|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : andraso

Ohabolana 1Andraso ho folaka ny andro vao atao ny fandevenana. [2.415 #2841]
Dikanteny frantsayAttendez que le jour soit à son déclin pour faire les funérailles. [2.415 #2841]
Fanazavana frantsayLes Malgaches croyaient que cela portait malheur de faire les funérailles avant, car disaient-ils, enterrer lorsque le soleil est dans sa force c'est s' exposer à ce que la mortalité soit grande dans la famille. [2.415 #2841]

Ohabolana 2Hoatry ny mpiara-dia samy miavona izy roa, ka ny aloha tsy manao hoe haingana, ary ny aoriana kosa tsy manao hoe andraso. [2.415 #4008]
Miara-dia samy miavona ka ny eo aloha tsy miandry, ny eo aoriana tsy miantso. [2.558]
Mpiara-dia roa samy miavona : ny aloha tsy manao " haingana " , ny aoriana tsy manao " andraso " . [2.415 #6012]
Dikanteny frantsayCe sont deux orgueilleux qui voyagent ensemble : celui qui est devant ne dit pas à l' autre de marcher plus vite, et celui-ci ne lui dit pas de l'attendre. [2.415 #6012]
Ils sont comme deux voyageurs orgueilleux : celui qui est devant, ne dit pas à l' autre d' aller plus vite ; celui qui est derrière, ne dit pas de l' attendre. [2.415 #4008]
Fanazavana frantsaySe disait des gens, surtout des époux qui allaient chacun de leur côté, sans entente. [2.415 #4008]

Ohabolana 3Ny andraso andraso manariva ny mody. [1.1]
Ny takariva no mahatonga ny alina; ny sangy mahery no mahatonga ny ady ; ny "andraso kely" no mahariva ny andro; ny hadino no mahavery ny entana. [2.415 #6244, 2.653 #2422]
Ny takariva no mahatonga ny alina, ny sangy no miteraka ny ady, ny andraso kely no mahariva ny andro ary ny hadinodino no mahavery ny entana. [2.558]
Fanazavana malagasyNy hataka andro lava, ny fampiandrasana ary ny fiolakolahana dia mahatonga ho tratra hariva nony hody (tokony hotsorina izay fanapahankevitra raisina). [1.1]
Dikanteny frantsayLe crépuscule amène la nuit ; la plaisanterie trop forte engendre les disputes; le attendez un peu, retarde jusqu' au soir; l' oubli fait perdre les paquets. [2.415 #6244]
Le soir appelle la nuit ; les familiarités excessives engendrent les querelles ; les fréquents délais épuisent la journée ; les oublis causent la perte des bagages. [2.974 #274]
Fanazavana frantsayUne petite cause a de grands effets. [2.415 #6244]

Fizahan-teny