|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : mosary

Ohabolana 1Aza malaina fa ny mosary indray maraina aza tsy efa fotsiny. [2.558 #472]
Aza malaina manao zavatra; fa ny mosary indray maraina tsy efa foana. [2.165 #680]
Ny mosary indray maraina aza tsy efa foana. [2.558 #3155]
Ny mosary indray maraina tsy efa foana. [2.653 #2353]
Dikanteny frantsayNe soyez pas paresseux; car quand la famine règne il est difficile de trouver à manger, même pour une seule matinée. [2.165]

Ohabolana 2Fahavalo tsy miohatra ny mosary. [2.558]

Ohabolana 3Manana vary tsy ho tojo mosary, mahazoa vola ho lavitry ny henatra. [2.558 #1978]

Ohabolana 4Nahoana no misao-bady voky, ka mampaka-bady noana ? ny mosary ho an' olona, ka alain-ko an-tena. [2.415 #1384, 2.653 #2055]
Nahoana no misao-bady voky ka mampakatra ny noana: ny mosary ho an' olona ka alain-ko an-tena ? [2.558]
Dikanteny frantsayPourquoi vous séparer d' une épouse déjà rassasiée et satisfaite, pour en épouser une nouvelle qui sera forcément affamée et pleine de désirs ? la famine est pour d' autres, et vous la prenez pour vous. [2.415 #1384]
Fanazavana frantsayMaxime pour prêcher la fidélité conjugale. [2.415 #1384]

Ohabolana 5Tsy manam-pahavalo aho : ny mosary no fahavaloko ; ny rano koa no rafiko. [2.415 #402]
Dikanteny frantsayJe n' ai pas d' ennemis : la famine et les inondations, voilà les ennemis qu' il me faut combattre. [2.415 #402]
Fanazavana frantsayParoles du roi Andrianampoinimerina à ses sujets pour les exciter à travailler les rizières et à construire des digues. [2.415 #402]

Fizahan-teny