, Tompon' ny maro, ireo ka hataony hoe: Hotahina anie Egypta oloko, sy Asyria, asan' ny tanako, ary Isiraely lovako. Hitahy azy ireo Iavehn' ny tafika hanao hoe: Hotahina anie i Ejipta, vahoakako, sy Asora, asan' ny tànako, ary Israely lovako. bénédiction que prononcera Yahvé Sabaot : " Béni mon peuple l'Égypte, et Assur l' oeuvre de mes mains, et Israël mon héritage. "
Isa / Iz 20.1 In the year that Tartan came unto Ashdod, (when Sargon the king of Assyria sent him,) and fought against Ashdod, and took it; Tamin' ny taona nankanesan' i Tartana tany Asdoda, raha nirahin' i Sargona, mpanjakan' i Asyria, izy ka namely an' i Asdoda ary nahafaka azy, Tamin' ny taona nahatongavan' i Tartana nirahin' i Sargona mpanjakan' i Asiria tany Azota, sy nanaovany fahirano azy, sy nahafahany azy, L' année où le général en chef envoyé par Sargon, roi d' Assur, vint à Ashdod pour l' attaquer et s' en emparer,
...............
Isa / Iz 20.4 So shall the king of Assyria lead away the Egyptians prisoners, and the Ethiopians captives, young and old, naked and barefoot, even with their buttocks uncovered, to the shame of Egypt. dia ho toy izany no hitondran' ny mpanjakan' i Asyria ny Egyptiana ho babo sy ny Etiopiana ho sambotra, na tanora na antitra, samy tsy hitafy sady tsy hikiraro no tsy hisarom-pe, ho henatr' i Egypta. no hitondran' ny mpanjakan' i Asiria ny babo avy any Ejipta; sy ny voasesi-tany avy any Etiopia, na tovolahy, na lahiantitra, tsy mitafy, tsy mikiraro, miseho valahana, ho henatr' i Ejipta. de même le roi d' Assur emmènera les captifs d'Égypte et les déportés de Kush, les jeunes et les vieux, nus, déchaussés et fesses découvertes, à la honte de l'Égypte.
...............
Isa / Iz 20.6 And the inhabitant of this isle shall say in that day, Behold, such is our expectation, whither we flee for help to be delivered from the king of Assyria: and how shall we escape? Ary amin' izany andro izany ny mponina etý amoron-dranomasina dia hanao hoe: He! ity manjo ilay nantenaintsika sady nandosirantsika ho famonjena antsika ho afaka amin' ny mpanjakan' i Asyria! Aiza intsony re no handosirantsika? Amin' izany andro izany ny mponina eo amoron' ity ranomasina ity hanao hoe: Izao lahy no nanjo an' ilay niankinantsika, ilay noheverintsika mandositra hatonina hitady famonjena ary mba ho afaka, eo an-tanan' ny mpanjakan' i Asiria? Ary isika indray kosa hataontsika ahoana no hahafa-mandositra? Et l' habitant de ce rivage dira en ce jour-là : "Voici ce qu' est devenue notre espérance, ceux vers qui nous avons fui pour chercher un secours, pour échapper au roi d' Assur. Et nous, comment nous sauverons-nous ?" "
...............
Isa / Iz 27.13 And it shall come to pass in that day, that the great trumpet shall be blown, and they shall come which were ready to perish in the land of Assyria, and the outcasts in the land of Egypt, and shall worship the Lord in the holy mount at Jerusalem. Ary amin' izany andro izany koa no hitsofana anjomara lehibe, dia ho avy izay very tany amin' ny tany Asyria sy izay efa voaroaka tany amin' ny tany Egypta, ka hiankohoka eo anatrehan' i Jehovah ao amin' ny tendrombohitra masina any Jerosalema. Ary hisy zavatra toy izao amin' izany andro izany: haneno ny trompetra lehibe, ka izay very tany amin' ny tanin' i Asora, mbamin' izay voasesi-tany, tany amin' ny tany Ejipta, dia hody ka hiakohoka eo anatrehan' ny Tompo, ao amin' ny tendrombohitra masina, ao Jerosalema. Et il arrivera qu' en ce jour-là, on sonnera du grand cor, alors viendront ceux qui se meurent au pays d' Assur, et ceux qui sont bannis au pays d'Égypte, ils adoreront Yahvé sur la montagne sainte, à Jérusalem.
Isa / Iz 36.1 Now it came to pass in the fourteenth year of king Hezekiah, that Sennacherib king of Assyria came up against all the defenced cities of Judah, and took them. Ary tamin' ny taona fahefatra ambin' ny folo nanjakan' i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan' i Asyria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Joda ka nahafaka azy. Tamin' ny taona fahefatra ambin' ny folo, nanjakan' i Ezekiasa, niakatra Senakeriba, mpanjakan' i Asiria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Jodà, ka nahafaka ireny. Il arriva qu' en la quatorzième année du roi Ézéchias, Sennachérib, roi d' Assyrie, monta contre toutes les villes fortes de Juda et s' en empara.
