|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : mpiasabe

Ohabolana 1Hazo mahitsy : matin' ny hitsiny; mpiasabe : voan' ny fahatsorany. [2.558 #1296]

Ohabolana 2Mpiasabe mahay mandrasa ka ny matavy no mby an-kitapo mialoha. [2.558 #2612]
Mpiasabe mahay mandrasa, ka ny matavy no mby ao an-kitapo aloha. [2.415 #3208, 2.653 #1979]
Dikanteny frantsayC' est un homme simple qui sait partager la viande : il commence par mettre les bons morceaux de viande dans son sac. [2.415 #3208]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui sous des dehors simples, sont rusés. [2.415 #3208]

Ohabolana 3Mpiasabe manao hisasahana: ny any ny tena indray no avela ho tany vao. [2.653 #1977]
Mpiasabe manao hisasahana : ny an' ny tena indray no avela ho tany vao. [2.415 #3859, 2.558 #2613]
Dikanteny frantsayHomme simple qui cultive les rizières des autres pour avoir la moitié de la récolte : il laisse pour cela les siennes en friche. [2.415 #3859]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui négligent leurs affaires pour celles des autres. [2.415 #3859]

Ohabolana 4Mpiasabe raha ny tarehy fa jiolahy ny ao anaty. [2.558 #2614]
Mpiasabe tarehy, fa jiolahy anaty. [2.653 #1976]

Ohabolana 5Mpiasabe vonton' anatra: any an-tsena avy no manao "mbay lalana". [1.1]
Mpiasabe vonton' anatra ka manao mbay lalana an-tsena. [2.415 #6514, 2.653 #1980, 2.165, 2.558, 1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ireo olona tsotra loatra ka tsy mandinika izay tokony sy tsy tokony hampiasana ny anatra omena azy fa rehefa izay no voalaza dia tanterahiny na manao ahoana na manao ahoana. [1.1]
Ny zavatra rehetra – na dia izay tsara aza – dia mety hiova ho ratsy rehefa mihoapampana, miohatra ny fetra. [1.1]
Dikanteny frantsayHomme simple et bonasse : tout pénétré des avis qu' il a reçus il dit même au milieu du marché, la formule de politesse pour demander la permission de passer. [2.415 #6514]
Un nigaud qui a reçu trop de recommandations, il dit: "Pardon, laissez-moi passer" au marché. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des gens trop simples, mais consciencieux. Il était d' usage de demander la permission de passer, mais il était ridicule de la demander à la foule, dans un marché. [2.415 #6514]
Un Malgache poli ne passe pas d' habitude devant un autre sans dire ces mots; mais sur un marché ils sont de trop, il y a trop de monde, on n' en viendrait pas à bout, il faudrait les dire à chaque pas! [2.165]

Fizahan-teny