Fizahan-teny

Ohabolana : Betsileo

Ohabolana 1Adaladala toa Betsileo, ka miarahaba soavaly. [2.165 #1630]
Adaladala toa Betsileo : miarahaba soavaly. [2.415 #2050, 2.653 #6]
Dikanteny frantsayÊtre simple (ou stupide) comme un Betsileo et saluer un cheval. [2.165]
Sot comme les Betsileo qui saluent un cheval. [2.415 #2050]
Fanazavana frantsaySe disait des gens lourdauds et simples d' esprit. [2.415 #2050]

Ohabolana 2Any Betsileo no voky tsaramaso, ka atý Antananarivo no mivozihi-kibo. [2.653 #265]

Ohabolana 3Aza manao ny Betsileo ho mpanan-karena, raha mitafy arindrano fa manao kitamby harefo. [2.415 #5891, 2.653 #485]
Aza manao ny Betsileo tsy ho manankarena, raha mitafy arindrano mikitamby harefo. [2.558 #548]
Dikanteny frantsayEn voyant les Betsileo porter le lamba en tissu arin-drano, ne croyez pas qu' ils soient riches, car leur pagne est en jonc. [2.415 #5891]
Fanazavana frantsayNe jugez pas sur les apparences. [2.415 #5891]

Ohabolana 4Aza manao tsitsik’ Ibetsileo: "Ny ombin’ Ikoto any Ikoto ; ny an’ olona koa any Ikoto". [2.653 #539]
Aza manao tsitsik' ombin' Ibetsileo: ny ombin' Ikoto an' Ikoto ihany, ary ny ombin' olona an' Ikoto koa. [2.165]
Dikanteny frantsayNe jurez pas comme les Betsileo à propos des bœufs: les bœufs d' Ikoto sont à Ikoto, et ceux des autres seraient aussi à Ikoto. [2.165]

Ohabolana 5Betsileo mamo ka toraky ny omaly tsy miova. [2.558 #886]

Fizahan-teny