Isa / Iz 36.2 And the king of Assyria sent Rabshakeh from Lachish to Jerusalem unto king Hezekiah with a great army. And he stood by the conduit of the upper pool in the highway of the fuller' s field. Ary ny mpanjakan' i Asyria naniraka an-dRabsake mbamin' ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin' i Hezekia mpanjaka. Dia nitsangana teo anilan' ny lakan-drano amin' ny kamory ambony izy, teo an-dalambe mankamin' ny sahan' ny mpamotsy lamba. Ary nirahin' ny mpanjakan' i Asiria ny lehiben' ny mpandroso divay aminy nitondra miaramila maro, avy ao Lakisa ho any Jerosalema, amin' i Ezekiasa mpanjaka; nijanona teo amin' ny lakan-drano amin' ny kamory ambony, eo amin' ny làlana mankamin' ny sahan' ny Mpamotsy lamba, ny lehiben' ny mpandroso divay. De Lakish, le roi d' Assyrie envoya vers le roi Ézéchias, à Jérusalem, le grand échanson avec un important corps de troupes. Le grand échanson se posta près du canal de la piscine supérieure, sur le chemin du champ du Foulon.
...............
Isa / Iz 36.4 And Rabshakeh said unto them, Say ye now to Hezekiah, Thus saith the great king, the king of Assyria, What confidence is this wherein thou trustest? Dia hoy Rabsake tamin' ireo: Andeha, lazao amin' i Hezekia hoe: Izao no lazain' ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan' i Asyria: Inona moa izato itokianao? Hoy ny lehiben' ny mpandroso divay tamin' izy ireo: Mba lazao kely amin' i Ezekiasa izao: Izao no tenin' ny mpanjaka lehibe, mpanjakan' i Asiria: Avy aiza no nahazoanao toky iankinanao toy izao? Hoy izaho: Teny foana izany fikasana aman-kery hoenti-miantafika izany. Le grand échanson leur dit : " Dites à Ézéchias : Ainsi parle le grand roi, le roi d' Assyrie : Quelle est cette confiance sur laquelle tu te reposes ?
...............
Isa / Iz 36.8 Now therefore give pledges, I pray thee, to my master the king of Assyria, and I will give thee two thousand horses, if thou be able on thy part to set riders upon them. Koa aoka hifaninana ianao sy ny tompoko, mpanjakan' i Asyria, fa homeko soavaly roa arivo ianao, raha tàhiny manana olona hitaingina azy. Koa ankehitriny manaova fanekena amin' ny tompoko, ny mpanjakan' i Asiria, fa homeko soavaly roa arivo hianao, raha afa-mamory olona hitaingina azy! Eh bien! fais un pari avec Monseigneur le roi d' Assyrie : je te donnerai deux mille chevaux si tu peux trouver des cavaliers pour les monter.
...............
Isa / Iz 36.13 Then Rabshakeh stood, and cried with a loud voice in the Jews' language, and said, Hear ye the words of the great king, the king of Assyria. Dia nijoro teo Rabsake ka niantso tamin' ny feo mahery tamin' ny teny Jiosy hoe: Henoy ny tenin' ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan' i Asyria. Dia nandroso ny lehiben' ny mpandroso divay ka nanao feo avo niantso tamin' ny teny jodaika nanao hoe: Mihainoa, hianareo, ny tenin' ny mpanjaka lehibe, mpanjakan' i Asiria! Alors le grand échanson se tint debout, il cria d' une voix forte, en langue judéenne, et dit : " Écoutez les paroles du grand roi, le roi d' Assyrie!
...............
Isa / Iz 36.15 Neither let Hezekiah make you trust in the Lord, saying, The Lord will surely deliver us: this city shall not be delivered into the hand of the king of Assyria. Ary aza mety hampahatokin' i Hezekia an' i Jehovah ianareo amin' ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika tokoa; ary tsy hatolotra eo an-tànan' ny mpanjakan' i Asyria tsy akory ity tanàna ity. Ary aza mety hotaritin' i Ezekiasa hatoky an' ny Tompo, hataony hoe: Hamonjy antsika tokoa Iaveh, ary tsy atolotra eo an' tanan' ny mpanjakan' i Asiria ity tanàna ity. Qu'Ézéchias n' entretienne pas votre confiance en Yahvé en disant : "Sûrement Yahvé nous délivrera, cette ville ne tombera pas entre les mains du roi d' Assyrie. "
Isa / Iz 36.16 Hearken not to Hezekiah: for thus saith the king of Assyria, Make an agreement with me by a present, and come out to me: and eat ye every one of his vine, and every one of his fig tree, and drink ye every one the waters of his own cistern; Aza mihaino an' i Hezekia ianareo; fa izao no lazain' ny mpanjakan' i Asyria: Manaova fanekena amiko hiadananareo, ka mankanesa atý amiko, ary samia homana ny voalobony sy ny aviaviny, ary samia misotro ny rano avy amin' ny lavaka famorian-dranony avy ianareo, Aza mihaino an' i Ezekiasa hianareo; fa izao no tenin' ny mpanjakan' i Asiria: Manaova fanekem-pihavanana amiko, ary maneke ahy hianareo, dia samy hihinana ny voaloboka aman' aviaviny, sy hisotro ny rano eo amin' ny dobo famorian-dranony avy hianareo; N'écoutez pas Ézéchias, car ainsi parle le roi d' Assyrie : Faites la paix avec moi, rendez-vous à moi, et chacun de vous mangera le fruit de sa vigne et de son figuier, chacun boira l' eau de sa citerne,
...............
