<-
->

Eze / Ez 31:1 And it came to pass in the eleventh year, in the third month, in the first day of the month, that the word of the Lord came unto me, saying, Ary tamin' ny andro voalohany tamin' ny volana fahatelo tamin' ny taona fahiraika ambin' ny folo dia tonga tamiko ny tenin' i Jehovah nanao hoe: Tamin' ny taona faharaika ambin' ny folo, volana fahatelo, andro voalohan' ny volana, tonga tamiko ny tenin' ny Tompo nanao hoe: La onzième année, au troisième mois, le premier du mois, la parole de Yahvé me fut adressée en ces termes :
Eze / Ez 31:2 Son of man, speak unto Pharaoh king of Egypt, and to his multitude; Whom art thou like in thy greatness? Ry zanak' olona, ataovy amin' i Farao, mpanjakan' i Egypta, sy amin' ny vahoakany maro be hoe: Tahaka an' iza moa ianao amin' ny fahalehibiazanao ? Ry zanak' olona, lazao amin' i Faraona mpanjakan' i Ejipta sy amin' ny vahoakany maro hoe: Tahaka an' iza moa hianao, amin' ny fahalehibeazanao? Fils d' homme, dis à Pharaon, roi d'Égypte, et à la multitude de ses sujets : A quoi te comparer dans ta grandeur ?
Eze / Ez 31:3 Behold, the Assyrian was a cedar in Lebanon with fair branches, and with a shadowing shroud, and of an high stature; and his top was among the thick boughs. Indro, Asyria dia sedera tsara rantsana any Libanona ary misandrahaka manalokaloka sady mijoroaka avo, ka mitehika amin' ny rahona matevina ny tendrony. Indro fa Asora dia hazo sedera any Libàna, tsara rantsana, be alokaloka, avo vatana, ary mitehika amin' ny rahona ny tendrony. Voici : à un cèdre sur le Liban au branchage magnifique, au feuillage touffu, à la taille élevée. Parmi les nuages émerge sa cime.
Eze / Ez 31:4 The waters made him great, the deep set him up on high with her rivers running round about his plants, and sent her little rivers unto all the trees of the field. Ny rano no nahalehibe azy, eny, ny rano lalina no nampijoroaka azy, ary ny ranovelona no nandeha manodidina ny tany nambolena azy ka nampandeha ny lakan-dranony hankamin' ny hazo rehetra any an-tsaha. Ny ranobe nampitombo azy; ny rano lalina, nahalehibe azy, tamin' ny nampandehanany ny oniny, tamin' ny manodidina ny fitoerana nambolena azy, sy tamin' ny nandefasany ny sakeli-dranony, ho ao amin' ny hazo rehetra any an-tsaha. Les eaux l' ont fait croître, l' abîme l' a fait grandir, faisant couler ses fleuves autour de sa plantation, envoyant ses ruisseaux à tous les arbres de la campagne.
Eze / Ez 31:5 Therefore his height was exalted above all the trees of the field, and his boughs were multiplied, and his branches became long because of the multitude of waters, when he shot forth. Koa dia nijoroaka ho avo noho ny hazo rehetra any an-tsaha izy, ary nihamaro ny sampany sady nihalava ny rantsany noho ny habetsahan' ny rano tamin' ny fisandrahany. Noho izany ny vatany nijoroaka, lasa avo noho ny hazo rehetra any an-tsaha; ny sampany nihalehibe; ny rantsany, nihalava, noho ny habetsahan' ny rano, tamin' ny fotoana nitomboany. C' est pourquoi sa taille était plus élevée que tous les arbres de la campagne, ses surgeons s'étaient multipliés, ses rameaux s'étendaient, à cause des eaux abondantes qui le faisaient croître.
Eze / Ez 31:6 All the fowls of heaven made their nests in his boughs, and under his branches did all the beasts of the field bring forth their young, and under his shadow dwelt all great nations. Teo amin' ny sampany no nanaovan' ny voro-manidina rehetra akany; Ary teo ambanin' ny rantsany no niterahan' ny bibi-dia rehetra; Sady teo amin' ny alokalony no nitoeran' ny firenena malaza rehetra. Ny voromanidina rehetra, nanao akany teo amin' ny sampany; ny biby rehetra any an-tsaha, niteraka teo ambanin' ny rantsany; ny firenena maro no nipetraka teo ambany alokalony. Dans ses branches nichaient tous les oiseaux du ciel, sous ses rameaux mettaient bas toutes les bêtes sauvages, à son ombre s' asseyaient un grand nombre de gens.
