|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : kaka

Ohabolana 1Boka mangala-kitoza : finaritra am-pihinanana, fa ny manala kaka no ady mafana. [2.415]
Boka mangala-kitoza : finaritra am-pihinanana, fa ny manala kaka no adiny. [2.415 #1956]
Boka mihinan-kitoza: ny fihinana no lavorary, fa ny manala kaka no ady mafana. [2.165 #2018]
Boka nangala-kitoza : ny fihinanana dia lavorary fa ny manala kaka no ady mafana. [2.558 #934]
Boka nihinan-kitoza: ny manala kaka no adiny. [2.653 #812]
Dikanteny frantsayLépreux qui vole des lanières de viande boucanée : il est content de manger, mais après avoir mangé c' est en vain qu' il bataille pour enlever les parcelles qui sont rentrées entre ses dents. [2.415 #1956]
Un lépreux mangeant de la viande boucanée: pour manger, ça va bien; mais c' est pour se curer les dents ensuite qu' il est embarrassé. [2.165]
Fanazavana frantsayLe tout n' est pas d' avoir le plaisir, il faut voir la suite. [2.415 #1956]

Ohabolana 2Latsaka anelanelany hoatry ny kaka. [2.415 #2606]
Latsaka anelanelany ohatra ny kaka. [2.653, 1.1]
Latsaka an' elanelany tahaka ny kaka. [2.558 #1755]
Latsaka anelanelany toy ny kaka. [2.165 #1009]
Fanazavana malagasySendra fahasahiranana manery andaniny roa avy. [1.1]
Dikanteny frantsayPlacé entre deux maux comme la parcelle de nourriture placée entre les dents. [2.415 #2606]
Pris des deux côtés comme un coin. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait d'une situation inextricable. [2.415 #2606]

Fizahan-teny