Isa / Iz 36.18 Beware lest Hezekiah persuade you, saying, the Lord will deliver us. Hath any of the gods of the nations delivered his land out of the hand of the king of Assyria? Aza mety homen' i Hezekia vohony ianareo amin' ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika. Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin' ny tanan' ny mpanjakan' i Asyria va ireo andriamanitry ny firenena ireo? Aza mety hambosin' i Ezekiasa hianareo, ataony hoe: Hamonjy antsika Iaveh. Moa misy andriamanitry ny firenena nahavonjy ny taniny, tamin' ny tanan' ny mpanjakan' i Asiria va? Qu'Ézéchias ne vous abuse pas en vous disant : "Yahvé nous délivrera. " Les dieux des nations ont-ils vraiment délivré chacun son pays des mains du roi d' Assyrie ?
...............
Isa / Iz 37.4 It may be the Lord thy God will hear the words of Rabshakeh, whom the king of Assyria his master hath sent to reproach the living God, and will reprove the words which the Lord thy God hath heard: wherefore lift up thy prayer for the remnant that is left. Angamba ho ren' i Jehovah Andriamanitrao ny tenin-dRabsake, izay nirahin' ny mpanjakan' i Asyria tompony hihaika an' Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teny izay efa ren' i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny fivavakao hamonjy izay mbola sisa. Angamba ho ren' ny Tompo Andriamanitrao, ny tenin' ny lehiben' ny mpandroso divay nirahin' ny mpanjakan' i Asiria, tompony, hanevateva an' Andriamanitra velona, ka hosaziny noho ny teny efa ren' ny Tompo Andriamanitrao. Koa manaova fivavahana ho an' izay sisa mbola tavela. Puisse Yahvé ton Dieu entendre les paroles du grand échanson que le roi d' Assyrie, son maître, a envoyé insulter le Dieu vivant, et puisse Yahvé ton Dieu punir les paroles qu' il a entendues! Adresse une prière en faveur du reste qui subsiste encore. "
...............
Isa / Iz 37.6 And Isaiah said unto them, Thus shall ye say unto your master, Thus saith the Lord, Be not afraid of the words that thou hast heard, wherewith the servants of the king of Assyria have blasphemed me. Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin' ny tomponareo hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan' iretsy ankizilahin' ny mpanjakan' i Asyria iretsy Ahy. dia hoy Izaia tamin' izy ireo: Izao no holazainareo amin' ny tomponareo: Toy izao no tenin' ny Tompo: Aza matahotra ny teny efa renao, izay naniratsiran' ny mpanompon' ny mpanjakan' i Asiria ahy. celui-ci leur dit : " Vous direz à votre maître : Ainsi parle Yahvé. N' aie pas peur des paroles que tu as entendues, des blasphèmes que les valets du roi d' Assyrie ont lancés contre moi.
...............