Eze / Ez 31:7 Thus was he fair in his greatness, in the length of his branches: for his root was by great waters. Ka dia tsara tarehy tamin' ny fahalehibiazany sy ny halavan' ny sampany izy; Fa tany amin' ny rano maro ny fakany. Nahatsara tarehy azy ny fahalehibeazany, sy ny halavan' ny sampany, fa latsaka lalina tao amin' ny rano betsaka ny fakany. Il était beau dans sa grandeur, dans le déploiement de ses branches, car ses racines se tendaient vers des eaux abondantes.
Eze / Ez 31:8 The cedars in the garden of God could not hide him: the fir trees were not like his boughs, and the chestnut trees were not like his branches; nor any tree in the garden of God was like unto him in his beauty. Tsy nahatakona azy ny sedera tao amin' ny sahan' Andriamanitra; Tsy mba nahatoraka ny sampany ny hazo kypreso, tsy mba nanana rantsana tahaka azy ny hazo platana; Ary tsy nisy tsara tarehy tahaka azy ny hazo rehetra tany amin' ny sahan' Andriamanitra. Ny sedra ao amin' ny sahan' Andriamanitra, tsy nahamatroka azy; ny sipresa, tsy nahatoraka ny sampany; ary ny pilatana tsy tahaka ny rantsany; ary ny hazo tao amin' ny sahan' Andriamanitra, tsy nisy tsara tarehy toa azy. Les cèdres ne l'égalaient pas au jardin de Dieu, les cyprès n'étaient pas comparables à ses branches, les platanes n'étaient pas semblables à ses rameaux, aucun arbre, au jardin de Dieu, ne l'égalait en beauté.
Eze / Ez 31:9 I have made him fair by the multitude of his branches: so that all the trees of Eden, that were in the garden of God, envied him. Nohatsaraiko tamin' ny haben' ny rantsany ny tarehiny; Ka dia nialona azy ny hazo rehetra tany Edena, dia ireo tany amin' ny sahan' Andriamanitra. Nataoko tsara tarehy izy amin' ny hamaroan' ny rantsany, ka hialona azy avokoa ny hazo rehetra ao Edena, dia izay rehetra ao amin' ny sahan' Andriamanitra. Je l' avais embelli d' une riche ramure, il était envié de tous les arbres d'Éden, ceux du jardin de Dieu.
Eze / Ez 31:10 Therefore thus saith the Lord GOD; Because thou hast lifted up thyself in height, and he hath shot up his top among the thick boughs, and his heart is lifted up in his height; Koa izany no nanaovan' i Jehovah Tompo hoe: Satria nijoroaka avo izy ka nanandratra ny lohany teo amin' ny rahona matevina, ary nirehareha ny fony noho ny hahavony, Koa izao no lazain' ny Tompo Iaveh: satria izy nisandratra ho avo, sy nanandratra ny tendrony hatrany amin' ny rahona, ary niavonavona noho ny fisandratry ny fony, Eh bien! ainsi parle le Seigneur Yahvé : Parce qu' il s' est dressé de toute sa taille, qu' il a porté sa cime jusqu' au milieu des nuages, que son coeur s' est enorgueilli de sa hauteur,
Eze / Ez 31:11 I have therefore delivered him into the hand of the mighty one of the heathen; he shall surely deal with him: I have driven him out for his wickedness. Dia hatolotro eo an-tànan' ilay mahery amin' ny firenena izy; Hamely azy tokoa io; Noho ny faharatsiany no nandroahako azy. dia natolotro izy ho eo an-tànan' ny andriamanitry ny firenena hataony amin' izay sitrapony; noroahako izy, noho ny haratsiany. je l' ai livré aux mains du prince des nations, pour qu' il le traite selon sa méchanceté; je l' ai rejeté.
