|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : mandrakariva

Ohabolana 1Akanga nanamborana, ka mivadi-po mandrakariva. [2.653 #32, 2.974 #355]
Dikanteny frantsayLa pintade échappée à un carnage est sujette à des frayeurs continuelles. [2.974 #355]

Ohabolana 2Aza manao an' Andriamanitra azo am-po mandrakariva. [2.165 #25]
Aza manao an' Andriamanitra azoko am-po. [2.558 #490]
Aza manao Andriamanitra azoko am-po. [2.415 #17]
Tsy mety raha manao an' Andriamanitra azoko am-po. [2.558 #4611]
Tsy mety raha manao Andriamanitra azoko am-po. [2.415 #17, 2.653 #3434]
Dikanteny frantsayNe dites pas : je sais ce que Dieu veut et rien ne m' arrêtera dans mes projets. [2.415 #17]
Ne dites pas que vous avez toujours Dieu pour vous. [2.165]
Fanazavana frantsayC. à. d. il ne faut pas être trop sûr de soi-même. [2.165]
Paroles de ténacité orgueilleuse et d' opiniâtreté. [2.415 #17]

Ohabolana 3Manao mosalahy mandrakariva hoatry ny mpivarotra tsy mana-mizana. [2.415 #4390]
Manao mosalahy mandrakariva, ohatra ny mpivarotra tsy mana-mizana. [2.653]
Manao mosalahy ohatra ny mpivarotra tsy mana-mizana. [2.558]
Dikanteny frantsayAgir toujours au hasard, comme un marchand qui n' aurait pas de balance. [2.415 #4390]
Fanazavana frantsayAgir par à-peu-près et à la légère. [2.415 #4390]

Ohabolana 4Mianiana tsy to mandrakariva, ka matin' ny anian-dava. [2.415 #4205]
Dikanteny frantsayFaiseur de faux serments finit, tôt ou tard, par en être étranglé. [2.415 #4205]

Ohabolana 5Mitondra teny tsy azo, ka averimberin' ny olona mandrakariva haka fototra tsara. [2.415 #3409]
Dikanteny frantsayCommissionnaire qui part trop vite : il porte des paroles qu' il ne comprend pas et on le renvoie sans cesse pour se mieux renseigner. [2.415 #3409]

Ohabolana 6Toy ny tongo-bitsy : madio mandrakariva. [2.558 #4329]

Fizahan-teny