|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : tazo

Ohabolana 1Akory ilay malaina: asaina miasa lohataona, manao hoe vaky lafika aho; asaina manosy fahavaratra, mararin' ny tazo aho; avela an-tanàna, tsy mahamasa-kanina. [2.165]
Akory ity ilay malaina : asaina miasa lohataona, milaza ho vaky lafika; asaina manosy fahavaratra, milaza ho mararin' ny tazo; avela an-tanàna tsy mahamasa-kanina. [2.558 #94]
Dikanteny frantsayRegardez-moi ce paresseux: on veut le faire bêcher au printemps, il dit qu' il a des crevasses aux pieds; on veut le faire piétiner les rizières en été, il prétend avoir la fièvre; on le laisse au village, il ne peut pas même cuire les repas. [2.165]

Ohabolana 2Ny ala sy ny tazo, dia jeneraly roa ngezalahy miaro ahy tsy ho tafihin' ny Eoropeana. [2.415 #6314]
Dikanteny frantsayLa forêt et la fièvre, voilà deux puissants généraux qui me défendront contre les puissances de l' Europe. [2.415 #6314]
Fanazavana frantsayParoles de Radama I. [2.415 #6314]

Fizahan-teny