Eze / Ez 31:12 And strangers, the terrible of the nations, have cut him off, and have left him: upon the mountains and in all the valleys his branches are fallen, and his boughs are broken by all the rivers of the land; and all the people of the earth are gone down from his shadow, and have left him. Ary izay fahavalo masiaka indrindra amin' ny firenena no nanapaka azy sady nanary azy; Teny an-tendrombohitra sy teny amin' ny lohasaha rehetra no nihahafan' ny sampany, ary notapatapahina teny amoron' ny ony rehetra amin' ny tany ny rantsany; Ary nidina niala tamin' ny alokalony ny firenena rehetra ka nahafoy avy. Notapahan' ny hafa firenena - firenena masiaka indrindra amin' ny firenena, - navelany teo izy; teny an-tendrombohitra aman-dohasaha rehetra teny no niampatramparan' ny sampany; ny rantsany tapaka nitsingidina teny amin' ny mason-driaka rehetra amin' ny tany; nihataka niala tamin' ny alokalony ny firenen' ny tany rehetra, ka dia nandao azy avokoa. Des étrangers, les plus barbares des nations, l' ont coupé et abandonné. Sur les montagnes et dans toutes les vallées gisent ses branches; ses rameaux se sont brisés dans tous les ravins du pays; tous les gens du pays se sont enfuis de son ombre et l' ont abandonné.
Eze / Ez 31:13 Upon his ruin shall all the fowls of the heaven remain, and all the beasts of the field shall be upon his branches: Mipetraka eo amin' ny vatany nianjera ny voro-manidina rehetra, ary eny amin' ny sampany ny bibi-dia rehetra, Ny tapatapany ahatongavan' ny voromanidina rehetra hipetraka, ary ny rantsany itsofohan' ny biby rehetra any an-tsaha: Sur ses débris se sont posés tous les oiseaux du ciel, vers ses rameaux sont venues toutes les bêtes sauvages.
Eze / Ez 31:14 To the end that none of all the trees by the waters exalt themselves for their height, neither shoot up their top among the thick boughs, neither their trees stand up in their height, all that drink water: for they are all delivered unto death, to the nether parts of the earth, in the midst of the children of men, with them that go down to the pit. Mba tsy hisy hiavonavona intsony noho ny hahavony ny hazo rehetra eny amoron' ny rano, na hanandratra ny lohany ho eo amin' ny rahona matevina, sady tsy hisy hitoky amin' ny hahavony intsony ny hazo mifo-drano rehetra; Fa voatolotra ho faty izy rehetra ho any ambanin' ny tany, ho ao amin' ny zanak' olombelona, dia any amin' izay midina any an-davaka. mba tsy hisy hazo voavoly amin' ny rano, hisondrotra ho avo, sy hanandratra ny tendrony hatrany amin' ny rahona, ary mba tsy hisy amin' izay mifo-drano, hatoky tena noho ny fiavonavonany; fa izy rehetra, samy voatendry ho faty, ho any ambanin' ny tany, hiharo amin' ny zanak' olombelona, dia amin' izay midina any an-davaka. Ainsi, que jamais ne se dresse de toute sa taille aucun arbre situé près des eaux, qu' aucun ne porte sa cime jusqu' au milieu des nuages, qu' aucun arbre arrosé ne se dresse vers eux de toute sa hauteur! Car tous sont voués à la mort, aux pays souterrains, au milieu du commun des hommes, avec ceux qui descendent dans la fosse.
Eze / Ez 31:15 Thus saith the Lord GOD; In the day when he went down to the grave I caused a mourning: I covered the deep for him, and I restrained the floods thereof, and the great waters were stayed: and I caused Lebanon to mourn for him, and all the trees of the field fainted for him. Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Tamin' ny andro nidinany ho any amin' ny fiainan-tsi-hita dia nampanao fisaonana Aho: Nanarona ny rano lalina noho ny aminy Aho sady nanampina ny ony avy aminy, ka dia najanona ny rano maro; Nampisaoniko Libanona noho ny aminy, ka nalazo noho izany ny hazo rehetra tany an-tsaha. Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Tamin' ny andro nidinany ho any amin' ny seoly, nampanao fisaonana aho; ny rano lalina nosaronako, noho ny aminy; ny ony mandeha najanoko; ny ranobe, niato; Libàna, nampanjomboniko, noho ny aminy; ary ny hazo any an-tsaha, nilofika avokoa noho ny aminy. Ainsi parle le Seigneur Yahvé : Le jour où il est descendu au shéol, j' ai fait observer un deuil, j' ai fermé sur lui l' abîme, j' ai arrêté ses fleuves et les eaux abondantes ont tari. J' ai assombri le Liban à cause de lui et tous les arbres de la campagne ont séché à cause de lui.