Isa / Iz 37.8 So Rabshakeh returned, and found the king of Assyria warring against Libnah: for he had heard that he was departed from Lachish. Dia niverina Rabsake ka nankany Libna, izay nataon' ny mpanjakan' i Asyria fahirano tamin' izay; satria efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka. Dia niverina ny lehiben' ny mpandroso divay ka nahita ny mpanjakan' i Asiria, nanao fahirano an' i Lobnà; efa reny ny nialan' ny tompony tany Lakisa. Le grand échanson s' en retourna et retrouva le roi d' Assyrie en train de combattre contre Libna. Le grand échanson avait appris en effet que le roi avait décampé de Lakish,
Isa / Iz 37.9 And he heard say concerning Tirhakah king of Ethiopia, He is come forth to make war with thee. And when he heard it, he sent messengers to Hezekiah, saying, Ary ren' i Sankeriba ny amin' i Tiraka, mpanjakan' i Etiopia, nanao hoe: Avy hiady aminao izy; ary nony nandre izany izy, dia naniraka olona ho any amin' i Hezekia nanao hoe: Ary nandre vaovao ny mpanjakan' i Asiria ny amin' i Tharakà, mpanjakan' i Etiopia, fa hoy ny olna taminy: Efa niainga izy io hanafika anao. Nony vao nandre izany izy, dia nandefa iraka ho any amin' i Ezekiasa, nanao hoe: car il avait reçu cette nouvelle au sujet de Tirhaqa, roi de Kush : " Il est parti en guerre contre toi. " De nouveau Sennachérib envoya des messagers à Ézéchias pour lui dire :
Isa / Iz 37.10 Thus shall ye speak to Hezekiah king of Judah, saying, Let not thy God, in whom thou trustest, deceive thee, saying, Jerusalem shall not be given into the hand of the king of Assyria. Izao no holazainareo amin' i Hezekia, mpanjakan' ny Joda: Aza mety hofitahin' ny Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan' ny mpanjakan' i Asyria. Izao no holazainareo amin' i Ezekiasa mpanjakan' i Jodà ataovy hoe: Aza mety hofitahin' ny Andriamanitrao, izay itokianao hianao, ataony hoe: Tsy hatolotra eo an-tanan' ny mpanjakan' i Asiria Jerosalema. " Vous parlerez ainsi à Ézéchias roi de Juda : Que ton Dieu en qui tu te confies ne t' abuse pas en disant : "Jérusalem ne sera pas livrée aux mains du roi d' Assyrie. "
Isa / Iz 37.11 Behold, thou hast heard what the kings of Assyria have done to all lands by destroying them utterly; and shalt thou be delivered? Indro, ianao efa nandre izay nataon' ireo mpanjakan' i Asyria tamin' ny tany rehetra, dia ny nandravany azy; ka ianao kosa va no ho voavonjy? Indro efa renao ny nafitsoky ny mpanjakan' i Asiria, ny tany rehetra, fa nataony anatema izany!... Ka hianao ve dia ho voavonjy? Tu as appris ce que les rois d' Assyrie ont fait à tous les pays, les vouant à l' anathème, et toi, tu serais délivré!
...............
Isa / Iz 37.18 Of a truth, Lord, the kings of Assyria have laid waste all the nations, and their countries, Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan' i Asyria dia efa nandrava ny firenena rehetra sy ny taniny Marina tokoa, ry Iaveh ô, fa Senakeriba dia nandrava ny firenena rehetra mbamin' ny taniny, Il est vrai, Yahvé, les rois d' Assyrie ont exterminé toutes les nations et leurs pays .
...............
Isa / Iz 37.21 Then Isaiah the son of Amoz sent unto Hezekiah, saying, Thus saith the Lord God of Israel, Whereas thou hast prayed to me against Sennacherib king of Assyria: Ary Isaia, zanak' i Amoza, dia naniraka hankany amin' i Hezekia nanao hoe: Izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin' ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin' i Sankeriba, mpanjakan' i Asyria, Dia naniraka ho any amin' i Ezekiasa Izaia, zanak' i Amosa, hilaza hoe: Izao no lazain' ny Tompo, Andriamanitr' Israely: Efa reko ny vavaka nataonao tamiko, ny amin' i Senakeriba, mpanjakan' i Asiria; Alors Isaïe fils d' Amoç envoya dire à Ézéchias : " Ainsi parle Yahvé, Dieu d' Israël, à propos de la prière que tu m' as adressée au sujet de Sennachérib, roi d' Assyrie.
...............
Isa / Iz 37.33 Therefore thus saith the Lord concerning the king of Assyria, He shall not come into this city, nor shoot an arrow there, nor come before it with shields, nor cast a bank against it. Koa izao no lazain' i Jehovah ny amin' ny mpanjakan' i Asyria: Tsy ho tafiditra amin' ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany azy. Noho izany, izao no lazain' ny Tompo, ny amin' ny mpanjakan' i Asiria: Tsy hiditra amin' izany tanàna izany izy, na handefa zana-tsipika ao aminy, na hanangana ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezana azy. Voici donc ce que dit Yahvé sur le roi d' Assyrie : Il n' entrera pas dans cette ville, il n' y lancera pas une flèche, il ne tendra pas de bouclier contre elle, il n' y entassera pas de remblai.
...............
Isa / Iz 37.37 So Sennacherib king of Assyria departed, and went and returned, and dwelt at Nineveh. Dia niainga Sankeriba, mpanjakan' i Asyria, ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive. Ary Senakeriba mpanjakan' i Asiria, nony avy nandrava ny tobiny, dia lasa nody, Sennachérib leva le camp et partit. Il s' en retourna et resta à Ninive.
...............
Isa / Iz 38.6 And I will deliver thee and this city out of the hand of the king of Assyria: and I will defend this city. sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin' ny tanan' ny mpanjakan' i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho. Hamonjy anao sy ity tanàna ity amin' ny tanan' ny mpanjakan' i Asiria aho; ary hiaro ity tanàna ity. Je te délivrerai, toi et cette ville, de la main du roi d' Assyrie, et je protégerai cette ville. "

  Book of Jeremiah Jeremia Jeremia Livre de Jérémie
...............
