Teny iditra adaladala (adala)
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana malagasy enti-milaza olona kely saina, tsy misy loha, fatra-panaonao foana sady miseho ho bado, tsy mahazo tsara na oviana na oviana izay lazaina aminy: adaladala ilay vahinin-dry zareo ato atsimo: nahazo vorona izy, ka ny volom-bodiny no nongotany fa tsy ny elany, ka lasa nanidina ilay vorona
Mitovy hevitra: baibo ~ fondrana ~ kaondrana ~ kidramadrama ~ manangan-tsampona ~ manasatsasaka ~ manondrana ~ mirendrirendry ~ misy kely ~ mitandrantandrana ~ mitanendrinendrina ~ mitondrantondrana ~ mitondrendrena ~ mitondrintondrina ~ nahafahana ~ ondranondranana ~ tangoarara ~ toraiky ~ tsy tohinina ~ vendrana ~ zanakalo [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay étourdi, un peu fou [Abinal 1888, Rajaonarimanana 1995]
 insolent [Rajaonarimanana 1995]
Ohatra 
1Toa adaladala no fihevitr' izay nanontaniako ahy! [Andriamalala: Zazavavindrano]
2Tahaka ny adaladala indray ny olona nahita izany rehetra izany. [Andraina: Mitaraina, takila 195]
3fa be adaladala ny olona taloha, tsy mba tahaka ny hendry ankehitriny. [Callet: Tantara, takila 1017]
Sampanteny 
Endriteny 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Teny nalaina 

2017/10/22