Eze / Ez 31:16 I made the nations to shake at the sound of his fall, when I cast him down to hell with them that descend into the pit: and all the trees of Eden, the choice and best of Lebanon, all that drink water, shall be comforted in the nether parts of the earth. Tamin' ny fiezinezin' ny fianjerany dia nampihorohoroiko ny firenena, raha nampidiniko ho any amin' ny fiainan-tsi-hita izy, ho naman' izay midina any an-davaka; Ary ny hazo rehetra any Edena, dia ny nojobonina sady soa indrindra any Libanona, dia izay mifo-drano rehetra, samy nampionona ny tenany any ambanin' ny tany, Nataoko nihorohoro ny firenena, tamin' ny fiezinezin' ny fianjerany, tamin' ny namarinako azy ho any amin' ny seoly, miaraka amin' ireo midina any an-davaka. Nianina tany ambanin' ny tany ny hazon' i Edena rehetra, ny tsara tarehy sy kanto indrindra tany Libàna, dia izay rehetra bobo-drano. Au bruit de sa chute, j' ai fait trembler les nations, quand je l' ai précipité au shéol avec ceux qui descendent dans la fosse. Dans les pays souterrains, ont été consolés tous les arbres d'Éden, le choix des plus beaux arbres du Liban, tous arrosés par les eaux.
Eze / Ez 31:17 They also went down into hell with him unto them that be slain with the sword; and they that were his arm, that dwelt under his shadow in the midst of the heathen. Ireo koa dia niara-nidina taminy ho any amin' ny fiainan-tsi-hita, ho any amin' izay voatrabaky ny sabatra, mbamin' ireo izay efa sandriny teo, ka nipetraka teo ambanin' ny alokalony teo amin' ny firenena. Niara-nidina taminy koa ireo, ho any amin' ny seoly, nankany amin' ireo matin' ny sabatra, izay sandriny, sy nipetraka teo amin' ny alokalony, teo afovoan' ny firenena. Et sa descendance qui habitait sous son ombre, parmi les nations, elle aussi est descendue au shéol, vers les victimes de l'épée.
Eze / Ez 31:18 To whom art thou thus like in glory and in greatness among the trees of Eden? yet shalt thou be brought down with the trees of Eden unto the nether parts of the earth: thou shalt lie in the midst of the uncircumcised with them that be slain by the sword. This is Pharaoh and all his multitude, saith the Lord GOD. Tahaka an' iza amin' ny hazo any Edena moa ianao amin' izao voninahitra sy fahalehibiazana izao? Hampidinina ho any ambanin' ny tany miaraka amin' ny hazo any Edena ianao; Eo amin' ny tsy voafora no hiamparanao, dia eo amin' izay voa-trabaky ny sabatra. Farao sy ny vahoakany maro be rehetra izany, hoy Jehovah Tompo. Koa iza no itovizanao voninahitra amam-pahalehibeazana, ireo hazon' i Edena? Havarina hianao miaraka amin' ny hazon' i Edena any ambanin' ny tany; hamparina eo amin' ireo tsy voafora, miaraka amin' ireo voatrobaky ny sabatra. Izany no hanjo an' i Faraona, mbamin' ny vahoakany maro, - teny marin' ny Tompo Iaveh. A qui donc comparer ta gloire et ta grandeur parmi les arbres d'Éden ? Pourtant tu fus précipité avec les arbres d'Éden vers le pays souterrain, au milieu des incirconcis, et te voilà couché avec les victimes de l'épée. Tel est Pharaon et toute sa multitude, oracle du Seigneur Yahvé.

<-
->