Jer / Jr 2.18 And now what hast thou to do in the way of Egypt, to drink the waters of Sihor? or what hast thou to do in the way of Assyria, to drink the waters of the river? Koa inona no anton' ny ankanesanao amin' ny lalana mankany Egypta Hisotro ny ranon' i Sihora? Ary inona no anton' ny ankanesanao amin' ny lalana mankany Asyria hisotro ny rano amin' ny Ony? Ary ankehitriny, inona no ataonao any amin' ny làlana mankany Ejipta, handeha hisotro ny ranon' i Nila? Ary inona no ataonao eny amin' ny làlana mankany Asiria, handeha hisotro ny rano amin' ny Ony? Et maintenant, à quoi bon partir en Egypte pour boire l' eau du Nil? A quoi bon partir en Assyrie pour boire l' eau du Fleuve?
...............
Jer / Jr 2.36 Why gaddest thou about so much to change thy way? thou also shalt be ashamed of Egypt, as thou wast ashamed of Assyria. Nahoana ianao no maika hanova ny alehanao? Fa ho menatra noho ny amin' i Egypta koa ianao, toy ny nahamenaranao noho ny amin' i Asyria. Mba maika loatra hianao hanova ny làlanao! Hataon' i Ejipta mahazo henatra hianao, toy ny nahazoanao henatra tamin' i Asiria. Que tu mets de légèreté à changer de voie! Pourtant tu auras honte de l' Egypte comme tu as eu honte de l' Assyrie.
...............
Jer / Jr 50.17 Israel is a scattered sheep; the lions have driven him away: first the king of Assyria hath devoured him; and last this Nebuchadrezzar king of Babylon hath broken his bones. Ondry iray voavily ny Isiraely, Liona no nanenjika azy; Voalohany dia ny mpanjakan' i Asyria no nandany azy. Ary farany dia ity Nebokadnezara, mpanjakan' i Babylona, ity no nanapatapaka ny taolany. Israely dia ondry mania izay nohazain' ny liona: ny voalohany nihinana azy, dia ny mpanjakan' i Asiria; ilay anankiray hafa kosa indray, nanapatapaka ny taolany, dia Nabokodonozora, mpanjakan' i Babela. Israël était une brebis égarée que pourchassaient des lions. Le premier qui le dévora fut le roi d' Assur et celui qui, le dernier, lui brisa les os, ce fut Nabuchodonosor, roi de Babylone.
Jer / Jr 50.18 Therefore thus saith the Lord of hosts, the God of Israel; Behold, I will punish the king of Babylon and his land, as I have punished the king of Assyria. Koa izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hovaliko ny mpanjakan' i Babylona sy ny taniny toy ny efa namaliako ny mpanjakan' i Asyria. Noho izany, izao no lazain' ny Tompon' ny tafika, Andriamanitr' Israely: Indro aho hamangy ny mpanjakan' i Babela sy ny taniny, toy ny efa namangiako ny mpanjakan' i Asiria. C' est pourquoi ainsi parle Yahvé Sabaot, le Dieu d' Israël : Me voici pour visiter le roi de Babylone et son pays, comme j' ai visité le roi d' Assur.

  Lamentations Fitomaniana Fitomaniana Les Lamentations
...............
Fit 5.6 We have given the hand to the Egyptians, and to the Assyrians, to be satisfied with bread. Nanolo-tanana tamin' ny Egyptiana sy ny Asyriana izahay mba ho voky hanina. Mananty tànana amin' i Ejipta sy amin' i Asiria izahay, hivoky mofo. Nous tendons la main à l'Égypte, à Assur pour nous rassasier de pain.

  Book of Ezekiel Ezekiela Ezekiela Livre d'Ezéchiel
...............
Eze / Ez 16.28 Thou hast played the whore also with the Assyrians, because thou wast unsatiable; yea, thou hast played the harlot with them, and yet couldest not be satisfied. Ary nijangajanga tamin' ny zanak' i Asyria koa ianao noho ny tsi-fahafaham-ponao; eny, nijangajanga taminy ianao, nefa mbola tsy afa-po ihany. Nivarina tamin' ny zanak' i Asora hianao, satria mbola tsy afa-po; ary na efa nivarina tamin' ireo aza hianao mbola tsy afa-po ihany. Faute d'être rassasiée, tu t' es prostituée chez les Assyriens. Tu t' es prostituée sans pourtant te rassasier.
...............
Eze / Ez 23.7 Thus she committed her whoredoms with them, with all them that were the chosen men of Assyria, and with all on whom she doted: with all their idols she defiled herself. Nijangajanga tamin' ireny izy, dia tamin' izay tsara indrindra tamin' ny zanakalahin' i Asyria sy tamin' izay rehetra nahamaimay azy; tamin' ny sampiny rehetra no nandotoany tena. ka izay nokendreny hijangajangany dia izay voafantina rehetra amin' ny zanakalahin' i Asiria; ary teo anilan' ireo rehetra ireo, izay nahamatim-pitia azy, dia nandoto tena tamin' ny sampin-dozan' ireo. Elle leur accorda ses faveurs - c'était toute l'élite des Assyriens - et chez tous ceux dont elle s'éprit, elle se souilla au contact de toutes leurs ordures.
