Teny iditra alakamisy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy (Arabo El-khamis, na Al-chamisu: fahadimy; Soehily Alhamisi).

Alakamisy no andro voalohany tamin'ny razana; andron'Andriana, fisantarana ny zavatr'Andriana; andro fidin'ny Andriana hisehoana amin'ny ambanilanitra. Voalaza ho tenin-dRafohy, mpanjakan'Alasora, sahabo ho 400 taona lasa izay, ny hoe: "Anao ny Alakamisy, Andriamanelo, fa Andriamatoako ianao, ka ianao no manjaka voalohany". Alakamisy no nisehoan'Andriamanelo; Alakamisy no nihadiana ny hady voalohany, teo Alasora. Dia hita tantara toy izany: samy nanaja ny Alakamisy, Ralambo, Andrianjaka, Andriamasinavalona, Andrianampoinimerina.

Misy toy ny petaka toko na tandrifin-drahona ihany ny an'ny ntaolo: nalainy ara-bakiteny ny hoe Alakamisy: maka (malaka) sy misy: andro tsara, andron'Andriana, mampisy fanambinana; ny zavatra irina hisy soa mitontohitra no atao, alaina na santarina Alakamisy; sady andro ratsy koa anefa: mampisy loza -- fady dia fady ny mandevina Alakamisy, mbamin'ny miala saona, ny mamangy malahelo. Ny Alahady koa tsy fandevenana -- ankevitry ny noho ny teny hoe hady, ka mampihady fasana lava. Ny T. dia be no mifady Alakamisy, tsy miasa.

Ny olona teraka Alakamisy dia natao hoe Ikamisy, na Rakamisy, Andriamisy, Andrianisa (?) (isa, voalohany), raha vahoaka; fa ny andriana kosa: Ramisa, Ramisavola, Ramisamanjaka, Ramisarivo. -- Ny faditry ny andro Alakamisy dia ny akorandriaka. Raha ohatra la Alakamisy no ahatsinanan'ny Alahasaty, dia tsy fanao ny mamono zavatra afa tsy manja mena amin'io andro io. -- Dia ao ilay fady, tandreman'ny ntaolo, tsy atao amin'ny andro ahaterahana: tsy mihety, tsy manala hoho. [1.10]

 Andro fahadimy amin'ny herinandro. Araka ny hevitry ny Ntaolo: tononandro tsara fa manantena hisy; taloha: fivoahan'ny Andriana sy fanantarana ny zavatr'Andriana, fanantaran-trano, fampakaram-bady, fiakaran'ny tafika sady fivoahany; andro tsara ny alakamisy ka tsy mba nandevenana fa raha misy maty, dia miandry zoma alevina. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Thursday. [Ar. Al-chamisu - Fifth.] [1.2]
 Thursday [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Jeudi [1.3, 1.8, 1.5, 1.14]
  ~ Amin'ny alakamisy (À jeudi) ~ Alin'ny alarobia hifoha alakamisy (La nu [...] [tohiny 1.5]
  [Tanala] Jeudi [ar.: Kamsa, cinq, al-Kamis, jeudi] [1.6]
Fanazavàna teny italianina Giovedi [1.18]
Fanazavàna teny alemà Donnerstag. Amin'ny alakamisy faha...: am Donnerstag, dem/den... Ny alin'ny alarobia hifoha alakamisy: die Nacht von Mittwoch auf Donnerstag. [1.56]
Ohatra 
1Tamy ny andro Alakamisy 1 Alahamady, 1 July 1886, nonitokanana ny trano fiangonana ao Anjanahary. [2.59]
2Randriampeno dia nangataka mba hatao amin'ny iray volan'ny Alakamisy ho avy, ary ny ray aman-dreniny nanaraka izany; [2.324]
Voambolana 
Anaran-toerana 
Tsanganana sy sary iray takila Fizaran' andro
Ohabolana 

Teny iditra alakamisy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Hazo anaovana fanafody Crateva excelsa.
Zavamaniry azo atao ody tazo ny fakany, manampy ny kininina(Burasaia nigrescens). [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A tree used in house-building. It is said to be brought from the forest only on Thursdays, hence its name. Chips of the wood are used as a remedy for colic and indigestion.
Probably the same as the preceeding. Used by the Sakalava as a medecine for pains in the head. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Arbre dont on fait des remèdes. [1.3]
  [Tankarana] Nom d'une plante (?), écorce et feuilles utilisées en tisane contre les coliques. [1.19]
Fanazavàna teny anglisy  Burasaia crateva [2.515]
Fanazavàna teny frantsay  [Bezanozano] (de l'arabe al - chamisu = le cinquième, désigne le 5e jour de la semaine, c'est-à-dire le jeudi). C'était le jour réservé à honorer le souverain, les gens de caste noble, et considéré comme faste. Les plantes qui portent ce nom sont considérées comme de puissants fortifiants, donnant le pouvoir moral de surmonter les obstacles. Plusieurs d'entre elles sont effectivement riches en alcaloïdes. Ce sont principalement :
Schismatoclada psychotrioides Baker (Rubiaceae).
Euodia chapelieri Baillon (Rutaceae).
Crateva excelsa Bojer (Capparaceae).
Burasaia nigrescens Capuron Nom. In Sched.(Menispermaceae).
Crotalaria cytisoides Roxb. ex DC. (Fabaceae). [1.196]
Anarana siantifika Crateva excelsa, Euodia chapelieri, Schismatoclada psychotrioides
Ohatra alakamisy, asaina ny fakany, ary sotroina amy ny rano [2.48]
Voambolana 
Fitanisam-boky Schatz: Generic Tree Flora of Madagascar

Teny iditra Alakamisy
Sokajin-teny anaran-tsamirery (haitoetany) [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Raha nanorina ny tsena voalohany teto anivon'ny riaka Andrianampoinimerina dia ny tsena Alakamisin' Ambohimanga no voalohany indrindra, dia Anjoman'Antananarivo no faharoa, Asabotsin'i Namehana no fahatelo, Alahadin'i Lanifasana no fahefatra, Alatsinainin'Andranovintana (Alatsinainin'Ambohipoloalina ankehitriny) no fahadimy, Talatan'i Volonondry no fahenina, Alarobian'Amboanjobe no fahafito -- ireo tsena fiton'Andrianampoinimerina ireo no toy ny tsangambaton'ny filaharan'ny andron'ny ntaolo. [1.10]
 Anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The place where Thursday's market is held. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Les marchés du jeudi: l'emplacement du marché [1.3]
 Marchés du jeudi. [1.5]
Ohatra Ny orimbato hoe Manganiha ny eo avaratr' Alakamisy, sy ny orimbato eo Antsahamasina [2.48]
Voambolana 
Fangi-bolantany -21.9, 46.9166667
-20.45, 47.2833333
-20.2, 47.3166667
-18.8333333, 46.5666667
-18.65, 47.7
-18.5333333, 47.9333333

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2020/12/15