Teny iditra Analamanga (any, ala, manga)
Sokajin-teny anaran-tsamirery (haitoetany) [fitanisana]
Voambolana 
Fangi-bolantany -22.9333333, 47.2333333
-18.9166667, 47.55
-16.4333333, 48.5166667

Teny iditra Analamanga (any, ala, manga)
Sokajin-teny anaran-tsamirery (haitoetany) [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy (na Ialamanga) Tamin' ny andron' Andriamanelo sy Ralambo dia tanànan' ny Vazimba Analamanga (ny tampon' Antananarivo ankehitriny). Rakotry ny ala izy tany aloha ela. Ala no teo Miadamafana sy Angavokely izay niova anarana ho Tsiazompaniry taoriana. Alan-kazo vandrika no teo Antsahondry ankehitriny izay Ambadika taloha. Alan' ny hazo famaho no teo Ampamaho ary alan' ny hazotokana, tahaka izay mbola betsaka eny Ambohimanga mandraka ankehitriny, no nandrakotra an' Ankazotokana. Anatirova dia rakotry ny ala vaventy koa tamin' izany, fa Andrianjaka no vao nampikapa ny hazo teo, nanaovany rova sy lapa ho azy. Ny hazo atao hoe voanalakely no be dia be teo Analakely, ka nahatonga ny anarany. Iny avaratra sy avaratra atsinanan' Analakely dia rakotry ny alan' ny vondrona, ka izany no nanaovana azy hoe Ambondrona. Hatreny Betsimitatatra sy ny toerana iva hotsakotsaka rehetra manodidina dia feno kirihitrala sy ampangahazo, ets., ka ireny no voalevina , tototry ny antsanga na may, dia tonga fompotra izay mbola hadina betsaka mandraka ankehitriny ho fandoroan-tanimanga.

Talohan' ny nahazoan' Andrianjaka an' Ialamanga dia Vazimba no mponina teto. Vazimba no teo Ampanobe ambany atsinanan' Andohamandry. Ny Vazimba Ravoahangy no teo Andravoahangy; Razanahary no teo Ambohijanahary; Rafandrana no teo Ambatondrafandrana sady milevina ao Ampandrana. Ry Andriampikorana no teo Ampamaho sy Ambohijafy ary Ambatobe, izay Andafiavaratra taty aoriana. Ry Andriamahazo no teo Ambohimitsimbina. Samy Vazimba malaza teto Ialamanga avokoa ireny.

Andrianjaka no nandresy azy (1610-1630?). Rehefa azon' Andrianjaka ny tanàna dia nakany olona arivo avy tamin' ny tanàna dimampolo samy hafa amin' Avaradrano no ho voanjo eto amin' ny renivohitra vao nofidiny. Ary ny anarany hoe Analamanga na Ialamanga dia novany ho Antaninarivo , araka izany. Ireo voanjo dia nataony hoe Tsimilefa.

Taty aoriana, azon' Andrianampoinimerina tamin' Andrianamboatsimarofy Antaninarivo (1794). Nesoriny ny Tsimilefa ary nametraka voanjo arivo vaovao izy hisolo azy, izay avy tamin' ny Tsimahafotsy, Tsimiamboholahy, Mandiavato. Ny andriana fito karazana : Zanakandriana, Zazamarolahy, Andriamasinavalona, Andriantompokoindrindra, Andrianambininolona, Andriandrapando, Zanadralambo, dia samy nomeny anjara fonenana teto Antaninarivo. Voromahery no nataony anaran' ireo voanjo, nasolony ny Tsimilefa.

Tamin' ny andron-dRadama I vao niova fanononana ho Antananarivo ity renivohitra ity, ary ny Vazaha kosa manao azy hoe Tananarive. [1.10]

Voambolana 
Lohateny Misiterin' Analamanga (Rainizanabololona Justin)
Tsipelina hafa 
Mpanahaka  Ny Tendrombohitra Roambinifolo
Fangi-bolantany -18.9166667, 47.55

Teny iditra Analamanga
Sokajin-teny anaran-tsamirery (haitoetany) [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Faritra anatin' ny faritanin' i Antananarivo [3.1]
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny faritra roa ambin' ny roapolo
Sary 

Nohavaozina tamin' ny 2021/05/23