...............
Eze / Ez 23.9 Wherefore I have delivered her into the hand of her lovers, into the hand of the Assyrians, upon whom she doted. Ary noho izany dia natolotro ho eo an-tànan' ireo lehilahiny izy, dia eo an-tànan' ny Asyriana izay nahamaimay azy. noho izany natolotro eo an-tànan' ireo lehilahy izy; dia eo an-tànan' ny zanakalahin' i Asiria, izay nirehetany fitiavana. Aussi l' ai-je livrée aux mains de ses amants, aux mains des Assyriens dont elle s'était éprise :
...............
Eze / Ez 23.12 She doted upon the Assyrians her neighbours, captains and rulers clothed most gorgeously, horsemen riding upon horses, all of them desirable young men. Maimay tamin' ny Asyriana mifanolotra aminy izy, dia ny governora sy ny lefiny, olona mareva-pitafiana sady mpitaingin-tsoavaly, samy tovolahy bikàna izy rehetra. Matim-pitia an' ireo zanakalahin' i Asiria izy, governora amam-pifehy mifanila tany aminy, mitafy lamba sarobidy, mpitaingin-tsoavaly mitaingin-tsoavaly, samy tovolahy soa avokoa. Elle s'éprit des Assyriens, gouverneurs et magistrats, ses voisins, vêtus magnifiquement, habiles cavaliers, tous jeunes et séduisants.
...............
Eze / Ez 23.23 The Babylonians, and all the Chaldeans, Pekod, and Shoa, and Koa, and all the Assyrians with them: all of them desirable young men, captains and rulers, great lords and renowned, all of them riding upon horses. dia ireny zanakalahin' i Babylona mbamin' ny Kaldeana rehetra, mpanapaka sy manan-jo sy andrian-dahy, ary ny Asyriana rehetra koa miaraka aminy; tovolahy bikàna izy rehetra, dia ny governora sy ny lefiny, zanak' andriana sy olom-boafidy, sady mpitaingin-tsoavaly avokoa izy rehetra. dia ny zanakalahin' i Babilona, mbamin' ny Kaldeana rehetra, ny mpanapaka, ny lehibe, ny andriandahy, mbamin' ny zanakalahin' i Asiria rehetra koa miaraka aminy, tovolahy soa, samy governora amam-pifehy avokoa, samy manam-pahefana sy olo-malaza, samy mitaingi-tsoavaly avokoa. les Babyloniens et tous les Chaldéens, ceux de Peqod, de Shoa et de Qoa, et tous les Assyriens avec eux, jeunes et séduisants, tous gouverneurs et magistrats, tous écuyers renommés et habiles cavaliers.
...............
Eze / Ez 27.23 Haran, and Canneh, and Eden, the merchants of Sheba, Asshur, and Chilmad, were thy merchants. Harana sy Kane ary Edena sy mpandranto avy any Sheba sy Asyria ary Kilmada no mpandranto nankany aminao. Harana, Sene sy Edena, ny mpandranto avy any Sabà, Asora sy Kelmada nifampivarotra taminao: Harân, Kanné et Éden, les marchands de Sheba, d' Assur et de Kilmad faisaient du commerce avec toi.
...............
Eze / Ez 31.3 Behold, the Assyrian was a cedar in Lebanon with fair branches, and with a shadowing shroud, and of an high stature; and his top was among the thick boughs. Indro, Asyria dia sedera tsara rantsana any Libanona ary misandrahaka manalokaloka sady mijoroaka avo, ka mitehika amin' ny rahona matevina ny tendrony. Indro fa Asora dia hazo sedera any Libàna, tsara rantsana, be alokaloka, avo vatana, ary mitehika amin' ny rahona ny tendrony. Voici : à un cèdre sur le Liban au branchage magnifique, au feuillage touffu, à la taille élevée. Parmi les nuages émerge sa cime.
...............
Eze / Ez 32.22 Asshur is there and all her company: his graves are about him: all of them slain, fallen by the sword: Ao koa Asyria mbamin' ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon' ny sabatra; Ao Asora, mbamin' ny vahoakany rehetra; manodidina azy ny fasany; voatrobaka avokoa, lavon' ny sabatra avokoa izy. Voilà Assur et toutes ses troupes, avec leurs tombeaux tout autour de lui; ils sont tous tombés victimes de l'épée,

  Book of Hosea Hosea Osea Livre d'Osée
...............
Hos / Os 7.11 Ephraim also is like a silly dove without heart: they call to Egypt, they go to Assyria. Ary Efraima dia efa tonga tahaka ny voromailala adaladala tsy manan-tsaina; Efa miantso an' i Egypta izy ary efa mankany Asyria. Efraima tonga hoatra ny domoina, adaladala tsy misy saina; miantso an' i Ejipta, mankany Asiria. Éphraïm est une colombe naïve, sans cervelle; ils appellent l'Égypte, ils vont en Assur,
...............
Hos / Os 8.9 For they are gone up to Assyria, a wild ass alone by himself: Ephraim hath hired lovers. Fa niakatra ho any Asyria izy Toy ny borikidia mandeha irery; Efraima dia nanangy ireo lehilahiny satria ny tenan' izy ihany no niakatra ho any Asora. Ny ampondra dia monina an-takona; Efraima kosa nanangy lahy ho azy. car ils sont montés vers Assur, onagre qui vit à l'écart; Éphraïm s' est acheté des amants.
...............
Hos / Os 9.3 They shall not dwell in the Lord' s land; but Ephraim shall return to Egypt, and they shall eat unclean things in Assyria. Tsy honina ao amin' ny tanin' i Jehovah izy; Fa Efraima hiverina ho any Egypta ary hihinana zava-padina any Asyria. Tsy honina eo amin' ny tanin' ny Tompo izy ireo; fa hiverina ho any Ejipta Efraima, ary hihinana ny zava-padina any Asiria izy ireo. Ils n' habiteront pas au pays de Yahvé, Éphraïm retournera en Égypte, et en Assur, ils mangeront des mets impurs.
...............
Hos / Os 10.6 It shall be also carried unto Assyria for a present to king Jareb: Ephraim shall receive shame, and Israel shall be ashamed of his own counsel. Iny koa ho entina any Asyria ho fanomezana ho an' i Jareba mpanjaka; Ho afa-baraka Efraima, eny, hangaihay Isiraely noho ny saina nataony. Hoentina any Asiria koa izy, hatao fanatitra ho an' ny mpanjaka mpamaly; ho azon' ny henatra Efraima, hangaihay noho ny hevitra voakasany Israely. Lui-même, on le transportera en Assur comme tribut pour le grand roi. Éphraïm recueillera la honte, et Israël rougira de son dessein.
...............
Hos / Os 11.5 He shall not return into the land of Egypt, and the Assyrian shall be his king, because they refused to return. Tsy hiverina ho any amin' ny tany Egypta izy, fa Asyria no ho mpanjakany, satria tsy nety nibebaka izy. Tsy hiverina ho any amin' ny tany Ejipta izy; ary Asora no ho mpanjakany, noho izy tsy nety nibebaka. Il ne reviendra pas au pays d'Égypte, mais Assur sera son roi. Puisqu' il a refusé de revenir à moi,
...............
Hos / Os 11.11 They shall tremble as a bird out of Egypt, and as a dove out of the land of Assyria: and I will place them in their houses, saith the Lord. Hanatona amin-kovitra avy any Egypta toy ny voronkely izy, ary avy any amin' ny tany Asyria toy ny voromailala; Ka dia hampitoeriko ao an-tranony izy, hoy Jehovah. Hidodododo avy any Ejipta izy ireo, mangovitra toy ny voronkely ary avy any amin' ny tany Asora toy ny domohina; ka hamponeniko ao an-tranony, - teny marin' ny Tompo. comme un passereau ils viendront en tremblant de l'Égypte, comme une colombe, du pays d' Assur, et je les ferai habiter dans leurs maisons, oracle de Yahvé.
...............
Hos / Os 14.4 I will heal their backsliding, I will love them freely: for mine anger is turned away from him. Asyria tsy hamonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay sady tsy hiteny amin' ny asan' ny tananay intsony hoe: Ry Andriamanitray ô; Fa ao aminao no ahitan' ny kamboty famindram-po. Asora tsy hamonjy anay, izahay tsy hitaingin-tsoavaly; na hiteny hoe: Ry Andriamanitray ô! amin' ny asan' ny tànanay. Hianao, izay ahitan' ny kamboty fiantrana! Assur ne nous sauvera pas, nous ne monterons plus sur des chevaux, et nous ne dirons plus "Notre Dieu! " à l' oeuvre de nos mains, car c' est auprès de toi que l' orphelin trouve compassion. "

  Book of Micah Mika Mikea Livre de Michée
...............
Mik / Mi 5.5 And this man shall be the peace, when the Assyrian shall come into our land: and when he shall tread in our palaces, then shall we raise against him seven shepherds, and eight principal men. Ary handany ny tany Asyria amin' ny sabatra Sy ny tanin' i Nimroda ao an-tanànany ireo; Ary Izy hamonjy amin' ny Asyriana, Raha tonga amin' ny tanintsika sady manitsaka ato amin' ny fari-tanintsika ireny. Hiandry ny tanin' i Asora amin' ny sabatra ireo, sy ny tanin' i Nemroda eo ambavahadiny; ary izy hanafaka antsika amin' ny Asiriana, rahefa tonga amin' ny tanintsika ireny, sy hanitsaka ny faritanintsika ny tongony. ils feront paître le pays d' Assur avec l'épée, le pays de Nemrod avec le glaive. Il nous délivrera d' Assur s' il envahit notre pays, s' il foule notre territoire.
...............
Mik / Mi 7.12 In that day also he shall come even to thee from Assyria, and from the fortified cities, and from the fortress even to the river, and from sea to sea, and from mountain to mountain. Amin' izany andro izany koa dia hanatona anao ny olona Avy any Asyria sy avy any amin' ny tanànan' i Egypta, Eny, hatrany Egypta ka hatramin' ny Ony, Ary hatramin' ny ranomasina ka hatramin' ny ranomasina, Ary hatramin' ny tendrombohitra ka hatramin' ny tendrombohitra. Amin' izany andro izany, ho tonga hatr' aty aminao ny olona, avy any Asiria sy avy any amin' ireo tanànan' i Ejipta avy any Ejipta, ka hatr' any amin' ny ony, hatramin' ny ranomasina iray ka hatramin' ny ranomasina hafa, ary hatramin' ny tendrombohitra iray, ka hatramin' ny tendrombohitra hafa. ce jour-là, on viendra jusqu'à toi depuis l' Assyrie jusqu'à l'Égypte, depuis Tyr jusqu' au Fleuve, de la mer à la mer, de la montagne à la montagne.

  Book of Nahum Nahoma Nahoma Livre de Nahum
...............
Nah Na 3.18 Thy shepherds slumber, O king of Assyria: thy nobles shall dwell in the dust: thy people is scattered upon the mountains, and no man gathereth them. Rendrehana ny mpiandrinao, ry mpanjakan' i Asyria; Miampatrampatra ny lehilahy maherinao; Aely eny an-tendrombohitra ny olonao. Ka tsy misy mamory azy. Rendremana ny mpiandrinao, ry mpanjakan' i Asiria; mivalandotra ny lehilahy maherinao; mihahaka eny an-tendrombohitra ny vahoakanao; sady tsy misy olona mamory azy. se sont endormis tes bergers, roi d' Assur ? Tes puissants sommeillent, ton peuple est dispersé sur les montagnes, nul ne pourra plus les rassembler.

  Book of Zephaniah Zefania Sofonia Livre de Sophonie
...............
Zef / Sof 2.13 And he will stretch out his hand against the north, and destroy Assyria; and will make Nineveh a desolation, and dry like a wilderness. Ary haninjitra ny tànany hamely ny avaratra Izy Ka handringana an' i Asyria; Ary hahalao an' i Ninive ho karankaina tahaka ny efitra Izy. Haninji-tànana hamely ny avaratra koa izy, handringana an' i Asora, ary hahalao an' i Niniva, ka hahatonga azy ho karankaina toy ny efitra. Il lèvera la main contre le Nord et réduira Assur en ruines; il fera de Ninive une solitude, terre aride comme le désert.

  Book of Zechariah Zakaria Zakaria Livre de Zacharie
...............
Zak / Za 10.10 I will bring them again also out of the land of Egypt, and gather them out of Assyria; and I will bring them into the land of Gilead and Lebanon; and place shall not be found for them. Dia hampody azy avy any amin' ny tany Egypta Aho sy hanangona azy avy any Asyria; Ary ho any amin' ny tany- Gileada sy Libanona no hitondrako azy, Ka tsy ho omby azy izany Hampodiko avy any amin' ny tany Ejipta izy ireo, sy hangoniko avy any Asiria, dia hoentiko ho ao amin' ny tany Galaada sy Libàna ka tsy ho omby azy ny tany. Je les ramènerai de la terre d'Égypte et d' Assur je les rassemblerai; dans la terre de Galaad et du Liban je les ferai entrer et cela ne leur suffira pas.
Zak / Za 10.11 And he shall pass through the sea with affliction, and shall smite the waves in the sea, and all the deeps of the river shall dry up: and the pride of Assyria shall be brought down, and the sceptre of Egypt shall depart away. Dia hamaky ny ranomasim-pahoriana izy ka hamely ny onjan-dranomasina, Ho ritra ny rano lalin' i Neily rehetra, Haetry ny avonavon' i Asyria, Ary hiala ny tehina fanapahan' i Egypta. Hamaky ny ranomasina, ranomasim-pahoriana izy; sy hikapoka ny onjan-dranomasina ao amin' ny rano, dia ho tonga maina avokoa ny halalinan' ny ony. Haetry ny avonavon' i Asiria, ary halana ny tehim-panjakan' i Ejipta. Ils traverseront la mer d'Égypte et il frappera les flots dans la mer , toutes les profondeurs du Nil seront asséchées, l' orgueil d' Assur sera abattu et enlevé le sceptre de l'Égypte.